-
Mety hahavonjy antsika ny batisa — Amin’ny fomba ahoana?Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Aprily
-
-
3. Ahoana no hamintinanao ny 1 Petera 3:18-21 amin’ny fomba fiteninao manokana?
3 Nanambara i Petera fa rehefa natsangana ho fanahy Jesosy taorian’ny nahafatesany dia nitory hafatra fanamelohana tamin’ireo fanahy ratsy tao an-tranomaizina, dia ireo demonia voatana ao amin’ny fatorana mandrakizay ho amin’ny fitsaran’ny andro lehiben’i Jehovah. Ireny demonia ireny dia niseho ho tsy mpankatò tamin’ny nitafiany vatana ara-nofo sy tamin’ny fanambadiana zanakavavin’ny olombelona “fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran’ny olona vitsy, dia izy valo mianaka [Noa, ny vadiny, ny zanakalahiny sy ny vadin’ireo], ka namonjena azy ny rano.”
-