FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/7 p. 15-20
  • Ampitomboy ny fiadananao amin’ny alalan’ny fahalalana marina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampitomboy ny fiadananao amin’ny alalan’ny fahalalana marina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Fahalalana marina an’Andriamanitra”
  • Fahalalana marina an’i Kristy
  • Ilaina ny fankahalana ny ratsy
  • Ny fomba iatrehana ny fahoriana manelingelina ny fiadanana
  • Mitondra fiadanana ny fahalalana manokana
  • Andao Isika Hiara-manandratra ny Anaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Nahoana isika no mila ny fahalalana marina?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Apetraho Amin’i Jehovah Mandrakariva ny Entanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Hendre ka Matahora An’Andriamanitra!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/7 p. 15-20

Ampitomboy ny fiadananao amin’ny alalan’ny fahalalana marina

“Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara [marina, MN ] an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.” — II PETERA 1:2.

1, 2. a) Nahoana no azo ampitahaina amin’ny fifandraisana misy ao amin’ny fanambadiana ny fifandraisana milamina mampiray antsika amin’Andriamanitra? b) Ahoana no mety hananantsika amin’ny fomba feno kokoa, fihavanana amin’Andriamanitra?

NY fifandraisana milamina ananana amin’i Jehovah Andriamanitra rehefa atao batisa, dia mitovy amin’izay misy ao amin’ny fanambadiana amin’ny lafiny sasany. Marina tokoa fa na dia feno hatsarana aza ny fankalazana fanambadiana iray, izany dia vao fiandohan’ny fisakaizana sarobidy fotsiny. Hahatonga an’izany fisakaizana izany ho akaiky kokoa hatrany sy ho fiarovana amin’ny andro mahory ny fiezahana, ny fotoana ary ny fanandraman-javatra. Dia toy izany koa fa amin’ny fahazotoanao sy ny fanampian’i Jehovah, dia afaka mampitombo ny fiadanana izay mampiray anao amin’ny Mpamorona anao ianao.

2 Ny apostoly Petera dia nanazava ny fomba mety hananan’izay “nahazo finoana”, fihavanana amin’Andriamanitra feno kokoa. Izao no nosoratany: “Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara [marina, MN ] an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.” — II Petera 1:1, 2.

“Fahalalana marina an’Andriamanitra”

3. Inona no tokony hatao mba hahazoana fahalalana marina an’i Jehovah sy Jesosy?

3 Ny teny grika nadika hoe “fahalalana marina”, épignôsis, dia milaza ny hevitra hoe fahalalana lalina kokoa, izay mihamifankazatra kokoa. Raha matoanteny ny endriny, dia mety hilazana fahalalana azo amin’ny fanandraman-javatra manokana, ary ao amin’ny Lioka 1:4, dia adika hoe ‘mahalala amin’ny fomba feno’ izany. Araka ilay mpahay teny grika hoe Nathanael Culverwel, io teny io dia midika fa manana ‘fahalalana tsaratsara kokoa ny zavatra iray izay efa fantatra aho; fahitana marina kokoa ny zavatra iray hitako lavitra teo aloha’. Mba hahazoana izany “fahalalana marina” izany, dia ilaina ny mianatra mahafantatra amin’ny fomba lalina kokoa ny maha-izy an’i Jehovah sy ny an’i Jesosy, ka mifankazatra bebe kokoa amin’ireo toetran’izy ireo.

4. Ahoana no azontsika anatsarana ny fahalalantsika an’Andriamanitra, ary nahoana izany no mampitombo ny fiadanana mampiray antsika aminy?

4 Fomba roa hahazoana izany fahalalana izany ny fananana fahazarana tsara mianatra manokana sy ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivorian’ny vahoakan’Andriamanitra. Hianaranao mazava kokoa amin’izany fomba izany ny fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra sy ny fiheviny. Hamorona sary an-tsaina miharihary kokoa ny amin’ny maha-izy azy ianao. Kanefa, ny fahalalana an’Andriamanitra akaiky dia milaza fanahafana azy, fanomezana taratr’io sary io. Ohatra, taorian’ny niresahany ny amin’ny lehilahy iray nanome taratry ny tsy fitadiavan’Andriamanitra tombontsoa ho an’ny tenany, Jehovah dia nilaza ny aminy hoe: “Tsy izany va no fahalalana Ahy?” (Jeremia 22:15, 16; Efesiana 5:1). Amin’ny fanahafana bebe kokoa an’Andriamanitra, dia mamela ny fihavanana mampiray anao aminy hitombo ianao, ary izany dia satria mihatsara ianao amin’ny fitafiana ny toetra vaovao “izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahary azy”. Manjary ankasitrahan’Andriamanitra kokoa ianao. — Kolosiana 3:10.

5. a) Ahoana no nanampian’ny fahalalana marina ny vehivavy kristiana iray? b) Amin’ny lafiny inona avy no azontsika anahafana misimisy kokoa an’i Jehovah?

5 Taorian’ny tsy fahazoan-dresaka, ny vehivavy kristiana iray atao hoe Adeline, dia tsy afaka namela ny iray amin’ireo namany ao amin’ny finoana. Kanefa, ny fianarana manokana nataony tamim-pitandremana dia nahafahany nandinika ny fomba fiheviny. “Tsaroako hoe karazan’Andriamanitra nanao ahoana moa Jehovah, hoy izy, fa tsy mitahiry lolom-po izy. Nieritreritra ireo fahadisoana kely rehetra ataontsika aminy isan’andro aho; kanefa izy dia mamela ireny. Izay nampifanolana ahy tamin’ny rahavaviko kristiana dia tsinontsinona raha oharina amin’izany. Noho izany, tatỳ aoriana, isaky ny mifankahita aminy aho dia manao anakampo hoe: ‘Tian’i Jehovah tahaka ahy koa izy.’ Izany dia nanampy ahy handresy an’io fifanolanana io.” Mahafantatra lafin-javatra izay ilànao hanahafana bebe kokoa an’i Jehovah koa ve ianao? — Salamo 18:35; 103:8, 9; Lioka 6:36; Asan’ny apostoly 10:34, 35; I Petera 1:15, 16.

Fahalalana marina an’i Kristy

6. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tena ny zava-dehibe indrindra teo imasony ny asa fitoriana?

6 Mba hahazoana fahalalana marina an’i Kristy, dia ilaina ny manana ny “sain’i Kristy” sy manahaka azy (I Korintiana 2:16). Jesosy dia nitory ny fahamarinana tamin-kafanam-po (Jaona 18:37). Tsy voasakan’ny fitompoan-teny fantatra ara-tsosialy ny toe-tsainy mahery tia fitoriana. Raha nankahala ny Samaritana ny Jiosy hafa, izy kosa dia nanao fanambarana tamin’ny vehivavy Samaritana iray teo akaikin’ny fantsakana iray. Ary na dia ny firesahana ampahibemaso fotsiny amin’ny vehivavy iray aza dia nety ho noheverina fa ratsya. Jesosy anefa dia tsy namela fihetseham-po avy amin’ny fiaviana ara-tsosialy hanakana azy amin’ny fitoriany. Manatanjaka ny asan’Andriamanitra. Izao no nolazainy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” Ny fifaliana nentin’ny fandraisan’ny olona tsara, tahaka ny an’ilay vehivavy Samaritana sy ny mponina maro hafa tao an-tanàna dia nanome hery azy, toy ny ho nataon’ny sakafo. — Jaona 4:4-42; 8:48.

7. a) Tokony hanosika antsika hanao inona ny fahalalana an’i Jesosy? b) Ampoizin’Andriamanitra amin’ny mpanompony ve ny hitorian’izy ireo amin’ny fetra mitovy? Hazavao ny valin-teninao.

7 Moa ve ianao mihevitra toa an’i Jesosy? Marina fa ho an’ny maro, dia tsy mora ny manomboka resaka amin’ny foto-kevitra araka ny Baiboly amin’olon-tsy fantatra iray, sady matetika izany no tsy mahazo fandraisana tsara. Kanefa raha tiantsika ny hanana toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Jesosy, dia tsy afa-miala amin’izao zava-misy izao isika: tokony hanao fanambarana isika. Mazava ho azy fa tsy mitovy ny fetra hitoriantsika rehetra. Ny fandraisantsika anjara dia miova arakaraka ny fahaizantsika sy ny tarehin-javatra misy antsika. Noho izany, aoka isika tsy hihevitra fa tsy afa-po mihitsy amin’ny fanompoana masina ataontsika Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany, ny fahalalantsika an’i Kristy dia tokony hanosika antsika hanao izay rehetra azontsika atao. Jesosy dia nidera ireo izay manompo amin’ny fanahiny rehetra. — Matio 13:18-23; 22:37.

Ilaina ny fankahalana ny ratsy

8, 9. Zavatra sasantsasany inona avy no halan’Andriamanitra, ary amin’ny fomba ahoana no mety hahatsapantsika fankahalana mitovy amin’izany?

8 Ny fahalalana marina dia manampy antsika hahatsapa izay halan’i Jesosy sy Jehovah (Hebreo 1:9; Isaia 61:8). “Izao enina izao no halan’i Jehovah, — eny, fito no ataony ho fahavetavetana: ny maso miavonavona, ny lela fandainga, ary ny tànana mandatsa-dra marina, ny fo mamoron-tsain-dratsy, ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, ary ny mamafy ady ao amin’ny rahalahy.” (Ohabolana 6:16-19). Ireo fomba fihevitra sy fanao ireo dia “ataony ho fahavetavetana”. Ny teny hebreo adika eto hoe “fahavetavetana” dia avy amin’ny matoanteny iray midika hoe “mahatsiaro ho tsy tia, maloiloy”, “tsy fitiavana, mifandray amin’izay tsy mety amin’ny vavahadin-tsaina rehetra; mankahala, mahatsapa fankahalana arahin’ny fahatezerana”. Noho izany, mba hihavanana amin’Andriamanitra dia tokony hahatsapa fankahalana mitovy amin’izany isika.

9 Ohatra, aza manana “maso miavonavona” ary aza mitondra tena amim-piavonavonana. Taorian’ny batisany, ny sasany dia nihevitra fa tsy nila intsony ny fanampiana tsy tapaka avy amin’ireo izay nampianatra azy. Raha ny marina, ireo vao avy natao batisa dia tokony hanaiky amim-panetren-tena an’izany fanampiana izany izay hahafahany mamaka tsikelikely ao amin’ny fahamarinana (Galatiana 6:6, MN ). Fadio koa ny resadresaka tsy mahomby, izay mitarika mora foana “ady ao amin’ny rahalahy”. Raha mamafy fifosana, fanakianana tsy voamarina na lainga isika, dia angamba tsy ‘handatsa-dra marina’, nefa azo antoka fa mety hanimba ny lazan’ny olona iray isika. Tsy afaka mihavana amin’Andriamanitra isika raha tsy mihavana amin’ireo rahalahintsika (Ohabolana 17:9; Matio 5:23, 24). Ao amin’ny Teniny Andriamanitra dia milaza koa fa ‘halany ny fisaoram-bady’. (Malakia 2:14, 16.) Moa àry ve ny tenanao, raha manambady ianao, miezaka miaro amin’ny herinao rehetra ny fatoram-panambadianao? Moa ve fahavetavetana eo imasonao ny filalaovana fitia sy ny fahasahisahiana asehon’ny sasany amin’ny vadin’olon-kafa? Tahaka an’i Jehovah, moa ve ianao mankahala ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy (Deoteronomia 23:18, 19 [23:17, 18, MN ])? Tsy mora ny mankahala ireo fanao ireo, satria mety hampihatra fanintonana amin’ny nofontsika mpanota izany; ankoatr’izany, dia eken’izao tontolo izao izy ireny.

10. Amin’ny fomba ahoana no azontsika ambolena fankahalana ny ratsy?

10 Mba hambolena fankahalana ny ratsy, dia ilaina ny manalavitra ny sarimihetsika, ny fandaharana ao amin’ny televiziona na ny boky manome toerana ho an’ny spiritisma, ny fahalotoam-pitondrantena na ny herisetra (Deoteronomia 18:10-12; Salamo 11:5). Amin’ny fampisehoana ny faharatsiana ho tsy dia ratsy loatra na amin’ny firesahana azy amin’ny endrika misy hatsikana aza, ireny fialam-boly ireny dia manimba ny fiezahana ataonao mba hahazoana fankahalana mampiseho fitiavam-pivavahana. Ny vavaka amim-pahatsorana kosa dia hanampy anao, satria nilaza Jesosy hoe: “Mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy. Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” (Matio 26:41). Nilaza toy izao ny lehilahy kristiana iray izay tafihin’ny faniriana mahery ara-nofo indraindray: “Manery tena hivavaka aho. Indraindray dia mahatsiaro tena ho tsy mendrika ny hanatona an’i Jehovah aho, nefa raha manery ny tenako aho amin’ny fiantsoana azy, dia mahazo ny tanjaka ilaiko.” Ho tsapanao tsara kokoa ny hoe nahoana Jehovah no mankahala ny ratsy raha mieritreritra ny fanaintainana aterak’izany ianao. — II Petera 2:12, 13.

11. Inona indraindray no mety hampahory antsika?

11 Na dia manana fihavanana amin’Andriamanitra aza ianao, dia mety hampijalin’ny fisedrana sy ny fakam-panahy miseho isan’andro ary koa ny fahalemenao manokana. Tadidio fa nanao ny tenanao ho fikendrin’i Satana ianao, satria izy miady amin’ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sady Vavolombelon’i Jehovah (Apokalypsy 12:17). Ahoana no hahafahanao mihazona fiadanana anaty ao anatin’ireny toe-javatra ireny?

Ny fomba iatrehana ny fahoriana manelingelina ny fiadanana

12. a) Tao anatin’ny tarehin-javatra inona no nanoratana ny Salamo 34? b) Ahoana no ilazalazan’ny Soratra Masina ny fihetseham-pon’i Davida tamin’io toe-javatra io?

12 “Maro ny fahorian’ny marina”, hoy ny nosoratan’i Davida ao amin’ny Salamo 34:19. Ny lohatenin’io salamo io Sl 34:Famp dia manondro fa nosoratan’i Davida izy io taorian’ny nanakekezan’ny fahafatesana azy. Raha mbola nandositra an’i Saoly mpanjaka i Davida, dia nitady fialofana tany amin’i Akisy, mpanjakan’ny tanàna filistin’i Gata. Nahafantatra an’i Davida ny mpanompon’i Akisy ka, raha nahatadidy ny fandresena ara-tafika azony niaraka tamin’ny Isiraely izy ireo, dia nitatitra ilay raharaha tamin’ny mpanjaka. Koa satria nahatratra ny resaka nataony izy dia “nalatsak’i Davida tao am-pony izany teny izany, ka natahotra an’i Akisy, mpanjakan’i Gata indrindra izy.” (I Samoela 21:10-12.) Moa ve Davida tsy namono an’i Goliata, olo-malazan’ny tanàna, ary moa ve tsy ny sabatr’ilay goavana iny no nentiny teny am-balahany? Moa ve tsy hampiasa an’io sabatra lehibe io ireo lehilahy ireo mba hanapahana ny lohany? Inona no nataon’i Davida? — I Samoela 17:4; 21:9.

13. Inona no nataon’i Davida tao anatin’ny fahoriany, ary ahoana no azontsika anarahana ny ohatra navelany?

13 Nitaraina tamin’Andriamanitra i Davida, niantso mafy azy, niantso vonjy taminy. “Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra”, hoy ny nosoratan’i Davida. Hoy koa izy: “Manafaka ahy amin’ny tahotro rehetra” izy (Salamo 34:4, 6, 15, 17). Ary ianao, moa ve ny tenanao mianatra mitaraina amin’i Jehovah amin’ny famborahana ny ao am-ponao amin’ny fotoana maha-be ahiahy (Efesiana 6:18; Salamo 62:8)? Na dia tsy lehibe tahaka ny an’i Davida aza angamba ny fahorianao manokana, dia ho tsapanao fa tsy ho latsa-danja noho izany ny fanampiana homen’Andriamanitra anao amin’ny fotoana mety (Hebreo 4:16). Kanefa dia nanao mihoatra noho ny vavaka fotsiny Davida.

14. Ahoana no nampiasan’i Davida ny ‘fahaizany mieritreritra’, ary fanampiana inona no nomen’i Jehovah antsika mba hahafahantsika manao toy izany?

14 “Dia nody adala teo anatrehany izy [Davida] ka nanao tahaka ny olona very saina. (...) Ary hoy Akisy tamin’ny mpanompony: He! hitanareo fa very saina io lehilahy io, ka nahoana no nentinareo etỳ amiko izy?” (I Samoela 21:14-16). Namorona hafetsena Davida mba handosirana ny fahafatesana, ka notahin’i Jehovah ny fiezahany. Toy izany koa fa rehefa mahita tarehin-javatra sarotra isika, dia antenain’i Jehovah ny hampiasantsika ny saintsika, fa tsy hamelantsika azy handamina ilay raharaha eo amin’ny toerantsika. Nomeny antsika ny teniny ara-tsindrimandry mba “hanomezam-pahendrena ho an’ny kely saina ary fahalalana sy fisainana mazava [fahaizana mieritreritra, MN ].” (Ohabolana 1:4; II Timoty 3:16, 17.) Nanome loholona koa Andriamanitra ao amin’ireo kongregasiona, ka izy ireny dia mampiseho antsika ny fomba hanarahana ireo fotopoto-pitsipik’Andriamanitra (I Tesaloniana 4:1, 2). Matetika ireny lehilahy ireny dia afaka manampy antsika hahita ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower, izay hahafahantsika mandray fanapahan-kevitra tsara na miatrika zava-manahirana iray.

15. Inona no fampaherezana hita ao amin’ny Salamo 34:18?

15 Na dia rehefa mijaly ao am-pontsika aza isika noho ny fahalemena manokana na noho ny tsy fahombiazantsika, raha manana ny toe-tsaina mety isika, dia afaka mihavana foana amin’Andriamanitra. Ao amin’ny Salamo 34:18, Davida dia manoratra izao: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah; ary mamonjy izay torotoro fanahy.” Raha mangataka famelana amin’i Jehovah isika ka manao izay hanarenana ny tarehin-javatra — indrindra raha misy fahotana lehibe –, dia hijanona eo anilantsika izy, ka hanohana antsika ara-tsaina. — Ohabolana 28:13; Isaia 55:7; II Korintiana 7:9-11.

Mitondra fiadanana ny fahalalana manokana

16. a) Fomba hafa inona no hahazoantsika fahalalana marina momba an’Andriamanitra? b) Hazavao izao fanambarana nataon’i Davida izao: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah!”

16 Mahazo fahalalana marina momba an’Andriamanitra isika amin’ny fanangonana izany, nefa koa amin’ny fahazoana manokana ny fanampiana feno fitiavan’ny Mpamorona antsika (Salamo 41:10, 11). Mety ho afaka amin’ny fahoriana ianao, nefa tsy hanjavona avy hatrany na tanteraka ireo fahasahirananao; angamba ilainao ny manohy miaritra azy ireny (I Korintiana 10:13). Na dia voavotra aza ny ainy tao Gata, Davida dia mbola nanohy ny fiainan’ny mpandositra nandritra ny taona maromaro sady nisetra loza nisesy. Nandritra izany fotoana rehetra izany, dia tsapany ny fiarovana sy ny fanohanan’i Jehovah. Nitady sady nahita fihavanana tamin’Andriamanitra izy ary nianarany fa izay rehetra manao toy izany dia “tsy hanan-java-mahory”. Koa satria notohanan’i Jehovah izy tamin’ny fahoriany, Davida dia afaka nilaza toy izao, noho ny fanandraman-javatra manokana nataony: “Andramo ka izahao fa tsara Jehovah! Sambatra izay olona mialoka aminy!” — Salamo 34:8-10, 14, 15.

17. Inona no niafaran’ny fianakaviana iray izay nitady fialofana tamin’i Jehovah tamin’ny andro fahoriana?

17 Ianao koa, ‘handramanao ka hozahanao fa tsara Jehovah’ raha mitady fialofana ao aminy ianao amin’ny fotoana sarotra. Taorian’ny nitrangan’ny loza, ny kristiana amerikana iray dia namoy ny asany nahazoany karama tsara efa hatramin’ny efatra ambin’ny folo taona. Koa satria tsy nanana fidiram-bola izy sy ny fianakaviany, dia nitaraina tamin’Andriamanitra sady nametra ny fandaniany tamin’ny fitsimponana teny amin’ny saha manodidina teny ary tamin’ny fanjonoana izay hohaniny. Noho ny fanampian’ny mpikambana vitsivitsy tao amin’ny kongregasiona, ary noho ny asa tapak’andro iray avy eo, dia afaka nahavita tena io fianakaviana misy zanaka roa io. Herintaona taorian’ilay loza, dia nanambara ilay reny hoe: “Mety hamita-tena isika amin’ny fieritreretana fa miantehitra amin’i Jehovah isika, kanefa raha ny marina dia matoky ny fahaizantsika manokana isika, na miankina amin’ny vadintsika na ny asantsika. Nefa nianaranay marina ny nametraka ny fitokisanay Taminy irery ihany. Azo alana amintsika ny zavatra hafa, Jehovah kosa anefa tsy nandao anay mihitsy — na dia fotoana kely fotsiny aza. Na dia izay tena ilaina ihany aza no anananay, ny fifandraisan’ny mpianakavinay amin’i Jehovah dia mihamafy kokoa.”

18. Inona moa no hahafahanao hiaritra na dia ny fahasahiranana maharitra aza?

18 Marina fa mety haharitra ny fanahiana ara-bola. Mety ho azon’aretina mitaiza ianao, hifanehatra amin’ny fifandonan’ny toetr’olona na ho tratry ny fikorontanana ara-pihetseham-po, toy ny fahaketrahana. Tsy vitsy ny zava-manahirana. Kanefa raha tena fantatrao Andriamanitra, dia hino ny fanohanany ianao (Isaia 43:10). Izany fitokisana tsy azo hozongozonina izany dia hanampy anao hiaritra ny fisedrana mihatra aminao sy hahazo ny “fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra”. — Filipiana 4:7.

19. Ahoana no ahalalantsika fa tsy hamaivanin’i Jehovah akory ny fijaliantsika?

19 Rehefa mandalo fotoan-tsarotra ianao, dia aza hadinoina na oviana na oviana fa fantatr’i Jehovah ny fahorianao. Ao amin’ny salamo hafa iray nosoratana taorian’ny zava-tsarotra nosetrainy tao Gata, Davida dia nivavaka tamin’i Jehovah tamin’izao teny izao: “Ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko. Tsy eo amin’ny bokinao va ireny?” (Salamo 56:8). Azo antoka fa neken’Andriamanitra ny fangatahan’i Davida. Fiononana toy inona moa ny mahalala fa hangonin’Andriamanitra ireny ranomaso vokatry ny fahoriana sy ny fanahiana ireny ka toy ny hararany ao anatin’ny tavoahanginy izany, sahala amin’ny fandraraka ao divay tsara iray na rano azo sotroina! Hotadidiana foana ireny ranomaso ireny satria hosoratana ao amin’ny bokin’Andriamanitra. Endrey fa be fitiavana sady miahy tokoa Jehovah!

20. Ahoana no azontsika ampitomboana ny fihavanantsika amin’Andriamanitra?

20 Noho izany, ny batisanao dia vao fanombohan’ny fifandraisana milamina anananao amin’Andriamanitra. Arakaraka ny hahalalanao tsaratsara kokoa ireo toetr’Andriamanitra sy Jesosy ka hahatsapanao ny fanohanana omen’i Jehovah ny mpanompony ao anatin’ny fisedrana, dia ho lehibe kokoa hatrany ihany ny fihavananao amin’Andriamanitra. Tsy hoe ho fialofana ahitana filaminana dieny izao fotsiny ny fifandraisana ananao amin’Andriamanitra, fa hanana fanantenana kanto ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa izay ‘hiravoravoanao amin’ny haben’ny fiadanana” koa ianao. — Salamo 37:11, 29.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Araka ny Talmoda tamin’ny andro fahiny, ireo raby dia nanoro hevitra ireo nahita fianarana mba “tsy hiresaka amin’ny vehivavy eny an-dalana”. Raha mbola narahina tamin’ny andron’i Jesosy io fomba fanao io, dia izany angamba no nahatonga ny mpianany ho “gaga, satria vehivavy no niresahany”. — Jaona 4:27.

Tadidinao ve?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy no mety hahazoantsika fahalalana marina an’Andriamanitra sy Jesosy?

◻ Inona no tokony hataontsika mba hanahafana an’Andriamanitra sy Jesosy?

◻ Ahoana no hanahafana ny fankahalan’Andriamanitra ny ratsy?

◻ Ahoana no azontsika ihazonana ny fiadanana foana na dia ao aza ny fahasahiranana?

[Sary, pejy 17]

Tsy namela ny fitompoan-teny fantatra ara-tsosialy hanakana azy amin’ny fanaovany fanambarana i Jesosy. Manahaka ny fahazotoany amin’ny fitoriana ve ianao?

[Sary, pejy 18]

Teo anoloan’ny fahasahiranana lehibe iray, dia nitaraina tamin’i Jehovah i Davida... ... ka nanao izay hinoana fa very saina izy mba handosirana ny fahafatesana. Novalian’i Jehovah ny vavaka nataony.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara