FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jehovah, Ilay Mpanao Zava-mahagaga
    Ny Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Desambra
    • 8. Fifankahazoana am-po inona no mety hananantsika amin’i Jehovah, ary ahoana no nanehoany ny hatsaram-pony?

      8 Nanao izao fiangaviana feno hafanam-po fanampiny izao i Davida: “Fa Hianao [Jehovah ô, NW ] , no tsara sady mamela heloka ary be famindrampo amin’izay rehetra miantso Anao. Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, ary henoy ny feon’ny fifonako. Amin’ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, fa mamaly ahy Hianao.” (Salamo 86:5-7). “Jehovah ô” — mientam-po imbetsaka isika noho ny fifankahazoana am-po tsapa amin’io fitenenana io! Izy io dia fifankahazoana am-po izay azo ambolena tsy an-kijanona amin’ny alalan’ny vavaka. Nivavaka toy izao i Davida tamin’ny toe-javatra hafa iray: “Aza ny fahotan’ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao [“hatsaram-ponao”, NW ] Jehovah ô.” (Salamo 25:7). Tena sary velona mampiseho ny hatsaram-po i Jehovah — tamin’ny nanomezany ny avotr’i Jesosy, tamin’ny fanehoana famindram-po tamin’ireo mpanota nibebaka, ary tamin’ny fandrotsahana hatsaram-panahy miharo fitiavana tondraka tamin’ireo Vavolombelony mahay mankasitraka sy tsy mivadika. — Salamo 100:3-5, NW; Malakia 3:10.

      9. Fanomezan-toky inona no tokony hoheverin’ireo mpanota nibebaka amim-pitandremana?

      9 Moa ve isika tokony ho sahiran-tsaina noho ny fahadisoana natao tamin’ny lasa? Raha manao lala-mahitsy ho an’ny tongotsika isika izao, dia mahazo hery isika rehefa mahatsiaro ilay fanomezan-toky nataon’ny apostoly Petera tamin’ireo olona nibebaka fa “ho avy izay andro famelombelomana” avy amin’i Jehovah. (Asan’ny Apostoly 3:19). Aoka isika hitoetra ho akaiky an’i Jehovah amin’ny vavaka amin’ny alalan’i Jesosy, ilay Mpanavotra antsika, izay nilaza tamim-pitiavana hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana [“famelombelomana”, NW ]. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana [“famelombelomana”, NW ] ho an’ny fanahinareo hianareo.” Rehefa mivavaka amin’i Jehovah amin’ny anarana sarobidin’i Jesosy ireo Vavolombelona mahatoky amin’izao andro izao, dia tsy azo lavina fa hahita famelombelomana izy ireo. — Matio 11:28, 29; Jaona 15:16.

  • Jehovah, Ilay Mpanao Zava-mahagaga
    Ny Tilikambo Fiambenana—1992 | 15 Desambra
    • 13. Ahoana no ahazoan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka mandray soa avy amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah?

      13 Tsy isalasalana fa nandentika tao am-pon’i Solomona zanany ny ilana hiantehitra amin’ny hatsaram-pon’i Jehovah i Davida. Noho izany, i Solomona dia afaka nampianatra ny zanany toy izao: “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao; maneke Azy amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao, aza manao anao ho hendry; matahora an’i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.” (Ohabolana 3:5-7). Ireo ray aman-dreny amin’izao andro izao dia tokony hampianatra toy izany koa ireo zanany ny amin’ny fomba fivavaka amim-patokiana amin’i Jehovah sy ny fomba fiatrehana ireo fanafihan’ny tontolo iray tsy mifaditra ovana — toy ny faneren’ireo mpiara-mianatra any an-tsekoly sy ny fakam-panahy hanao fahalotoam-pitondrantena. Ny fampiharanao isan’andro ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly miaraka amin’ny zanakao, dia afaka mandatsaka tena fitiavana an’i Jehovah sy fianteherana aminy amim-bavaka ao am-pony tanora. — Deoteronomia 6:4-9; 11:18, 19.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara