Jehovah, Ilay Mpanao Zava-mahagaga
“Lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra”. — SALAMO 86:10.
1, 2. a) Tamin’ny ahoana no nisy akony teo amin’izao tontolo izao ireo zavatra noforonin’olombelona? b) Aiza no mety hahitantsika fanantenana zavatra tsaratsara kokoa?
METY hirehareha ny olona maoderina fa mahagaga ireo zavatra noforoniny — ireo fitaovana fandefasana herin’aratra, ny fifandraisan-davitra, ny vidéo, ny fiarakodia, ny dia lavitra amin’ny fiaramanidina jet, ary ny haitao miankina amin’ny ordinatera. Ireo zavatra ireo dia nanova izao tontolo izao ho faritra mifanakaiky. Faritra mifanakaiky manao ahoana anefa! Tsy mahita fiadanana sy fanambinana ary fahatondrahana ho an’ny rehetra ny olombelona, fa ampahorin’ny ady mandripaka, ny heloka bevava, ny fampihorohoroana, ny fandotoana, ny aretina, ary ny fahantrana. Ary ireo fitaovam-piadiana niokleary miely patrana manerana izao tontolo izao, na dia nihena aza ny isany, dia mbola afaka mamongotra tanteraka ny taranak’olombelona ihany. Ireo mpivarotra fahafatesana, izany hoe ireo mpanamboatra fitaovam-piadiana, dia manohy mampandeha tsara ihany ilay raharaham-barotra lehibe indrindra eto an-tany. Ny mpanankarena dia mihamanankarena ihany, ary ny mahantra mihamahantra hatrany. Misy afaka mahita ala olana amin’izany ve?
2 Eny! Misy Persona iray izay miantoka fanafahana, ilay ‘ambony kokoa noho izay ambony’, dia i Jehovah Andriamanitra. (Mpitoriteny 5:7). Tamin’ny tsindrimandriny no nanoratana ny salamo izay mitondra fampiononana be sy torohevitra feno fahendrena amin’ny fotoam-pahoriana. Anisan’izany ny Sl 86 Salamo faha-86, izay mitondra ilay lohateny tsotra hoe: “Fivavak’i Davida”. Izy io dia vavaka izay azonao atao ho anao manokana.
Ory nefa tsy mivadika
3. Amin’izao andro izao, dia ohatra mampahery inona no omen’i Davida antsika?
3 Nanoratra io salamo io i Davida fony izy nandalo fahoriana. Amin’izao andro izao, dia miatrika fitsapana toy izany koa isika izay miaina amin’ny “andro farany” ho an’ny fandehan-javatr’i Satana, dia ireo “andro mahory”. (2 Timoty 3:1; jereo koa Matio 24:9-13.) Sahala amintsika, dia niaritra fanahiana sy fahakiviana noho ireo zava-nanahirana nianjady taminy i Davida. Tsy navelan’i Davida hampihena ny fitokiany tsy nivadika tamin’ny Mpamorona azy mihitsy anefa ireny fitsapana ireny. Nitaraina mafy toy izao izy: “Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, fa ory sy malahelo. Arovy ny fanahiko, fa masina [“tsy mivadika”, NW ] aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, izay matoky Anao.” — Salamo 86:1, 2.
4. Ahoana no tokony hampisehoantsika ny fatokiantsika?
4 Afaka ny hatoky sahala amin’i Davida isika fa hampitodika ny sofiny ho amin’ity tany ity ka hihaino ny vavaka feno fanetren-tena ataontsika i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”. (2 Korintiana 1:3, 4). Amin’ny fatokiana tanteraka an’ilay Andriamanitsika, dia afaka manaraka ny torohevitra nomen’i Davida toy izao isika: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.” — Salamo 55:22.
Fifankahazoana am-po amin’i Jehovah
5. a) Ahoana no nanitsian’ny fandikan-teny sasany natao tamim-pitandremana ny fahadisoan’ireo mpanora-dalàna jiosy? b) Amin’ny fomba ahoana no ankalazan’ny Sl 85 Salamo faha-85 sy ny Sl 86 faha-86 an’i Jehovah? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)
5 Ao amin’ny Sl 86 Salamo faha-86, dia mampiasa ilay fitenenana hoe “Jehovah ô” in-11 i Davida. Feno hafanam-po toy inona moa ny fivavak’i Davida, ary toy inona ny fifankahazoany am-po tamin’i Jehovah! Tatỳ aoriana, izany fampiasana ny anaran’Andriamanitra tamim-pisakaizana fatratra izany dia nanjary tsy nahafaly an’ireo mpanora-dalàna jiosy, indrindra fa ireo Soferima. Nampirisika tahotra feno finoanoam-poana ny amin’ny fampiasana ratsy ilay anarana izy ireo. Noho izy ireo ninia tsy nahalala fa noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny olombelona, dia tsy nety nilaza an’Andriamanitra ho manana toetra izay asehon’ny olombelona koa izy ireo. Koa tamin’ireo fisehoan’ilay anaran’Andriamanitra in-11 tao amin’ny soratra hebreo amin’io salamo iray io, dia in-7 ilay anarana hoe YHWH (Jehovah) no nosoloan’izy ireo tamin’ny anaram-boninahitra hoe ʼAdho-naiʹ (Tompo). Afaka mankasitraka isika fa ny Soratra Masina Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao ary koa ny fandikan-teny maro hafa natao tamim-pitandremana dia namerina tamin’ny tena toerany tao amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay anaran’Andriamanitra. Ho vokatr’izany, dia hamafisina araka ny tokony ho izy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah.a
6. Amin’ny fomba ahoana avy no ampisehoantsika fa sarobidy amintsika ny anaran’i Jehovah?
6 Mitohy toy izao ny fivavak’i Davida: “[Jehovah ô, NW ] , mamindrà fo amiko; fa Hianao no itarainako mandrakariva [“mandritra ny andro manontolo”, NW ]. Ampifalio ny fanahin’ny mpanomponao; fa Hianao, [Jehovah ô, NW ] , no [anandratako, NW ] ny fanahiko.” (Salamo 86:3, 4). Mariho fa nitaraina tamin’i Jehovah ‘nandritra ny andro manontolo’ i Davida. Tsy azo lavina fa mazàna izy dia nivavaka nandritra ny alina, toy ny fony izy nandositra tany an’efitra. (Salamo 63:6, 7). Toy izany koa amin’izao andro izao, fa niantsoantso mafy an’i Jehovah ny Vavolombelona sasany rehefa norahonana tamin’ny fisavihana na tamin’ny fanafihana hafa ataon’ny mpanao heloka bevava. Gaga izy ireo indraindray noho ny vokany mahafaly.b Sarobidy amintsika ny anaran’i Jehovah, toy ny naha-toy izany azy ho an’i “Jesosy Kristy, zanak’i Davida”, fony izy teto an-tany. Nampianatra ny mpianany i Jesosy mba hivavaka ny amin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah, ary nampahafantariny azy ireo izay asehon’ilay anarana. — Matio 1:1; 6:9; Jaona 17:6, 25, 26.
7. Ohatra inona avy momba ny fanandratan’i Jehovah ny fanahin’ireo mpanompony no ananantsika, ary ahoana no tokony ho fihetsitsika amin’izany?
7 Nanandratra ny fanahiny, ny maha-izy azy iray manontolo ho amin’i Jehovah i Davida. Mampirisika antsika mba hanao toy izany izy amin’ny filazana toy izao ao amin’ny Salamo 37:5: “Ankino amin’i Jehovah ny làlanao, ary matokia Azy, fa [ny tenany mihitsy no hanao zavatra, NW ].” Araka izany, ny fiangaviantsika an’i Jehovah mba hampifaly ny fanahintsika dia tsy ho very maina. Manohy mahita fifaliana lehibe ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika maro — na dia eo aza ny zava-tsarotra, ny fanenjehana ary ny aretina. Ireo rahalahintsika any amin’ny tany rotidrotiky ny ady atsy Afrika, toa an’i Angola, Liberia, Mozambika, ary Zaïre, dia manohy mametraka ny fanompoana an’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany.c Tena nampifaly azy ireo tokoa tamin’ny famoriam-bokatra tondraka Izy. Tsy maintsy miaritra toy ny nataon’izy ireo koa isika. (Romana 5:3-5). Ary rehefa miaritra isika, dia omena toky hoe: “Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoana voatondro, ary tsy mitsahatra mandroso amim-pahadodonana hatramin’ny farany izy (...) Tsy ho diso aoriana izy”. (Habakoka 2:3, NW ). Amim-patokiana tanteraka an’i Jehovah, dia azontsika atao koa ny tsy mitsahatra “mandroso amim-pahadodonana hatramin’ny farany”.
Ny hatsaram-pon’i Jehovah
8. Fifankahazoana am-po inona no mety hananantsika amin’i Jehovah, ary ahoana no nanehoany ny hatsaram-pony?
8 Nanao izao fiangaviana feno hafanam-po fanampiny izao i Davida: “Fa Hianao [Jehovah ô, NW ] , no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao. Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, ary henoy ny feon’ny fifonako. Amin’ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, fa mamaly ahy Hianao.” (Salamo 86:5-7). “Jehovah ô” — mientam-po imbetsaka isika noho ny fifankahazoana am-po tsapa amin’io fitenenana io! Izy io dia fifankahazoana am-po izay azo ambolena tsy an-kijanona amin’ny alalan’ny vavaka. Nivavaka toy izao i Davida tamin’ny toe-javatra hafa iray: “Aza ny fahotan’ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao [“hatsaram-ponao”, NW ] Jehovah ô.” (Salamo 25:7). Tena sary velona mampiseho ny hatsaram-po i Jehovah — tamin’ny nanomezany ny avotr’i Jesosy, tamin’ny fanehoana famindram-po tamin’ireo mpanota nibebaka, ary tamin’ny fandrotsahana hatsaram-panahy miharo fitiavana tondraka tamin’ireo Vavolombelony mahay mankasitraka sy tsy mivadika. — Salamo 100:3-5, NW; Malakia 3:10.
9. Fanomezan-toky inona no tokony hoheverin’ireo mpanota nibebaka amim-pitandremana?
9 Moa ve isika tokony ho sahiran-tsaina noho ny fahadisoana natao tamin’ny lasa? Raha manao lala-mahitsy ho an’ny tongotsika isika izao, dia mahazo hery isika rehefa mahatsiaro ilay fanomezan-toky nataon’ny apostoly Petera tamin’ireo olona nibebaka fa “ho avy izay andro famelombelomana” avy amin’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 3:19). Aoka isika hitoetra ho akaiky an’i Jehovah amin’ny vavaka amin’ny alalan’i Jesosy, ilay Mpanavotra antsika, izay nilaza tamim-pitiavana hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana [“famelombelomana”, NW ]. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana [“famelombelomana”, NW ] ho an’ny fanahinareo hianareo.” Rehefa mivavaka amin’i Jehovah amin’ny anarana sarobidin’i Jesosy ireo Vavolombelona mahatoky amin’izao andro izao, dia tsy azo lavina fa hahita famelombelomana izy ireo. — Matio 11:28, 29; Jaona 15:16.
10. Fampisongadinana inona momba ny hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana no ataon’ny bokin’ny Salamo?
10 Manisy fitenenana ny amin’ny ‘hatsaram-panahin’i Jehovah miharo fitiavana’ maherin’ny injato ny bokin’ny Salamo. Azo antoka fa be dia be izany hatsaram-panahy miharo fitiavana izany! Ao amin’ireo andininy efatra voalohany, dia mangataka amin-kafanam-po ny mpanompon’Andriamanitra mba hisaotra an’i Jehovah ny Sl 118 Salamo faha-118, amin’ny famerimberenana inefatra ny hoe “fa mandrakizay [ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana, NW ]”. Ny Sl 136 Salamo faha-136 (NW ) dia manamafy in-26 ilay toetrany maha-te-ho tia, dia ny “hatsaram-panahiny miharo fitiavana”. Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no anaovantsika fahadisoana — ary voalazan’ny Jakoba 3:2 (NW ) fa “tafintohina imbetsaka isika rehetra” — dia enga anie isika ho vonona hitady ny famelan’i Jehovah, ka hatoky ny famindram-pony sy ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana. Ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana dia fisehoan’ny fitiavany tsy mivadika amintsika. Raha manohy manao ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny tsy fivadihana isika, dia hampiseho ny fitiavany tsy mivadika izy amin’ny fanatanjahana antsika hiatrika amim-pahombiazana ny fitsapana rehetra. — 1 Korintiana 10:13.
11. Amin’ny ahoana ny asa ataon’ny loholona no mety hanampy mba hanesorana ny fahatsiarovan-tena ho meloka?
11 Mety ho nisy fisehoan-javatra nahatafintohina antsika noho ny nataon’ny hafa. Ny fampijaliana ara-pihetseham-po sy ara-batana nandritra ny fahazazana dia nahatonga ny sasany hahatsiaro tena ho meloka na ho faran’izay tsy misy ilana azy. Ny olona niharam-pahavoazana toy izany dia afaka miantso an’i Jehovah, amin’ny fatokiana fa hamaly izy. (Salamo 55:16, 17). Ny loholona iray mahatakatra ny toeran’ny hafa dia afaka miahy ny hanampy olona toy izany mba hanaiky fa tsy fahadisoan’ilay niharam-pahavoazana izany. Avy eo, ny antso an-telefaonina averimberina ataon’ilay loholona amim-pisakaizana, dia afaka manampy izany olona izany mandra-pahafahany “hitondra ny entany” amin’ny farany. — Galatiana 6:2, 5.
12. Ahoana no nitomboan’ny fahoriana, kanefa ahoana no ahazoantsika miatrika izany amim-pahombiazana?
12 Misy toe-javatra mampahory maro hafa iadian’ny vahoakan’i Jehovah mafy amin’izao andro izao. Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany tamin’ny 1914, dia nisy loza lehibe nanomboka namely ity tany ity. Araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, dia izany no “fiandohan’ny fanaintainana mafy noho ny fahoriana”. Nitombo ireo fahoriana arakaraka ny nandrosoantsika lalindalina kokoa tao amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. (Matio 24:3, 8, NW ). Manatona ny fiafarany lehibe ny ‘andro kely sisa’ ananan’ny Devoly. (Apokalypsy 12:12). “Toy ny liona mierona” iray mitady haza, io Fahavalo lehibe io dia mampiasa izay famitahana rehetra azo ampiasaina mba hampisarahana antsika amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra sy handringanana antsika. (1 Petera 5:8). Tsy hahomby anefa izy! Satria, sahala amin’i Davida, dia mametraka ny fatokiantsika tanteraka amin’ilay hany Andriamanitsika, dia i Jehovah, isika.
13. Ahoana no ahazoan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka mandray soa avy amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah?
13 Tsy isalasalana fa nandentika tao am-pon’i Solomona zanany ny ilana hiantehitra amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah i Davida. Noho izany, i Solomona dia afaka nampianatra ny zanany toy izao: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao, aza manao anao ho hendry; matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.” (Ohabolana 3:5-7). Ireo ray aman-dreny amin’izao andro izao dia tokony hampianatra toy izany koa ireo zanany ny amin’ny fomba fivavaka amim-patokiana amin’i Jehovah sy ny fomba fiatrehana ireo fanafihan’ny tontolo iray tsy mifaditra ovana — toy ny faneren’ireo mpiara-mianatra any an-tsekoly sy ny fakam-panahy hanao fahalotoam-pitondrantena. Ny fampiharanao isan’andro ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly miaraka amin’ny zanakao, dia afaka mandatsaka tena fitiavana an’i Jehovah sy fianteherana aminy amim-bavaka ao am-pony tanora. — Deoteronomia 6:4-9; 11:18, 19.
Ireo asan’i Jehovah tsy manan-tsahala
14, 15. Inona avy no sasany amin’ireo asan’i Jehovah tsy manan-tsahala?
14 Tamim-piekena lalina dia niteny toy izao i Davida: “Tsy misy tahaka Anao [Jehovah ô, NW ] , amin’ireo andriamanitra; ary tsy misy tahaka ny asanao.” (Salamo 86:8). Ireo asan’i Jehovah dia lehibe kokoa, kanto sy miavaka kokoa, ary mahatalanjona kokoa noho izay mety ho azon’ny olombelona vinanina. Araka ny topy maso nataon’ny siansa maoderina, dia hita fa izao rehetra izao noforonina — ny fidadasiny, ny firindrany, ny hakantony — dia mahatalanjona lavitra noho izay nety ho tsinjon’i Davida. Kanefa na dia izy aza dia voatosika hilaza hoe: “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.” — Salamo 19:1.
15 Voalazalaza amin’ny fomba mahatalanjona koa ny asan’i Jehovah, tamin’ny fomba nametrahany sy nanomanany ny tany mba hiantohana ny fisian’ny andro sy alina, ireo fizaran-taona, ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pijinjana, ary zavatra mahafinaritra maro be ho fahafinaretan’ny olombelona amin’ny hoavy. Ary tamin’ny fomba mahatalanjona toy inona moa no nanaovana sy nampitaovana ny tenantsika, hany ka afaka mifaly amin’ny asan’i Jehovah manodidina antsika isika! — Genesisy 2:7-9; 8:22; Salamo 139:14.
16. Inona no fampisehoana lehibe indrindra ny amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah, ka izany dia nitarika ho amin’ny asa tsy manan-tsahala fanampiny inona avy?
16 Taorian’ny tsy nankatoavan’ireo ray aman-drenintsika voalohany an’Andriamanitra ka nanaovany izay hampisy ny fahoriana mamely ny tany mandraka androany, dia nanao asa mahagaga i Jehovah noho ny fitiavany. Naniraka ny Zanany teto an-tany mba hanambara ny Fanjakan’Andriamanitra sy ho faty ho avotra ho an’ny taranak’olombelona izy. Ary, faran’izay nampitolagaga, dia nanangana an’i Kristy tamin’ny maty i Jehovah mba hahatongavany ho Mpanjaka voafidy hiara-hiasa aminy! (Matio 20:28; Asan’ny Apostoly 2:32, 34). Teo amin’ireo olombelona mahatoky, Andriamanitra dia nifidy koa “olom-baovao” izay hiara-manjaka amin’i Kristy, ho “lanitra vaovao” mpanao soa eo ambonin’ny fitambaran’olon’ny “tany vaovao”, izay hahatafiditra ireo hatsangana amin’ny maty an’arivony tapitrisa maro. (2 Korintiana 5:17; Apokalypsy 21:1, 5-7; 1 Korintiana 15:22-26). Handroso ho amin’ny fiafarany be voninahitra amin’izany ny asan’i Jehovah! Marina tokoa fa afaka mihiaka toy izao isika: “Jehovah ô, (...) akory re ny haben’ny zava-tsoanao [“hatsaram-ponao”, NW ] voarakitrao ho an’ny matahotra Anao!” — Salamo 31:17-19.
17. Raha ny amin’ireo asan’i Jehovah, ahoana izao no ahatanterahan’ny Salamo 86:9?
17 Ny asan’i Jehovah amin’izao andro izao dia mahatafiditra izay lazalazain’i Davida toy izao ao amin’ny Salamo 86:9: “Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, [Jehovah ô, NW ] , ka hanome voninahitra ny anaranao.” Rehefa avy niantso avy teo amin’ny taranak’olombelona ireo sisa amin’ny olom-baovaony, dia ny “ondry vitsy” mpandova ny Fanjakana, i Jehovah, dia nanomboka nanangona “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” avy amin’ny “firenena rehetra”, dia olona an-tapitrisany maro izay maneho finoana ny ra nalatsak’i Jesosy koa, izy. Izy ireo dia natsangan’Andriamanitra ho fandaminana iray mahery miasa, dia ilay hany fitambaran’olona maneran-tany tia filaminana eto an-tany amin’izao andro izao. Rehefa mandinika izany ireo anjely sesehena any an-danitra dia miankohoka eo anatrehan’i Jehovah, amin’ny fanambarana hoe: “Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay”. Manome voninahitra ny anaran’i Jehovah koa ny olona betsaka ka manompo azy “andro aman-alina”, amin’ny fanantenana ny ho tafita velona amin’ny fifaranan’ity tontolo ity, ka hiaina mandrakizay eo amin’ny tany tonga paradisa. — Lioka 12:32; Apokalypsy 7:9-17; Jaona 10:16.
Ny fahalehibeazan’i Jehovah
18. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa izy “irery ihany no Andriamanitra”?
18 Manaraka izany, i Davida dia manintona ny saina ho amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jehovah amin’ny filazana hoe: “Lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.” (Salamo 86:10). Hatramin’ny taloha i Jehovah dia efa nampiseho tamin’ny fomba tsy azo nolavina fa izy “irery ihany no Andriamanitra”. Ilay Farao lozabe tao Egypta no nihantsy ady tamin’i Mosesy nanao hoe: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? Tsy fantatro izay Jehovah”. Tsy ela anefa dia nanjary nahafantatra ny fahalehibeazan’i Jehovah izy! Nampietry ireo andriamanitra sy mpisorona mpanao majika tao Egypta ilay Andriamanitra Tsitoha tamin’ny fandefasana loza nampiditra angano, tamin’ny famonoana ireo lahimatoan’i Egypta, ary tamin’ny fandringanana an’i Farao sy ny tafiny notsongaina tao amin’ny Ranomasina Mena. Marina tokoa fa tsy misy sahala amin’i Jehovah eo amin’ireo andriamanitra! — Eksodosy 5:2; 15:11, 12.
19, 20. a) Rahoviana ilay hira ao amin’ny Apokalypsy 15:3, 4 no hahatratra ny fara tampony eo amin’ny fihirana azy? b) Ahoana no ahafahantsika mandray anjara amin’ny asan’i Jehovah na dia amin’izao fotoana izao aza?
19 Amin’ny maha-hany Andriamanitra azy, dia nanomboka nanao zavatra mahagaga i Jehovah ho fanomanana ny fanafahana ireo mpivavaka aminy mankatò avy amin’ilay Egypta maoderina — izao tontolo izaon’i Satana. Ataony izay hahatonga ny didim-pitsarany ho voambara any amin’ny tany manontolo ho vavolombelona, amin’ny alalan’ilay asa fitoriana manokana mahataka-davitra indrindra teo amin’ny tantara manontolo. Mahatanteraka ny faminanian’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14 izany. Tsy ho ela, dia tsy maintsy ho tonga “ny farany” rehefa hampiseho ny fahalehibeazany amin’ny ambaratonga mbola tsy nisy toy izany i Jehovah, amin’ny fanesorana tanteraka ny faharatsiana rehetra eto an-tany. (Salamo 145:20). Avy eo, dia hahatratra ny fara tampony ilay hiran’i Mosesy sy ny Zanak’ondry manao hoe: “Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô? Fa Hianao ihany no masina [“tsy mivadika”, NW ]”. — Apokalypsy 15:3, 4.
20 Enga anie isika kosa ho be zotom-po eo amin’ny firesahana amin’ny hafa ny amin’ireo fikasan’Andriamanitra mahatalanjona ireo. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:11.) Hanohy hanao zavatra lehibe sy mahagaga amin’izao androntsika izao sy amin’ny hoavy i Jehovah, araka izay holazalazain’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Milaza ny fanazavana iray momba ny Baiboly tamin’ny 1874 fa niteny toy izao i Andrew A. Bonar: “Nisy toetran’Andriamanitra manokana maro, tena maro be, sy ny anarany be voninahitra naharihary tao amin’ny fifaranan’ilay Salamo farany [Sl 85 faha-85]. Izany dia mety hanazava ny fisian’ny iray hafa nanaraka azy io, dia ny ‘Fivavak’i Davida’, izay saika feno ny toetran’i Jehovah mitovy aminy. Ny hevi-dehibe amin’io Salamo [Sl 86 faha-86] io, dia ny anaran’i Jehovah.”
b Jereo eo amin’ny pejy faha-28 amin’ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 Septambra 1984, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
c Mba hahazoana tsipiriany, dia jereo ilay tabilao hoe “Rapaoro Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah, Taom-piasana 1992”, izay hiseho ao amin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1993.
Tadidinao Ve?
◻ Nahoana isika no tokony hanao ilay vavaka ao amin’ny Sl 86 Salamo faha-86 ho ny antsika manokana?
◻ Ahoana no ahafahantsika hanana fifankahazoana am-po amin’i Jehovah?
◻ Ahoana no ampisehoan’i Jehovah ny hatsaram-pony amintsika?
◻ Inona avy no sasany amin’ireo asan’i Jehovah tsy manan-tsahala?
◻ Amin’ny ahoana i Jehovah no ‘hany Andriamanitra’ raha ny amin’ny fahalehibeazana?
[Sary, pejy 10]
Ao amin’ilay “tany vaovao” ho avy, ireo asa mahagaga hataon’i Jehovah dia hanohy hanaporofo ny voninahiny sy ny hatsaram-pony