FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mamindra Fo Ilay “Mpitsara ny Tany Manontolo”
    Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2024 | Mey
    • Mitovitovy amin’izay nosoratan’i Ezekiela mpaminany ny zavatra nasainy nosoratan’ny apostoly Petera. Hoy izy: “Tsy [tian’i Jehovah] hisy ho ringana ny olona.” (2 Pet. 3:9) Tena marina izany sady mampahery antsika! Fantatsika mantsy hoe tsy maika handringana ny olona mandrakizay i Jehovah. Faran’izay mamindra fo izy, dia mampiseho an’io toetrany io isaky ny misy hirika hanaovana an’izany.

      Rahalahy iray mampianatra an’ireo hatsangana amin’ny maty ao amin’ny Paradisa. Manondro eo amin’ny tabilao iray izy. Misy an’ilay sarivongana ngezabe resahin’ny Daniela toko faha-​2 eo amin’ilay izy.

      Rehefa hatsangana ny tsy marina, dia olona isan-karazany no afaka hianatra momba an’i Jehovah (Fehintsoratra 10)


  • Mamindra Fo Ilay “Mpitsara ny Tany Manontolo”
    Ny Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2024 | Mey
    • 12. Inona no fantatsika momba ny famindram-pon’i Jehovah? Manomeza ohatra.

      12 Inona kosa no fantatsika momba ny famindram-pon’i Jehovah? Ahoana no nampisehoany hoe “tsy tiany hisy ho ringana ny olona”? Diniho ny fomba nanehoany famindram-po tamin’ny olona sasany nanao fahotana lehibe. Nanao fahotana lehibe maromaro, ohatra, i Davida Mpanjaka, anisan’izany ilay hoe nijangajanga sy namono olona. Nibebaka anefa i Davida, dia namindra fo taminy i Jehovah ka namela ny helony. (2 Sam. 12:1-13) Nanao zavatra ratsy be koa i Manase Mpanjaka, efa ho nandritra ny fiainany manontolo. Na faran’izay ratsy aza anefa ny nataony, dia hitan’i Jehovah hoe mendrika ny hahazo famindram-po sy famelan-keloka izy satria nibebaka. (2 Tan. 33:9-16) Mampahatsiahy antsika ireo ohatra ireo fa mamindra fo i Jehovah, isaky ny mahita antony hanaovana an’izany. Hatsangany ny olona hoatr’izany, satria tsapan-dry zareo hoe nanao fahotana mahatsiravina izy dia nibebaka.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara