Nahoana no Miaro Tena Amin’ny Fanompoan-tsampy?
“Anaka, arovy ny tenanareo amin’ny sampy.” — 1 JAONA 5:21.
1. Nahoana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah no tsy misy fanompoan-tsampy?
TSY sampy vita amin’ny metaly, na amin’ny hazo, na amin’ny vato akory i Jehovah. Tsy azo ampiantranoina ao anatin’ny tempoly iray eto an-tany izy. Koa satria izy no ilay Fanahy tsy toha, tsy hitan’ny mason’olombelona, dia tsy azo atao ny sariny. Noho izany, ny fanompoam-pivavahana madio amin’i Jehovah dia tsy maintsy afaka tanteraka amin’ny fanompoan-tsampy. — Eksodosy 33:20; Asan’ny Apostoly 17:24; 2 Korintiana 3:17.
2. Fanontaniana inona avy no mendrika hodinihintsika?
2 Raha mpivavaka amin’i Jehovah àry ianao, dia mety hanontany hoe: ‘Inona no atao hoe fanompoan-tsampy? Ahoana no nahafahan’ireo mpanompon’i Jehovah nanalavitra izany tamin’ny lasa? Ary nahoana no miaro tena amin’ny fanompoan-tsampy amin’izao andro izao?’
Izay atao hoe fanompoan-tsampy
3, 4. Ahoana no azo amaritana ny atao hoe fanompoan-tsampy?
3 Mazàna ny fanompoan-tsampy dia mahatafiditra fombafomba na fomba fanao. Ny fanompoan-tsampy dia fanajana fatratra, fitiavana, fanolorana fanompoam-pivavahana na fankalazana sampy iray. Ary inona no atao hoe sampy? Izy io dia sary, fampisehoana zavatra iray, na marika famantarana iray izay ivavahana. Mazàna ny fanompoan-tsampy dia atao miantefa any amin’ny hery ambony kokoa iray tena misy na heverina ho toy izany, izay inoana fa manana aina (olombelona, biby, na fandaminana iray). Ny fanompoan-tsampy anefa dia azo atao amin-javatra tsy manana aina koa (hery iray na zavatra tsy manana aina eo amin’ny natiora).
4 Ao amin’ny Soratra Masina, ireo teny hebreo manisy fitenenana ny amin’ny sampy matetika dia manantitrantitra ny maha-tsinontsinona ny zavatra iray, na teny fanamavoana. Anisan’izany ireo teny nadika hoe “sary voasokitra” (ara-bakiteny: zavatra nodidiana); “sarivongana, sary na sampy narendrika” (zavatra natao na nararaka tao anaty lasitra); “sampy mahatsiravina”; “sampy tsy misy antony” (ara-bakiteny: zava-poana); ary “sampy maharikoriko”. Adika hoe “sampy” ilay teny grika hoe eiʹdo·lon.
5. Nahoana no azo atao ny milaza fa tsy sampy avokoa akory ny sary rehetra?
5 Tsy sampy avokoa akory ny sary rehetra. Andriamanitra mihitsy aza dia nilaza tamin’ireo Isiraelita mba hanao kerobima volamena roa ho an’ny fiaran’ny fanekena ary mba hanao petakofehy ny sarin’izany zavaboary ara-panahy izany teo amin’ny rakotra anatiny amin’ireo lamban-day folo ho an’ny tabernakely, sy teo amin’ilay efitra lamba nanasaraka ny Masina tamin’ny Masina Indrindra. (Eksodosy 25:1, 18; 26:1, 31-33). Ireo mpisorona nanao ny asany ihany no nahita ireny sary ireny izay natao voalohany indrindra ho marika famantarana ireo kerobima any an-danitra. (Ampitahao amin’ny Hebreo 9:24, 25.) Miharihary fa ireo fampisehoana ny kerobima tao amin’ny tabernakely dia tsy natao hohajaina fatratra, satria ny tenan’ireo anjely marina dia tsy ho nanaiky ny hanolorana fanompoam-pivavahana. — Kolosiana 2:18; Apokalypsy 19:10; 22:8, 9.
Ny fiheveran’i Jehovah ny fanompoan-tsampy
6. Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanompoan-tsampy?
6 Miaro tena amin’ny fanompoan-tsampy ireo mpanompon’i Jehovah satria manohitra izay fanao rehetra misy fanompoan-tsampy izy. Nandidy ny Isiraelita Andriamanitra mba tsy hanao sary ho zavatra hohajaina fatratra ka hivavaka aminy. Ahitana ireto teny ireto ao anatin’ny Didy Folo: “Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin’ny lanitra ambony, na izay etỳ amin’ny tany ambany, na izay any amin’ny rano ambanin’ny tany. Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro [“mitaky fifikirana amiko irery ihany”, NW ] ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’izay mankahala Ahy; nefa kosa mamindra fo amin’ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.” — Eksodosy 20:4-6.
7. Nahoana i Jehovah no manohitra izay rehetra mety ho fanompoan-tsampy?
7 Nahoana i Jehovah no manohitra izay fanompoan-tsampy rehetra? Voalohany indrindra, dia noho izy mitaky fifikirana tsy voazarazara, araka izay aseho etsy ambony eo amin’ny faharoa amin’ny Didy Folo. Ambonin’izany, dia izao no nambarany tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny: “Izaho no Jehovah, izany no anarako, ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa, na ny fiderana Ahy ho an’ny sarin-javatra voasokitra.” (Isaia 42:8). Nisy fotoana namandrihan’ny fanompoan-tsampy aoka izany an’ireo Isiraelita, hany ka “namono ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy ho fanatitra, ho an’ny demonia ireo”. (Salamo 106:36, 37). Tsy vitan’ny hoe mandà ny maha-Andriamanitra marina an’i Jehovah ireo mpanompo sampy, fa manohana ny tombontsoan’ilay Fahavalony lehibe indrindra, dia i Satana, miaraka amin’ireo demonia.
Tsy mivadika ao anatin’ny fitsapana
8. Fitsapana inona no natrehin’ireo Hebreo telo lahy, dia i Sadraka sy Mesaka ary Abednego?
8 Ny tsy fivadihana amin’i Jehovah koa dia mahatonga antsika hiaro tena amin’ny fanompoan-tsampy. Izany dia voazava amin’ilay zava-nitranga voarakitra ao amin’ny Daniela toko faha-3. Mba hitokanana sary volamena goavana iray izay natsangany, dia namory ireo mpiasam-panjakana tao amin’ny empirany i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Ilay baikony dia nahatafiditra an’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego — Hebreo telo lahy, tonian’ny raharahan’i Babylona sy ny fehiny. Izay rehetra nanatrika teo dia nodidiana mba hiankohoka teo anatrehan’ilay sary rehefa nandeha ny feon’ny zavamaneno sasany. Io dia fanandramana iray nataon’ilay tena andriamanitr’i Babylona, i Satana, mba hampiankohofana an’ireo Hebreo telo lahy teo anatrehan’ny sary iray nampiseho ny Empira Babyloniana. Alao sary an-tsaina hoe nanatrika teo ny tenanao.
9, 10. a) Fihetsika nanao ahoana no notanan’ireo Hebreo telo lahy, ary ahoana no namalian-tsoa azy? b) Fampirisihana inona no azon’ny Vavolombelon’i Jehovah raisina avy amin’ny fiainan’ireo Hebreo telo lahy?
9 Jereo! Mijoro ireo Hebreo telo lahy. Tsaroan’izy ireo ny lalàn’Andriamanitra manohitra ny fanamboarana sy ny fanompoana sampy na sary voasokitra. Nanome azy ireo safidy farany i Nebokadnezara — miankohofa raha tsy izany dia aoka ho faty! Noho ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah anefa, dia hoy izy ireo: “Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao, ry mpanjaka ô. Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.” — Daniela 3:16-18.
10 Natsipy tao anatin’ny lafaoro natao nahamay tsy nisy toy izany ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika ireo. Talanjona noho ny fahitany olona efatra nandehandeha tao anatin’ny lafaoro i Nebokadnezara ka niantso ireo Hebreo telo lahy mba hivoaka. Ary dia nivoaka tsy naninon-tsy naninona izy ireo. Tamin’izay dia nihiaka toy izao ilay mpanjaka: “Isaorana anie Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny [ilay persona fahefatra tao anatin’ny lafaoro] hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin’ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin’izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. (...) Fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.” (Daniela 3:28, 29). Ny fitanan’ireo Hebreo telo lahy ireo ny tsy fivadihany dia manome fampirisihana ho an’ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao mba tsy hivadika amin’Andriamanitra sy hitana fialanalanana eo amin’izao tontolo izao, ary hanalavitra ny fanompoan-tsampy. — Jaona 17:16.
Resy teo amin’ny fitsarana ireo sampy
11, 12. a) Fitanana an-tsoratra nahatafiditra an’i Jehovah sy ireo andriamanitra sampy inona no nataon’i Isaia? b) Nanao ahoana ny fahombiazan’ireo andriamanitry ny firenena rehefa nihaika azy ireo i Jehovah?
11 Ny antony hafa iray hiarovan-tena amin’ny fanompoan-tsampy dia satria tsy mahasoa ny fanajana fatratra ireo sampy. Na dia mety ho toa manana aina aza ny sampy sasany nataon’olona — matetika manana vava, maso, ary sofina — dia tsy afaka miteny, na mahita, na mandre izy ireo, ary tsy afaka manao na inona na inona ho an’ireo mpivavaka mafana fo aminy. (Salamo 135:15-18). Naseho izany tamin’ny taonjato fahavalo al.f.i., fony ny mpaminanin’Andriamanitra nitana an-tsoratra tao amin’ny Isaia 43:8-28 izay tsy inona fa ady ara-pitsarana teo amin’i Jehovah sy ireo andriamanitra sampy, raha ny marina. Tamin’izy io, dia tetsy an-daniny ny Isiraely vahoakan’Andriamanitra, ary tetsy an-kilany ireo firenena teo amin’izao tontolo izao. Nihaika an’ireo andriamanitra sandok’ireo firenena i Jehovah mba hilaza “ny fahiny taloha”, izany hoe mba haminany amim-pahamarinana. Tsy nisy afaka nanao izany na dia iray aza. Rehefa nitodika tany amin’ny vahoakany i Jehovah, dia nilaza hoe: “Hianareo no vavolombeloko (...) ary Izaho no Andriamanitra”. Tsy afaka nanaporofo ireo firenena fa ireo andriamaniny dia efa nisy talohan’i Jehovah na afaka naminany. I Jehovah kosa anefa dia nanambara mialoha ny faharavan’i Babylona sy ny fanafahana ny vahoakany babo.
12 Ankoatra izany, dia hilaza ireo mpanompon’Andriamanitra nahazo fahafahana hoe: “An’i Jehovah aho”, araka izay voalazalaza ao amin’ny Isaia 44:1-8. Ny tenan’i Jehovah dia hilaza hoe: “Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho”. Tsy nanan-kavaly ireo andriamanitra sampy. “Hianareo no vavolombeloko”, hoy indray i Jehovah tamin’ny vahoakany, tamin’ny fanampiana hoe: “Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy”.
13. Inona no asehon’ny fanompoan-tsampy mikasika ny mpanompo sampy iray?
13 Miaro tena amin’ny fanompoan-tsampy koa isika satria ny fanaovana izany dia milaza tsy fahampiam-pahendrena. Amin’ny ampahany amin’ny hazo izay fidiny, ny mpanompo sampy iray dia manao andriamanitra mba hivavahana, ary amin’ilay ampahany hafa izy dia mandrehitra afo mba hahandroana sakafo. (Isaia 44:9-17). Hadalana re izany! Ny mpanamboatra sady mpivavaka mafana fo amin’ireo andriamanitra sampy dia hahatsiaro henatra koa noho izy tsy afaka manao fanambarana mampiaiky manaporofo ny maha-andriamanitra azy ireo. Ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah kosa anefa dia tsy azo iadian-kevitra, satria tsy vitan’ny hoe nanambara mialoha ny amin’ny fanafahana ny vahoakany avy tany Babylona fotsiny izy, fa nataony koa izay hitrangan’izany. Nisy mponina indray i Jerosalema, naorina indray ireo tanànan’ny Joda, ary ny “rano lalina” tao Babylona — ny Ony Eofrata — dia tankina tsy ho loharanom-piarovana intsony. (Isaia 44:18-27). Araka ny nambaran’Andriamanitra mialoha koa, dia nandresy an’i Babylona i Kyrosy Persiana. — Isaia 44:28–45:6.
14. Inona no ho voaporofo amin’ny fomba raikitra eo amin’ny Fitsarana Tampony eo Amin’Izao Rehetra Izao?
14 Resy tamin’io ady ara-pitsarana io ireo andriamanitra sampy raha ny amin’ny maha-andriamanitra azy. Ary izay nanjo an’i Babylona dia azo antoka fa hanjo koa an’ilay mifanitsy aminy, dia Babylona Lehibe, ilay empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. Ho fongana mandrakizay izy sy ireo andriamaniny rehetra, ny fananany manokana ara-pivavahana rehetra, ary ireo zavatra nataony sampy rehetra. (Apokalypsy 17:12–18:8). Eo amin’ny Fitsarana Tampony eo Amin’Izao Rehetra Izao, amin’izay dia ho voaporofo amin’ny fomba raikitra fa i Jehovah irery ihany no Andriamanitra velona sy marina, sady manatanteraka ny Teny faminaniany izy.
Fanatitra ho an’ny demonia
15. Inona no nambaran’ny fanahy masina sy ny fitambara-mpitantana tamin’ny taonjato voalohany mikasika ny fanompoan-tsampy?
15 Miaro tena amin’ny fanompoan-tsampy koa ny vahoakan’i Jehovah noho izy ireo tarihin’ny fanahin’Andriamanitra sy ny fandaminany. Ny fitambara-mpitantan’ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany dia nilaza tamin’ireo Kristiana namany hoe: “Fa sitraky ny Fanahy Masina sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany: dia ny hifadianareo ny hena aterina amin’ny sampy sy ny ra sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana; raha mahatandrin-tena hifady izany hianareo, dia ho soa. Veloma hianareo”. — Asan’ny Apostoly 15:28, 29.
16. Amin’ny fomba fiteninao manokana, ahoana no ilazanao izay nambaran’i Paoly momba ireo zavatra naterina tamin’ny sampy?
16 Ny antony hafa iray hiarovan-tena amin’ny fanompoan-tsampy dia mba hanalavirana ireo fanaon’ny demonia. Mikasika ny Sakafo Harivan’ny Tompo, dia hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristiana tany Korinto: “Mandosira ny fanompoan-tsampy. (...) Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa. Indreo ny Isiraely araka ny nofo; moa izay mihinana ny fanatitra tsy mpiombona amin’ny alitara va? Inona no holazaiko? Mety ho zavatra va ny hena aterina amin’ny sampy, na mety ho zavatra va ny sampy? Tsia, fa izay zavatra aterin’ny jentilisa ho fanatitra, dia ateriny amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia hianareo. Tsy mahazo misotro amin’ny kapoaky ny Tompo [“Jehovah”, NW ] sy ny kapoaky ny demonia hianareo; tsy mahazo mihinana amin’ny latabatry ny Tompo [“Jehovah”, NW ] sy ny latabatry ny demonia hianareo. Mampahasaro-piaro ny Tompo [“Jehovah”, NW ] va isika? Mahery noho Izy va isika?” — 1 Korintiana 10:14-22.
17. Tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., tamin’ny toe-javatra inona avy ny Kristiana no afaka nihinana hena naterina tamin’ny sampy, ary nahoana?
17 Nisy ampahany tamin’ny biby, natao fanatitra ho an’ny sampy iray, nisy ampahany lasan’ireo mpisorona, ary nahazo ampahany ireo mpivavaka mba hanaovana fanasana. Nety ho nisy anefa ampahany tamin’ilay hena namidy teny an-tsena. Tsy nampirisihana ny hankanesan’ny Kristiana iray any amin’ny tempolin’ny sampy iray mba hihinan-kena, na dia tsy nihinana ho toy ny fandraisana anjara amin’ilay fombafomba aza izy, satria izany dia nety ho nahatafintohina ny hafa na nitarika azy ho amin’ny fanompoam-pivavahan-diso. (1 Korintiana 8:1-13; Apokalypsy 2:12, 14, 18, 20). Ny fanolorana ny biby iray ho an’ny sampy dia tsy nampiova ny nofony akory, noho izany dia afaka nividy sasany tamin’izany teny an-tsena ny Kristiana iray. Tsy voatery hanontany ny amin’izay niavian’ny hena naroso teo anatrehany koa izy. Kanefa raha nisy nilaza taminy hoe: “Hena naterina tamin’ny sampy io”, dia tsy ho nihinana izany izy, mba tsy hahatafintohina na iza na iza. — 1 Korintiana 10:25-29.
18. Ahoana no nety ho nahavoarohirohin’ny demonia an’ireo nihinana zavatra naterina tamin’ny sampy?
18 Noheverina mazàna fa, taorian’ilay fombafomba amin’ny sorona, dia tao amin’ilay hena ilay andriamanitra, ary niditra tao anatin’ny vatan’ireo izay nihinana tao amin’ilay fanasana nataon’ireo mpivavaka. Toy ny nanaovan’ny olona niara-nisakafo izay hisian’ny fatorana teo amin’izy samy izy, ireo izay nandray anjara sakafo tamin’ireo biby natao fanatitra dia mpiombona tamin’ilay alitara ary nikambana tamin’ireo andriamanitra demonia nasehon’ilay sampy. Tamin’ny alalan’ny fanompoan-tsampy toy izany, dia nosakanan’ireo demonia ny olona mba tsy hanolotra fanompoam-pivavahana ho an’ilay hany Andriamanitra marina. (Jeremia 10:1-15). Tsy nahagaga raha tsy nitsahatra nifady ireo zavatra natao fanatitra ho an’ny sampy ny vahoakan’i Jehovah! Ny tsy fivadihana amin’Andriamanitra, ny fanekena ny fitarihan’ny fanahiny masina sy ny fandaminany, ary ny fahatapahan-kevitra ny hanalavitra izay fandraisana anjara amin’ireo fanaon’ny demonia koa, dia hita fa fandrisihana mahery mba hiarovan-tena amin’ny fanompoan-tsampy amin’izao andro izao.
Nahoana no ilaina ny ho mailo?
19. Karazam-panompoan-tsampy inona no nisy tany Efesosy fahiny?
19 Miaro tena amim-pitandremana amin’ny fanompoan-tsampy ny Kristiana satria manana endriny maro izy io, ary fanolorana fankalazana ny sampy indray mandeha monja dia afaka manimba ny finoan’izy ireo. Nilaza tamin’ireo mpiray finoana taminy ny apostoly Jaona hoe: “Arovy ny tenanareo amin’ny sampy”. (1 Jaona 5:21). Nilaina io torohevitra io noho ny fanompoan-tsampy nanana endriny maro nanodidina azy ireo. I Jaona dia nanoratra avy tany Efesosy, tanàna iray vonton’ireo fanao momba ny majika sy ireo angano momba ireo andriamanitra sandoka. Nanana ny iray tamin’ireo zava-bita fito kanto indrindra teo amin’izao tontolo izao i Efesosy — ny tempolin’i Artemisy, toerana fialokalofan’ny mpanao heloka bevava sy foibe iray fanaovana fombafomba feno fahalotoam-pitondran-tena. Ilay filozofa tao Efesosy atao hoe Heracleitus dia nampitovy ilay lalan-kely maizimaizina nankany amin’ny alitaran’izany tempoly izany tamin’ny haizin’ny fahambanian-toetra maharikoriko, ary nihevitra ny fitondran-tenan’ireo olona mpankao amin’ilay tempoly ho ratsy kokoa noho ny an’ny biby izy. Noho izany, ireo Kristiana tany Efesosy dia tsy maintsy nifahatra tsara mba hanohitra ireo fanaon’ny demonia sy ny fahalotoam-pitondran-tena ary ny fanompoan-tsampy.
20. Nahoana no ilaina ny manalavitra na dia ny fanompoan-tsampy kely indrindra aza?
20 Mila fahatapahan-kevitra mafy ny Kristiana mba hanalavirana na dia ny fanompoan-tsampy faran’izay kely indrindra aza, satria ny fanolorana fanompoam-pivavahana ho an’ny Devoly indray mandeha monja, dia hanohana ilay fihaikany hoe tsy hitoetra ho tsy mivadika amin’Andriamanitra ny olombelona rehefa ao anatin’ny fitsapana. (Joba 1:8-12). Rehefa nampiseho an’i Jesosy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahiny” i Satana, dia nilaza hoe: “Izao rehetra izao dia homeko anao, raha miankohoka ianao ka manolotra fanompoam-pivavahana indray mandeha eto anatrehako”. Ny fandavan’i Kristy dia nanandratra ny andaniny misy an’i Jehovah ao amin’ilay raharaha momba ny fiandrianana eo amin’izao rehetra izao, sady nanaporofo fa mpandainga ny Devoly. — Matio 4:8-11, NW; Ohabolana 27:11.
21. Tsy nety nanao inona momba ilay emperora romana ireo Kristiana nahatoky?
21 Na dia ireo mpanara-dia an’i Jesosy voalohany koa aza dia tsy ho nanolotra fanompoam-pivavahana indray mandeha mba hanohanana ny andaniny misy an’i Satana ao amin’ilay raharaha. Na dia nanana fomba fijery mety ny amin’ireo “fahefana lehibe” ara-panjakana aza izy ireo, dia tsy ho nandoro ditin-kazo manitra ho fanomezam-boninahitra ny emperora romana, na dia hamoizan’izy ireo ny ainy aza izany. (Romana 13:1-7). Mikasika izany dia nanoratra toy izao i Daniel P. Mannix: “Vitsy dia vitsy tamin’ireo Kristiana no nivadika, na dia nasiana alitara nisy afo nirehitra teo amboniny mihitsy aza mazàna tao amin’ilay kianja filalaovana, ho azy ireo. Ny hany tokony hataon’ny mpigadra iray, dia famafazana ditin-kazo manitra indray tsongo eo amin’ny lelafo ary dia nomena Taratasy Fanamarinana ho nanao Fanatitra izy ka nafahana. Nohazavaina tamim-pitandremana taminy koa fa tsy nivavaka tamin’ny emperora akory izy fa niaiky fotsiny ny maha-araka an’Andriamanitra ny emperora amin’ny maha-filohan’ny fanjakana romana azy. Na dia izany aza, dia saika tsy nisy Kristiana nanararaotra ilay fahafahana hiala.” (Those About to Die, pejy faha-137). Raha tsapaina toy izany ianao, moa ve ianao hanohitra tanteraka izay rehetra mety ho fanompoan-tsampy?
Hiaro tena amin’ny fanompoan-tsampy ve ianao?
22, 23. Nahoana ianao no tokony hiaro tena amin’ny fanompoan-tsampy?
22 Mazava fa tsy maintsy miaro tena amin’ny endrika rehetra isehoan’ny fanompoan-tsampy ny Kristiana. Mitaky fifikirana aminy irery ihany i Jehovah. Nanome ohatra tsara dia tsara ireo Hebreo telo lahy tamin’ny tsy fetezana hanindrahindra toy ny sampy an’ilay sary goavana natsangan’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Tao amin’ilay ady ara-pitsarana teo amin’izao rehetra izao noraketin’ny mpaminany Isaia an-tsoratra, dia i Jehovah irery ihany no hita fa Andriamanitra marina sy velona. Ireo vavolombelony kristiana voalohany dia tsy nitsahatra nifady ireo zavatra naterina tamin’ny sampy. Ireo nahatoky maro teo amin’izy ireo dia tsy resin’ny fanerena hanao na dia fanolorana fankalazana ny sampy tokana monja aza izay nidika ho fandavana an’i Jehovah.
23 Koa moa àry ve ianao eo am-piarovan-tena manokana amin’ny fanompoan-tsampy? Moa ve ianao manome an’Andriamanitra fifikirana aminy irery ihany? Moa ve ianao manohana ny fiandrianan’i Jehovah ary mankalaza azy ho ilay Andriamanitra marina sy velona? Raha izany no izy, dia tokony ho fahatapahan-kevitrao ny hanohy hifahatra tsara hanohitra ireo fanao misy fanompoan-tsampy. Hevitra fanampiny ao amin’ny Soratra Masina inona avy anefa no afaka manampy anao mba hiaro tena amin’ny karazana fanompoan-tsampy rehetra?
Ahoana no Eritreritrao?
◻ Inona no atao hoe fanompoan-tsampy?
◻ Nahoana i Jehovah no manohitra izay rehetra mety ho fanompoan-tsampy?
◻ Fihetsika nanao ahoana no notanan’ireo Hebreo telo lahy mikasika ny fanompoan-tsampy?
◻ Ahoana no nety ho nahavoarohirohin’ny demonia an’ireo nihinana zavatra naterina tamin’ny sampy?
◻ Nahoana isika no tokony hiaro tena amin’ny fanompoan-tsampy?
[Sary, pejy 23]
Na dia norahonana aza ny ain’izy ireo, dia tsy niditra tamin’ny fanompoan-tsampy ireo Hebreo telo lahy