ARABO
Antsoin’ny Baiboly hoe Arabo ny mponina any Arabia, ilay tany midadasika atsinanana sy atsimon’i Palestina. Ilazana foko arabo koa indraindray ny hoe Arabo.—1Mp 10:15; 2Ta 9:14; 21:16.
Taranak’i Sema avy tamin’i Joktana ny foko arabo maromaro. Taranak’i Hama kosa ny foko hafa, satria taranak’i Kosy zanany lahy. (Ge 10:6, 7, 26-30) Nisy nipetraka tany Arabia koa ny taranak’i Abrahama avy tamin’i Hagara sy Ketora. “Nonina tany amin’ny faritra rehetra hatrany Havila teny akaikin’i Sora, tandrifin’i Ejipta, ka hatrany Asyria”, ohatra, ny zanak’i Ismaela. (Ge 25:1-4, 12-18) Nosokajina hoe Arabo koa ny taranak’i Esao, izay nonina teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira.—Ge 36:1-43.
Mpiandry ondry ny ankamaroan’ny Arabo. Nipetraka an-tranolay izy ireo, ary nifindrafindra monina. (Is 13:20; Je 3:2) Nisy koa anefa mpivarotra, ary nisy nivarotra ho an’i Tyro. (Ezk 27:21) Nifandray imbetsaka tamin’ny Arabo ny mpanompon’Andriamanitra. Arabo, ohatra, ireo mpivarotra midianita nividy an’i Josefa ka nitondra azy tany Ejipta. Avy any Arabia Atsimo kosa ireo Sabeanina namabo ny omby sy ampondravavin’i Joba. (Ge 37:28; Jb 1:1, 15) Nifanerasera tamin’ny Midianita mpivavaka tamin’i Bala ny Israelita, tamin’izy ireo nirenireny 40 taona tany an-tany efitra, ka loza ny vokany. (No 25:6, 14-18) Nisy Arabo mpitaingina rameva nanafika ny Israely nandritra ny fito taona, tamin’ny andron’ny Mpitsara. Tsy nitsahatra ilay fanafihana raha tsy rehefa resin’i Gideona Mpitsara ireo Arabo ireo.—Mpts 6:1-6; 7:12-25.
Nandoa hetra tamin’i Solomona Mpanjaka ireo mpanjaka arabo. (1Mp 10:15; 2Ta 9:14) Ondrilahy 7700 sy osilahy 7700 kosa no hetra naloan’ny Arabo tamin’i Josafata. Niaraka tamin’ny Filistinina anefa ny Arabo tatỳ aoriana mba hiady tamin’i Jorama zanakalahin’i Josafata nandimby azy. Novonoin’ireo Arabo mpandroba koa ny ankamaroan’ny zanak’i Jorama. (2Ta 17:11; 21:16; 22:1) Resin’i Ozia Mpanjaka kosa ny Arabo. (2Ta 26:1, 7) Nisy Arabo ireo mpanohitra nanakantsakana ny fanorenana indray ny mandan’i Jerosalema, tamin’ny andron’i Nehemia.—Ne 2:19; 4:7, 8; 6:1.
Nifindrafindra monina sy nahaleo tena ny Arabo, ary tsy nandray anjara firy tamin’ny zava-nitranga niavaka fahiny. Noresahin’ny faminaniana sy nomelohin’Andriamanitra ihany anefa izy ireo. (Is 21:13; Je 25:17-24) Nisy Arabo koa angamba ireo lasa Kristianina teo anivon’ny fiangonana voalohany, tamin’ny Pentekosta.—As 2:11, 41; jereo ARABIA.