-
Malemy TongotraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Jakoba. Nisy anjelin’Andriamanitra nitafy nofo nifampitolona tamin’i Jakoba nandritra ny alina manontolo, tamin’izy 97 taona teo ho eo. Tsy navotsony ilay anjely raha tsy nitso-drano azy. Nokasihin’ilay anjely ny foto-pen’i Jakoba, tamin’izy ireo nifampitolona. Nipitsoka àry ny foto-pen’i Jakoba ka lasa nikotringa izy. (Ge 32:24-32; Ho 12:2-4) Nampahatsiahy an’i Jakoba izany fa tsy tena nandresy an’ilay anjely matanjaka izy, na dia nilaza aza ilay anjely hoe: “Efa nitolona tamin’Andriamanitra [tamin’ny anjelin’Andriamanitra] sy tamin’olona ianao, ka nandresy.” Tsy ho afaka nitolona tamin’ilay anjely mihitsy i Jakoba raha tsy namela azy hanao izany i Jehovah, ary raha tsy nisy zavatra nokendren’i Jehovah tamin’izany. Tiany hanaporofo mantsy i Jakoba hoe tena te hahazo tsodrano avy aminy.
-
-
AnaranaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Novana anarana na nomena anaram-baovao. Nisy antony matoa novana anarana na nomena anarana hafa ny olona sasany. Rehefa ho faty i Rahely, dia nantsoiny hoe Ben-ony (midika hoe “Zanakalahin’ny Fahoriako”) ny zanany vao teraka, fa nantsoin’i Jakoba vadiny kosa hoe Benjamina (Zanakalahin’ny Tanana Havanana). (Ge 35:16-18) Novan’i Jehovah hoe Abrahama (Rain’ny Vahoaka (Maro)) ny hoe Abrama, ary hoe Saraha (Andriambavy) ny hoe Saray (mety hidika hoe Tia Ady). Misy heviny ara-paminaniana ireo anarana vaovao ireo. (Ge 17:5, 6, 15, 16) Naneho fikirizana i Jakoba rehefa nitolona tamin’ny anjely, ka nilazana hoe: “Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely [Mpitolona (Mpaneho Fikirizana) Amin’Andriamanitra; na Mitolona Andriamanitra], satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’olona ianao, ka nandresy.” (Ge 32:28) Notahin’Andriamanitra izy matoa novana ny anarany, ary mbola nohamafisina taminy ilay anarany vaovao tatỳ aoriana. (Ge 35:10) Anarana mahalaza tsara ny olona iray àry no ataon’ny faminaniana hoe “anaram-baovao.”—Is 62:2; 65:15; Ap 3:12.
-