PLATANA
(platàna) [heb.: ʽermôhn].
Hazo mijoalajoala mety hahatratra 20 m eo ho eo, misandrahaka ny sampany, maitso be ny raviny ary lehibe toy ny an’ny voaloboka ka manalokaloka tsara. Matetika no 3 ka hatramin’ny 4 m ny manodidina ny vatabeny. Miendaka tsikelikely ny hoditry ny hazo platana (Platanus orientalis) isan-taona, ka tazana ny hodiny anatiny malama izay somary fotsy.
Mety ho avy amin’ny matoanteny hoe ʽarah (“ahanjahanja; esorina”) ny hoe ʽermôhn (heb.). (Ze 2:14; Is 22:6) Tsorakazo tamin’ny hazo platana sy hazo hafa no nataon’i Jakoba teo anoloan’ny ondry aman’osin’i Labana tao Harana any Syria. (Ge 30:37, 38) Nanesorany ny hoditr’ireo tsorakazo mba “hivandambandana, ka hiseho ny fotsy.”
Tsara ihany ilay hazo saingy tsy mahatoraka ny sederan’i Libanona, izay nanoharan’i Ezekiela an’i Farao sy ny vahoakany.—Ezk 31:8.
Maniry amoron’ny renirano sy sakelidrano eran’i Syria sy any amin’ny faritra nisy an’i Asyria fahiny ny platana. Misy vitsivitsy koa any Palestina sy Libanona.