-
Fampiharihariana Zava-miafina MasinaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Tonga hitsara tao amin’ny tempoliny ara-panahy i Jehovah, telo taona sy tapany teo ho eo taorian’io, izany hoe tamin’ny 1918, ary niaraka taminy i Jesosy, ilay “Anjelin’ny fanekena.” (Malakia 3:1; Matio 13:47-50) Nolavin’ny Tompo àry ny Kristianina sandoka, ary nanendry ‘mpanompo mahatoky sy malina hikarakara ny fananany rehetra’ izy.—Matio 7:22, 23; 24:45-47.
-
-
Fampiharihariana Zava-miafina MasinaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
Noresahin’i Jesosy, ohatra, ny fiaviany hitsara ny fiangonana. Nanomboka tamin’ny 1918 ilay fitsarana. (Apokalypsy 2:5, 16, 22, 23; 3:3)
-
-
Fampiharihariana Zava-miafina MasinaApokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
-
-
[Efajoro, pejy 32]
Fotoam-pitsapana sy Fitsarana
Natao batisa sy nohosorana ho Mpanjaka tany amin’ny Reniranon’i Jordana i Jesosy, tamin’ny Oktobra taona 29. Tonga tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izy telo taona sy tapany taorian’io, izany hoe tamin’ny taona 33, ary nandroaka an’ireo nanao azy io ho lava-bato fieren-jiolahy. Mifanandrify amin’io ilay telo taona sy tapany nanomboka tamin’izy lasa Mpanjaka tany an-danitra, tamin’ny Oktobra 1914, mandra-pahatongany hitsara an’ireo mitonona ho Kristianina, rehefa nanomboka tao amin’ny tranon’Andriamanitra ny fitsarana. (Matio 21:12, 13; 1 Petera 4:17) Nisy fanoherana be ny asan’ilay Fanjakana nataon’ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny fiandohan’ny 1918. Fotoam-pitsapana eran-tany izany, ka voasivana ireo natahotra. Nataon’ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana izay higadran’ny tompon’andraikitry ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny Mey 1918. Nafahana anefa izy ireo, sivy volana taoriana, ary nofoanana ny fiampangana azy ireo taorian’izay. Nazoto indray ny fandaminan’ny vahoakan’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny 1919, rehefa avy notsapaina sy nodiovina, ka lasa nanambara fa ny Fanjakan’i Jehovah tarihin’i Kristy Jesosy ihany no fanantenana ho an’ny olombelona.—Malakia 3:1-3.
Nanomboka ny fitsarany i Jesosy tamin’ny 1918, ka nomelohiny ny mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana. Sady nanohitra ny vahoakan’Andriamanitra mantsy izy ireo, no meloka noho ny fandatsahan-dra koa, satria nanohana an’ireo firenena niady, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. (Apokalypsy 18:21, 24) Nanjary nitoky tamin’ny Fikambanam-pirenena naorin’olombelona ireo mpitondra fivavahana ireo. Nolavin’Andriamanitra tanteraka ny Kristianisma Anarana, mbamin’ny fivavahan-diso rehetra, tamin’ny 1919.
-