FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpirahavavy Ory Nefa ‘Nahatsangana ny Tranon’ny Israely’
    Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Oktobra
    • Nisy toe-javatra vao mainka nampiharihary ny fifandrafian’i Lea sy Rahely. Nahita dodaima na angivimbazaha i Robena zanak’i Lea. Noheverina ho mampiteraka ny voan’io zavamaniry io. Nangataka tamin’izy io i Rahely. Tezitra be i Lea ka nilaza hoe: ‘Moa zavatra kely va ny nakanao ny vadiko? Dia halainao koa va ny dodaiman’ny zanako?’ Misy mihevitra fa midika ireo teny ireo hoe i Rahely no niarahan’i Jakoba matetika kokoa. Tsapan’i Rahely angamba fa rariny raha nalahelo i Lea, ka hoy izy: “Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman’ny zanakao.” Rehefa tonga tao an-trano àry i Jakoba ny harivan’iny, dia hoy i Lea taminy: ‘Ho ato amiko no halehanao fa ny dodaiman’ny zanako no efa nanakaramako anao.’—Genesisy 30:15, 16.

  • Mpirahavavy Ory Nefa ‘Nahatsangana ny Tranon’ny Israely’
    Ny Tilikambo Fiambenana—2007 | 1 Oktobra
    • Nanana anaka ihany i Rahely nony farany, enin-taona taorian’ny nanambadiany. Niteraka an’i Josefa izy. Tsy ilay angivimbazaha anefa no nahatonga izany. “Nahatsiaro” azy kosa i Jehovah, ka namaly ny vavaka nataony. Tamin’izay izy vao afaka niteny hoe: “Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra.”—Genesisy 30:22-24.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara