FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lff lesona 26
  • Nahoana no Misy ny Zava-dratsy sy ny Fijaliana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana no Misy ny Zava-dratsy sy ny Fijaliana?
  • Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • ANDAO HOHALALININTSIKA
  • FAMINTINANA
  • JEREO KOA IRETO
  • Nahoana Isika no Mijaly?
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
  • Fampiononana ho An’ny Olona Mijaly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2003
  • Nahoana Isika no Avelan’Andriamanitra Hijaly?
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Ny Fijalian’olombelona — Nahoana Andriamanitra no Mamela Azy Io Hisy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
lff lesona 26
Lesona 26. Ray aman-dreny miady saina mipetraka eo akaikin’ny zanany any amin’ny hopitaly taorian’ny loza nahazo azy.

LESONA 26

Nahoana no Misy ny Zava-dratsy sy ny Fijaliana?

Endrika Sary
Endrika Sary
Endrika Sary

Rehefa misy loza dia matetika ny olona no lasa saina hoe fa maninona ilay izy no mitranga. Faly isika satria tena mamaly an’izany ny Baiboly.

1. Inona no nataon’i Satana ka nahatonga ny zava-dratsy hisy?

Nanohitra an’Andriamanitra i Satana Devoly. Notaominy hanao hoatr’azy koa i Adama sy Eva, satria te ho lasa mpitondra izy. Nandainga tamin’i Eva àry izy. (Genesisy 3:1-5) Nataon’i Satana izay hieritreretan’i Eva hoe misy zavatra tsara tsy tian’i Jehovah homena azy. Te hilaza koa izy hoe ho sambatra kokoa ny olombelona raha tsy mankatò an’Andriamanitra. Niteny i Satana hoe tsy ho faty i Eva, ary io no lainga voalohany. Izany no mahatonga ny Baiboly hiantso an’i Satana hoe “mpandainga ... sady rain’ny lainga.”​—Jaona 8:44.

2. Inona no nataon’i Adama sy Eva?

Nomen’i Jehovah zavatra be dia be i Adama sy Eva. Nilaza izy hoe afaka nihinana ny voan’ny hazo rehetra tao amin’ny zaridainan’i Edena izy ireo. Ny voan’ny hazo iray ihany no tsy azon’izy ireo nohanina. (Genesisy 2:15-17) Nakan’i Eva anefa ny voan’ilay hazo ka nohaniny. Nihinana an’ilay izy koa i Adama avy eo. (Genesisy 3:6) Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva. Nandeha ho azy tamin-dry zareo ny hoe manao ny tsara, satria lavorary izy ireo. Fanahy iniany àry ilay hoe tsy nankatò. Nanota izy ireo sady nampiseho hoe tsy nanaiky an’i Jehovah ho Mpitondra intsony. Nijaly be izy ireo noho izany.​—Genesisy 3:16-19.

3. Misy vokany amintsika ve ny fanapahan-kevitr’i Adama sy Eva?

Lasa tsy lavorary i Adama sy Eva rehefa nanota, ary lasa tsy lavorary koa ny taranany. Izao no lazain’ny Baiboly momba an’i Adama: ‘Noho ny nataon’ny lehilahy iray no nidiran’ny ota teo amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana.’​—Romanina 5:12.

Betsaka ny antony mahatonga antsika hijaly. Mijaly isika indraindray satria tsy mahay manapa-kevitra. Mety ho ny fanapahan-kevitry ny hafa koa no mahatonga antsika hijaly. Misy fotoana koa isika mijaly satria tratran’ny loza tsy ampoizina.​—Vakio ny Mpitoriteny 9:11.

ANDAO HOHALALININTSIKA

Hodinihintsika hoe inona no porofo fa tsy avy amin’Andriamanitra ny zava-dratsy sy ny fijaliana, ary inona no tsapany rehefa mijaly isika.

4. Iza no mahatonga antsika hijaly?

Betsaka no mieritreritra hoe Andriamanitra no mitondra an’izao tontolo izao. Marina ve izany? Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Iza no Mpitondra An’izao Tontolo Izao? (1:24)

Vakio ny Jakoba 1:13 sy ny 1 Jaona 5:19, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Avy amin’Andriamanitra ve ny zava-dratsy sy ny fijaliana?

5. Inona no vokatry ny fitondran’i Satana?

Alefaso ilay VIDEO.

VIDEO: Nahoana Isika no Avelan’​Andriamanitra Hijaly?—Ampahany (3:07)

Vakio ny Genesisy 3:1-6, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no lainga nolazain’i Satana?​—Jereo ny andininy 4 sy 5.

  • Ahoana no fomba nilazan’i Satana hoe misy zavatra tsara tsy tian’i Jehovah homena ny olombelona?

  • Raha jerena ny tenin’i Satana, mila an’i Jehovah mba ho Mpitondra azy ve ny olombelona raha te ho sambatra?

Vakio ny Mpitoriteny 8:9, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no nitranga rehefa tsy i Jehovah intsony no Mpitondra an’izao tontolo izao?

Sary: Sary mampiseho ny fiainana eto an-tany, nanomboka tamin’ny namoronana azy ka hatramin’izy lasa paradisa indray. A. Paradisa teto an-tany feno zavamaniry be dia be. B. Fitondran’olombelona nandritra ny taonjato maro, nahatonga ny olona hanaraka fivavahan-diso, hiady, ary hanimba ny tontolo iainana. Anisan’ny fitondrana matanjaka aseho eo amin’ilay sary i Ejipta, Chine, Gresy, Roma, Grande-Bretagne, ary Etazonia. D. Olona miaina ao amin’ilay Paradisa amin’ny hoavy.
  1. A. Lavorary i Adama sy Eva ary niaina tao amin’ny Paradisa. Nihaino an’i Satana anefa izy ireo ka tsy nankatò an’i Jehovah

  2. B. Lasa mpanota ny olona ary mijaly sy maty

  3. D. Hesorin’i Jehovah ny ota sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Ho lavorary indray ny olona ary hiaina ao amin’ny Paradisa

6. Malahelo i Jehovah mahita antsika mijaly

Tsy miraharaha ny fijaliantsika ve Andriamanitra? Jereo hoe inona no nosoratan’i Davida Mpanjaka sy ny apostoly Petera. Vakio ny Salamo 31:7 sy ny 1 Petera 5:7, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Inona no tsapanao rehefa fantatrao hoe mahita ny fijaliantsika i Jehovah sady miahy antsika?

7. Hesorin’​Andriamanitra ny zavatra rehetra mampijaly antsika

Vakio ny Isaia 65:17 sy ny Apokalypsy 21:3, 4, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:

  • Hesorin’i Jehovah ny zavatra rehetra mampijaly ny olombelona. Nahoana no mampahery anao ny mahafantatra an’izany?

Fantatrao ve?

Nanendrikendrika an’i Jehovah i Satana rehefa niteny an’ilay lainga voalohany. Lasa ratsy laza i Jehovah satria nataon’i Satana izay hieritreretan’ny olona hoe tsy manao ny rariny izy sady tsy manam-pitiavana. Hanamasina ny anarany anefa i Jehovah rehefa hanala ny fijaliana amin’ny hoavy. Hoporofoiny hoe izy ihany no Mpitondra tsara indrindra. Tena zava-dehibe io fanamasinana ny anaran’i Jehovah io.​—Matio 6:9, 10.

MISY MITENY HOE: “Efa lahatr’Andriamanitra ny fijaliana.”

  • Ahoana no havalinao?

FAMINTINANA

Ny zavatra nataon’i Adama sy Eva ary Satana Devoly no tena nahatonga ny zava-dratsy hisy. Hitan’i Jehovah ny fijaliantsika, ary kely sisa izany dia hesoriny.

Famerenana

  • Inona no lainga notenenin’i Satana Devoly tamin’i Eva?

  • Rehefa tsy nankatò i Adama sy Eva, dia inona no vokatr’izany tamin’ny olona rehetra?

  • Ahoana no ahalalantsika hoe hitan’i Jehovah ny fijaliantsika?

Tanjona

JEREO KOA IRETO

Inona no atao hoe ota, raha ny Baiboly no jerena?

“Inona no Atao hoe Ota?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Inona ilay adihevitra napoitran’i Satana Devoly tao amin’ny zaridainan’i Edena?

“Nahoana no Avelan’Andriamanitra Hisy ny Fijaliana?” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2014)

Ho hitanao ato ny valin’ny fanontaniana iray manahiran-tsaina.

“Nahoana no Navelan’Andriamanitra Hamono Olona Tambabe ny Nazia?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)

Lasa fantatry ny lehilahy iray hoe maninona ny olona no mijaly.

Tsy Irery Intsony Aho Izao (5:09)

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara