-
TananaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Nanome toky an’i Jakoba i Jehovah fa ‘ny tanan’i Josefa [zanany] no hanakimpy ny masony rehefa maty izy.’ (Ge 46:4) Ny lahimatoa no tokony hanao izany, raha ny tena izy. Nahazo toky àry i Jakoba fa ho eo anilany mandritra ireo taona sisa hahavelomany i Josefa zanany tiany. Toa nilaza mialoha koa izany fa ho lasan’i Josefa ny zon’ny lahimatoa nafoin’i Robena.
-