FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Aoka ho Mailo ka Tsy Hanao Tsirambina ny Vavaka”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Novambra
    • 1, 2. a) Nahoana isika no tokony ho “mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka”? b) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika momba ny vavaka?

      HOY ny lehilahy iray efa niasa alina: “Rehefa hadiva haraina ny andro vao tena mafy ny miady amin’ny torimaso.” Izany koa angamba ny hevitrao, raha efa voatery niari-tory nandritra ny alina ianao. Mafy amin’ny Kristianina koa ankehitriny ny miady amin’ny torimaso ara-panahy, satria efa ela no tao anaty haizina ny tontolon’i Satana ary tena mikitroka izany haizina izany izao. (Rom. 13:12) Hahita loza isika raha matory ara-panahy amin’izao farany efa akaiky izao. Tena ilaina àry ny ‘misaina tsara’ sy manaraka ny fampirisihan’ny Baiboly hoe: “Aoka ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.”—1 Pet. 4:7.

  • “Aoka ho Mailo ka Tsy Hanao Tsirambina ny Vavaka”
    Ny Tilikambo Fiambenana—2013 | 15 Novambra
    • 8, 9. Nahoana isika no tsy tokony hanakiana an’i Petera sy ny apostoly hafa, noho izy ireo resin-tory tao amin’ny zaridainan’i Getsemane?

      8 Marina fa nampirisika ny Kristianina ny apostoly Petera mba “ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.” Efa tsy nahavita an’izany anefa izy, indray mandeha fara fahakeliny. Anisan’ireo mpianatra resin-tory izy, tamin’i Jesosy nivavaka tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Nampirisika azy ireo i Jesosy mba ‘hiambina sy hivavaka foana’, nefa tsy nanao izany izy ireo.—Vakio ny Matio 26:40-45.

      9 Tsy dia tokony hanome tsiny an’i Petera sy ny apostoly hafa isika raha tsy nahavita niari-tory izy ireo. Tokony hotadidintsika kosa izay nataon’izy ireo tamin’io andro io sy ny vokatr’izany teo aminy. Efa nanomana ny Paska izy ireo, ary nankalaza izany iny hariva iny. Nanao ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany i Jesosy taorian’izay, ka nampiseho ny fomba hankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesany. (1 Kor. 11:23-25) “Nivoaka nankany amin’ny Tendrombohitra Oliva izy ireo, rehefa avy nanao hira fiderana.” (Mat. 26:30, 36) Tsy maintsy nandeha an-tongotra nanaraka ireo lalan-kely tao Jerosalema izy ireo. Efa taorian’ny misasakalina angamba izy ireo vao tonga tany. Nety ho resin-tory koa isika, raha anisan’ireo tao amin’ny zaridainan’i Getsemane tamin’io alina io. Be fitiavana i Jesosy ka tsy nanakiana an’ireo apostoly efa reraka, fa nilaza hoe: “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”

      [Sary, pejy 5]

      Nanao fahadisoana i Petera, nefa nandray lesona ka lasa ‘mailo ary tsy nanao tsirambina ny vavaka’ (Fehintsoratra 10, 11)

      10, 11. a) Inona no lesona noraisin’i Petera avy tamin’izay nitranga taminy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane? b) Inona no lesona raisinao avy amin’izay nanjo an’i Petera?

      10 Tsy niambina i Petera tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, ka nanao zavatra nanenenany. Nandray lesona tamin’izany anefa izy. Efa nilaza i Jesosy talohan’io hoe: “Hahafoy ahy daholo ianareo anio alina, noho izay hanjo ahy.” Hoy anefa i Petera: “Na hahafoy anao daholo aza ny rehetra noho izay hanjo anao, izaho kosa tsy mba hahafoy anao mihitsy!” Nilaza taminy i Jesosy fa handa azy intelo izy. Vao mainka anefa i Petera nanizingizina hoe: “Na hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handa anao mihitsy.” (Mat. 26:31-35) Tena nahafoy an’i Jesosy anefa i Petera, araka ny efa nolazain’i Jesosy. Nalahelo mafy i Petera rehefa avy nanda an’i Jesosy fanintelony, ka “nitomany tamin’alahelo be.”—Lioka 22:60-62.

      11 Nandray lesona i Petera ka tsy natoky tena tafahoatra intsony. Azo inoana fa nanampy azy tamin’izany ny vavaka. Mahaliana fa i Petera no nanome ilay torohevitra hoe: “Aoka ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara