FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Moaba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Niady tamin’ny Israely koa i Moaba rehefa lasa mpanjaka i Davida. Resy tanteraka anefa ny Moabita ka nandoa hetra taminy. Toa ny roa ampahatelon’ny miaramila moabita no novonoina, rehefa vita ilay ady. Mety ho nasain’i Davida nitsotra tamin’ny tany izy ireo ary norefesina tamin’ny tady, ka natokana hovonoina ny roa ampahatelony, fa ny ampahatelony kosa tsy novonoina. (2Sa 8:2, 11, 12; 1Ta 18:2, 11) Toa tamin’io ady io koa i Benaia zanak’i Joiada no “nahafaty an’ireo roa lahy zanak’i Ariela avy any Moaba.” (2Sa 23:20; 1Ta 11:22) Anisan’ny nanatanteraka ilay faminaniana nambaran’i Balama 400 taona mahery talohan’izay àry i Davida. Hoy ilay faminaniany: “Hisy kintana hivoaka avy amin’i Jakoba, ary hisy tehim-panjakana hipoitra avy amin’ny Israely. Hovakiny ny fihirifan’i Moaba, sy ny karandohan’ny zanak’ireo tia ady.” (No 24:17) Toa io fandresena io koa no tian’ny mpanao salamo horesahina rehefa nilaza izy hoe ‘koveta isasan’Andriamanitra’ i Moaba.​—Sl 60:8; 108:9.

  • Kapa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Ho resy angamba i Edoma matoa nilaza i Jehovah hoe: “I Edoma no hanipazako ny kapako.” (Sl 60:8; 108:9) Fanaon’ny olona mantsy tamin’izany ny nanipy ny kapany teo amin’izay tany ho lasa fananany. Mety ho fanamavoana an’i Edoma koa anefa ireo teny ireo, satria natao hoe “koveta isasako” i Moaba ao amin’ilay andininy. Fanamavoana ny hoe manipy kapa ankehitriny any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara