FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Tsy Fivadihana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Jesosy Kristy. Tena nampahery an’i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany ny nahalala fa efa nampilaza mialoha Andriamanitra hoe tsy havela hijanona ao amin’ny Fasana ilay mpanompony lehibe indrindra sy “tsy mivadika.” (Sl 16:10) Nampiharin’ny apostoly Petera tamin’i Jesosy io faminaniana io, tamin’ny Pentekosta taona 33. Hoy izy: “Efa hitan’i Davida mialoha ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ary efa niresaka momba izany izy, dia ny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana i Jesosy sady tsy lo ny nofony. Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izany Jesosy izany, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.” (As 2:25-28, 31, 32; ampit. As 13:32-37.) Manazava ny Asan’ny Apostoly 2:27 ny boky iray ka milaza fa “tsy ny olona tia an’Andriamanitra sy mpivavaka be fotsiny no tiana holazaina” amin’ilay teny hebreo hoe hasid (ao amin’ny Sl 16:10), “fa ny olona anehoan’i Jehovah hatsaram-panahy feno fitiavana koa.”​—Ny Fanazavana ny Testamenta Grika, nataon’i W. Nicoll, 1967, Boky II.

  • Fitsanganana Amin’ny Maty
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
    • Hivoaka avy ao amin’ny Sheôl. Hoy i Davida mpanjakan’ny Israely: “Nataoko teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo aho satria izy eo ankavanako. ... Handry feizay koa ny nofoko. Fa tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana [Sheôl] aho [“ny aiko”, Prot.]. Tsy havelanao hahita ny lavaka ilay mpanomponao tsy mivadika.” (Sl 16:8-11) Nilaza tamin’ny Jiosy i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33, fa tanteraka tamin’i Jesosy Kristy natsangana tamin’ny maty io salamo io. (As 2:25-31) Ny ain’i Jesosy àry no naverina taminy rehefa natsangana izy, araka ny asehon’ny Soratra Hebreo sy Soratra Grika. “Nofo” i Jesosy Kristy “rehefa novonoina, fa fanahy kosa rehefa novelomina.” (1Pe 3:18) Hoy mantsy i Paoly: “Tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamanitra ny nofo aman-dra” (1Ko 15:50), na ny nofo sy taolana. Tsy maintsy misy ra ny nofo sy taolan’ny zavaboary iray vao velona izy, satria ao amin’ny ra no misy ny “aina.”​—Ge 9:4.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara