FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Ary hoy izy tamiko: ‘Vita! Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana.’ ”—Apokalypsy 21:5, 6a.

  • Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • Tena azo antoka ny fampanantenan’i Jehovah, hany ka toy ny efa tanteraka no filazany azy hoe: “Vita!” Tsy i Jehovah tokoa ve ilay antsoina hoe “Alfa sy Omega ... Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Mahery Indrindra”? (Apokalypsy 1:8) Izy tokoa! Izy mihitsy no nilaza hoe: “Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.” (Isaia 44:6) Vitany ny maminany sady manatanteraka izany amin’ny an-tsipiriany. Tena manatanjaka ny finoantsika izany!

  • Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • “Rano” ho an’izay mangetaheta

      10. “Rano” inona no omen’i Jehovah, ary mifanitsy amin’inona izany rano izany?

      10 I Jehovah mihitsy no miteny hoe: “Izay mangetaheta dia homeko maimaim-poana amin’ny loharanon’ny ranon’aina.” (Apokalypsy 21:6b) Mba hanafahana izany hetaheta izany, dia tokony hiaiky ny olona fa mila an’Andriamanitra izy ka tokony hisotro “ny rano” omen’i Jehovah. (Isaia 55:1; Matio 5:3) “Rano” inona? Namaly izany i Jesosy, rehefa nitory tamin’ny vehivavy iray teo amin’ny lavadrano tany Samaria. Hoy izy: “Fa izay rehetra misotro ny rano homeko azy kosa tsy hangetaheta intsony mihitsy. Fa ilay rano homeko azy dia ho loharano ao anatiny, izay hiboiboika mba hanome fiainana mandrakizay.” Avy amin’i Jehovah, ary omeny amin’ny alalan’i Kristy, io “loharanon’ny ranon’aina” io. Ho lavorary sy hahazo fiainana ny olona misotro amin’izy io. Maika higoka ny rano avy amin’izany loharano izany, toy ilay vehivavy samaritanina, ve isika? Tokony ho vonona hamoy izay atolotr’ity tontolo ity, toy io vehivavy io, koa isika, mba hitoriantsika ny vaovao tsara.—Jaona 4:14, 15, 28, 29.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara