-
ArdaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
ARDA
(Ardà).
Iray amin’ireo ‘fitopolo anisan’ny ankohonan’i Jakoba tonga tany Ejipta.’ (Ge 46:21, 27) Milaza ny Genesisy fa zanakalahin’i Benjamina izy, kanefa toa “zafikely” no tiana holazaina rehefa jerena ny Nomery 26:40. Mety ho izy ihany àry ilay Adara ao amin’ny 1 Tantara 8:3.
-
-
BenjaminaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Ny nahaterahan’i Benjamina ihany no tantarain’ny Baiboly, ary tsy misy resaka momba azy intsony raha tsy taorian’ny nivarotana an’i Josefa rahalahiny ho andevo tany Ejipta. Faralahin’i Jakoba tamin’i Rahely ilay vadiny tena tiany, i Benjamina (Ge 44:20), ka tsy foiny mihitsy, indrindra fa rehefa noheveriny hoe maty i Josefa. Tena tsy nazoto mihitsy àry izy handefa an’i Benjamina hiaraka tamin’ireo rahalahiny ho any Ejipta, raha tsy efa noresena lahatra be. (Ge 42:36-38; 43:8-14) Tsara homarihina fa efa tovolahy i Benjamina tamin’izay, na dia nantsoin’i Joda hoe “ny zaza” aza. Resahin’ny Genesisy 46:8, 21 fa efa niteraka izy tamin’ny fotoana nifindran’i Jakoba tany Ejipta. Tena tian’i Jakoba anefa izy satria ‘zanaky ny fahanterany’, ary nianteherany tamin’ny lafiny maro. (Ge 44:20-22, 29-34) Tena niraiki-po tamin’i Benjamina zandriny lahy koa i Josefa.—Ge 43:29-31, 34.
Misy boky maromaro ao amin’ny Baiboly ahitana ny lisitr’ireo taranak’i Benjamina. Feno kokoa ny lisitra sasany, raha oharina amin’ny hafa. Ny Genesisy 46:21, ohatra, ahitana anaran’olona folo lazaina hoe “zanakalahin’i Benjamina.” Tsy hita ao amin’ny lisitra tatỳ aoriana anefa ny sasany tamin’ireo anarana ireo. Nisy àry nihevitra fa mety hoe maty mbola kely, na tsy niteraka zanakalahy hamelo-maso ny anaran’ny fianakaviana, ny sasany tamin’ny zanakalahin’i Benjamina. Azo inoana fa samy hafa ny fomba fanoratra ny anarana sasany ao amin’ireny lisitra ireny (ampit. Ehy, Ahirama, Ahara.) Mety ho taranaka fotsiny koa ireo olona sasany voatonona ao amin’ny Genesisy 46:21. (No 26:38-40; 1Ta 7:6; 8:1) Misy mihevitra fa mbola tsy nanana zanakalahy maro be na tsy nanana zafikely akory aza i Benjamina, rehefa nifindra tany Ejipta. Tsara hotadidina anefa fa tsy voatery hoe efa niteraka an’ireo zanany ireo izy talohan’ny nifindrana tany, na dia nolazaina hoe anisan’izay ‘rehetra niaraka tamin’i Jakoba nankany Ejipta’ aza izy ireo. Mety hoe teraka tany nandritra ireo 17 taona nipetrahan’i Jakoba tany, talohan’ny nahafatesany, izy ireo. Teraka tany Ejipta koa mantsy izy roa lahy zanak’i Josefa, nefa notanisaina ho “anisan’ny ankohonan’i Jakoba tonga tany Ejipta.” (Ge 46:26, 27) Toa efa 40 taona mahery i Benjamina rehefa maty ny rainy, ka mety ho efa nanana zafikely izy.
-
-
TetirazanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Hevi-teny. Ilaina matetika ny mandinika ny teny manodidina sy mampitaha tetirazana na andininy samy hafa ao amin’ny Baiboly, mba hahalalana ny hevitry ny teny sasany ao amin’ny tetirazana. Mety hidika hoe zafikely na taranaka, ohatra, ny hoe ‘zanaka.’ (Mt 1:1) Mety ho toa mpirahalahy, na zanaky ny lehilahy iray, koa ny olona maromaro tanisaina miaraka. Rehefa dinihina akaiky sy ampitahaina amin’ny andininy hafa anefa ilay tetirazana, dia hita fa hay zanaka sy zafikely ary taranaka hafa no resahiny. Zanaka sy zafikelin’i Benjamina, ohatra, ireo ‘zanakalahiny’ ao amin’ny Genesisy 46:21, rehefa jerena ny Nomery 26:38-40.
-
-
Gera, IFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
1. Zanakalahin’i Bela lahimatoan’i Benjamina. (1Ta 8:1, 3) Toa manondro zafikely koa ilay teny hoe ‘zanaka’ ao amin’ny Genesisy 46:21, izay ahitana ny anaran’i Gera.
-