-
“Ambonin’ny Zavatra Rehetra, dia Mifankatiava Fatratra”Miambena Hatrany!
-
-
“Ambonin’ny Zavatra Rehetra, dia Mifankatiava Fatratra”
“Efa manakaiky ... ny faran’ny zava-drehetra. ... Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava fatratra.”—1 PETERA 4:7, 8.
FANTATR’I Jesosy fa tena sarobidy ny fotoana niarahany farany tamin’ny apostoliny. Fantany ny zavatra niandry azy ireo. Betsaka ny asa tokony hatao, nefa hankahalaina sy henjehina toa azy koa izy ireo. (Jaona 15:18-20) Naverimberiny tamin’iny alina iny fa mila ‘mifankatia’ izy ireo.—Jaona 13:34, 35; 15:12, 13, 17.
2 Teo ny apostoly Petera tamin’iny alina iny, ary azony tsara ny tian’i Jesosy holazaina. Nanoratra ho an’ny Kristianina izy taloha kelin’ny nandravana an’i Jerosalema, ary nohamafisiny fa tena ilaina ny mifankatia. Hoy izy: “Efa manakaiky ... ny faran’ny zava-drehetra. ... Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava fatratra.” (1 Petera 4:7, 8) Misy heviny lehibe ho an’ny olona miaina amin’ny “andro farany” ny tenin’i Petera. (2 Timoty 3:1) Inona no dikan’ny hoe ‘mifankatia fatratra’? Nahoana izany no tena ilaina? Ary ahoana no azontsika anehoana izany?
Inona no dikan’ny hoe ‘mifankatia fatratra’?
3 Maro no mihevitra fa fihetseham-po tonga ho azy ny fitiavana. Tsy ny karazana fitiavana rehetra anefa no noresahin’i Petera, fa ilay fitiavana ambony indrindra. Nadika avy amin’ny teny grika hoe a·gaʹpe ilay “fitiavana” ao amin’ny 1 Petera 4:8. Tsy misy fitiavan-tena izy io fa tarihin’ny toro lalana. Izao no lazain’ny boky iray: “Azo baikoina ny fanehoana ny fitiavana agape, satria tsy fihetseham-po fotsiny izy io fa finiavana hanao zavatra.” Efa ao amintsika ny fitiavan-tena, ka mila ampahatsiahivina foana isika mba hifankatia, mifanaraka amin’ny toro lalan’Andriamanitra.—Genesisy 8:21; Romanina 5:12.
4 Tsy adidy fotsiny akory ny fitiavana agape, fa misy hatsaram-panahy sy fihetseham-po. Nilaza i Petera fa tsy maintsy ‘mifankatia fatratra [ara-bakiteny: manenjana na manitatra]’ isika.a Ilana ezaka anefa izany. Hoy ny manam-pahaizana iray mahakasika ilay teny grika nadika hoe “fatratra”: “Izany dia mitovy amin’ny ezaka ataon’ny atleta, rehefa manenjana ny hozany araka izay fara heriny izy eo amin’ny dingana farany amin’ilay hazakazaka.”
5 Tsy amin’ny toe-javatra mora ihany, na amin’olona vitsy monja àry no tokony hanehoantsika azy io. Mila manitatra ny fitiavany ny Kristianina, ka haneho azy io na dia sarotra aza ny manao izany. (2 Korintianina 6:11-13) Mila miezaka hanana io fitiavana io isika, tsy misy hafa amin’ny atleta izay mila manao fanazaran-tena sy manatsara ny fahaizany. Tena zava-dehibe izany.
-
-
“Ambonin’ny Zavatra Rehetra, dia Mifankatiava Fatratra”Miambena Hatrany!
-
-
a Misy fandikan-teny sasany mampiasa ny hoe “amim-pahatsorana”, ny hafa hoe “lalina”, na “amin’ny fo manontolo”, miaraka amin’ny hoe fitiavana ao amin’io 1 Petera 4:8 io.
-
-
“Ambonin’ny Zavatra Rehetra, dia Mifankatiava Fatratra”Miambena Hatrany!
-
-
7 Faharoa, tena mila mifankatia isika amin’izao andro izao, ka hanampy ireo rahalahy sahirana, satria ‘efa manakaiky ny faran’ny zava-drehetra.’ (1 Petera 4:7) Miaina amin’ny “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” isika. (2 Timoty 3:1) Miatrika zava-tsarotra isika noho ny toe-piainana eran-tany, ny loza araka ny natiora, ary ny fanenjehana. Rehefa ao anatin’ny toe-javatra sarotra indrindra isika no vao mainka tokony hifandray akaiky. Hahatonga antsika hiray saina sy “hifampiahy” ny fitiavana.—1 Korintianina 12:25, 26.
8 Fahatelo, mila mifankatia isika satria tsy tiantsika ‘homena toerana ny Devoly’, hanararaotra antsika. (Efesianina 4:27) Mailaka i Satana hampiasa ny tsy fahalavorarian’ny mpiray finoana, ny fahalemeny, ary ny fahadisoany, ho vato misakana antsika. Hiala amin’ny fiangonana ve isika noho ny teny tsy voahevitra, na fihetsika manafintohina nataon’ny mpiara-manompo? (Ohabolana 12:18) Tsy hanao izany isika raha mifankatia fatratra! Manampy antsika hampanjaka ny fiadanana sy hanompo an’Andriamanitra “amin’ny firaisan-kina” ny fitiavana toy izany.—Zefania 3:9.
-
-
“Ambonin’ny Zavatra Rehetra, dia Mifankatiava Fatratra”Miambena Hatrany!
-
-
13 Manampy antsika tsy hifantoka amin’ny fahadisoan’ny hafa ny fitiavana. Sady nampirisika ny mpamaky ‘hifankatia’ i Petera, no nilaza fa tena ilaina izy io “satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.” (1 Petera 4:8) Tsy midika hoe manafina fahotana lehibe anefa ny hoe “manarona.” Tokony holazaina amin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fiangonana ny fahotana toy izany. (Levitikosy 5:1; Ohabolana 29:24) Tsy fanehoam-pitiavana sady tsy araka ny Soratra Masina ny famelana ireo nanao fahotana lehibe hampalahelo, na hitondra fahavoazana ho an’ny tsy manan-tsiny.—1 Korintianina 5:9-13.
14 Tsy dia lehibe ny fahadisoan’ny mpiray finoana amintsika amin’ny ankapobeny. Samy manao fahadisoana amin’ny teny sy atao isika rehetra indraindray, ka mandiso fanantenana na mampalahelo ny hafa. (Jakoba 3:2) Tokony ho mailaka hampiely ny fahadisoana ataon’ny hafa ve isika? Hiteraka fisaratsarahana eo anivon’ny fiangonana fotsiny izany. (Efesianina 4:1-3) Tsy ‘hanala baraka’ ny mpiara-mivavaka amintsika isika, raha be fitiavana. (Salamo 50:20, Fandikan-teny Katolika) Manarona ny tsy fahalavorarian’ny hafa ny fitiavana, toy ny lalotra sy loko manarona ny tsy mety amin’ny rindrina.—Ohabolana 17:9.
-