FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 44
  • Efa Voalahatr’Andriamanitra ve ny Fiainantsika sa Isika no Avelany Hisafidy?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Voalahatr’Andriamanitra ve ny Fiainantsika sa Isika no Avelany Hisafidy?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Fa angaha moa tsy Andriamanitra no mifehy ny zava-drehetra?
  • Efa Voalahatra ve ny Hoavinao?
    Mifohaza!—2009
  • Mankasitraka ny Fahafahana Omen’i Jehovah Anao ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Azonao Atao ny Mifidy ny Hoavinao
    Mifohaza!—1999
  • Misy Fotoanany ny Zava-drehetra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 44

Efa Voalahatr’Andriamanitra ve ny Fiainantsika sa Isika no Avelany Hisafidy?

Valiny ara-baiboly

Manaja antsika Andriamanitra ka avelany hisafidy isika. Tsy nandahatra mialoha izay hitranga eo amin’ny fiainantsika izy, fa isika no avelany hanapa-kevitra ny amin’izay tiantsika hatao. Diniho izay ampianarin’ny Baiboly.

  • Nataon’Andriamanitra tahaka ny endriny ny olombelona. (Genesisy 1:26) Baikoin’ny faniriany voajanahary ny biby, fa isika olombelona kosa afaka manahaka ny toetran’ny Mpamorona. Afaka maneho fitiavana sy manao ny rariny, ohatra, isika. Afaka misafidy toa an’ilay Mpamorona antsika koa isika.

  • Miankina amintsika ihany ny hoavintsika, amin’ny ankapobeny. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ‘hifidy ny fiainana ka hihaino ny feon’Andriamanitra’, izany hoe hifidy ny hankatò ny didiny. (Deoteronomia 30:19, 20) Tsy hisy dikany ireo teny ireo raha tsy afaka misafidy akory isika. Tena ratsy fanahy Andriamanitra raha izany. Tia antsika anefa izy ka tsy manery antsika hanaraka ny teniny. Hoy izy: “Raha mitandrina ny didiko tokoa mantsy ianao, dia ho toy ny renirano ny fiadananao.”—Isaia 48:18.

  • Tsy ny lahatra na ny anjara no mahatonga antsika hahomby na tsia. Tsy maintsy miezaka mafy isika raha te hahomby. Hoy ny Baiboly: “Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo.” (Mpitoriteny 9:10) Hoy koa izy io: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”—Ohabolana 21:5.

Tena sarobidy ny fahafahana misafidy nomen’Andriamanitra antsika. Noho izy io mantsy dia afaka mifidy ny ho tia azy ‘amin’ny fontsika manontolo’ isika.—Matio 22:37.

Fa angaha moa tsy Andriamanitra no mifehy ny zava-drehetra?

Marina aloha fa mampianatra ny Baiboly hoe Mahery Indrindra Andriamanitra, ary tsy misy afaka mifehy azy. (Joba 37:23; Isaia 40:26) Tsy ampiasainy hifehezana ny zava-drehetra anefa ny heriny. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “nifehy tena” Andriamanitra, fa tsy tonga dia nanasazy an’i Babylona fahiny, ilay fahavalon’ny vahoakany. (Isaia 42:14) Toy izany koa ankehitriny. Tsy tonga dia manasazy izy rehefa misy manao safidy ratsy mba hampijaliana ny hafa. Tsy handefitra mandrakizay anefa izy.—Salamo 37:10, 11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara