FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/6 p. 4-6
  • Manohiza mikatsaka harena nafenina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manohiza mikatsaka harena nafenina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fikarohana ahitam-bokatra
  • Tsy mety lany ny vatosoa ara-panahy!
  • Aoka isika hanohy ny fikarohana ataontsika!
  • “Jehovah no Manome Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • “Sambatra Izay Olona Mahita Fahendrena”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Miantsoantso ny Tena Fahendrena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Hita Amin’ny Fiainanao ve ny “Fahendrena avy any Ambony”?
    Manatòna An’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/6 p. 4-6

Manohiza mikatsaka harena nafenina

SAINTSAINO ange ireo vatosoa tsy hay tombanana raketin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly e. Manambara amintsika ny fikasan’Andriamanitra izy ireny sady mametraka eo anoloantsika hoavy kanto. Mampahery antsika izy ireny ary mampiseho amintsika ny fomba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra (Romana 15:4). Ireny vatosoa ireny dia manampy antsika koa haneho fahendrena amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Tsy azo lavina fa noho ny fahendrena avy amin’Andriamanitra dia mandeha amin’ny “làlan’aina” isika amin’ny fahitana fahafahampo sy fahasambarana. — Salamo 16:11; 119:105.

Tokony hanome vidiny lehibe ny fahendrena isika satria mitondra soa maro izany. “Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako, hoy ny fahendrena aseho ho toy ny olona. Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy. Miharihary avokoa izy raha amin’ny mazava saina, ary mahitsy, raha amin’ny efa nahazo fahalalana. Aza ny volafotsy no raisina fa ny anatro, ary aleo ny fahalalana toy izay volamena voafantina. Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy, ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.” — Ohabolana 8:8-11.

Nahoana no mikatsaka foana?

Raha diso fanantenana matetika izay mihady tany mba hahita vatosoa ao, na volamena na volafotsy, dia mety ho hafa noho izany no miseho ho an’izay mitady ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Ahoana anefa no azontsika anaovana fikarohana ahitam-bokatra? Ny fahombiazany dia miankina amin’ny hamafin’ny antony manosika antsika, sy ireo fiezahana itarihantsika ireny. Raha mahay manavaka ny vidin’ny fahendrena isika, dia hanome tombany lehibe an’izany mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra. Fanampin’izany, “tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy”. — Ohabolana 16:16.

Ao amin’ny Ohabolana 2:1-6, dia ahitantsika izao famporisihana izao: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao, ary ampitandremanao fahalalana ny fonao; eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina: dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.”

Ny harena iray nalevina lalina dia tsy hita avy hatrany; noho izany dia tsy maintsy karohana izy. Misy olona izay, mba hihadiana ny tany, dia mihafy tsy miala sasatra, tsy mihinana sy tsy matory. Nefa rehefa mahita ilay harena niriny fatratra izy, dia valian-tsoa ny fiezahany rehetra. Tokony ho vonona hanao sorona toy izany isika amin’ny fikatsahantsika ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Raha ilaina ny mikikitra mihady mba hahitana harena nafenina, dia tsy maintsy ilaina tahaka izany koa ny maharitra mba hahitana ny fahendrena. Tsy ampy ny mamaky haingana ny Baiboly sy ireo boky kristiana. Mitaky fotoana sy fikarohana ary fisaintsainana ny fahitana ireo vatosoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Toy inona anefa ny fifaliantsika rehefa mahazo ny fahiratan-tsaina avy amin’ny Soratra masina isika! — Nehemia 8:13.

Fikarohana ahitam-bokatra

Ireo izay mianatra ny Tenin’Andriamanitra mba hahita ao vatosoam-pahendrena dia sambatra (Ohabolana 3:13-18). Fahendrena àry ny hanorenana fitahirizam-boky teokratika tsara manokana na ara-pianakaviana. Boky inona avy no tokony ho hita ao? Ankoatra ny rakibolana tsara iray, dia mihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah fa ilaina ny hametrahana ao fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa ary boky kristiana manazava ny Baiboly, ka anisan’izany ireo nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! tamin’ireo taona lasa. Marina fa ilaina ny fahaizana mandray soa avy amin’izany fitahirizam-boky izany, raha tiantsika ny hanampiany antsika amin’ny fihazana harena ataontsika.

Mba hahazoana fahendrena dia azontsika atao ny mijery ireo Fanondroana ny boky navoakan’ny Fikambanana Watch Tower (foto-kevitra nohazavaina sy fanondroana araka ny Baiboly) na ny fanondroana any amin’ny faran’ireo boky sy ireo gazety navoakan’ny Fikambanana nakambana ho boky. Ireny fanondroana ireny dia fiasana fototra natao ho amin’ny fikatsahana ny fahendrena avy amin’Andriamanitra. Azo ampitahaina amin’ny sarin-tany manoro “harena afenina”, dia ny fahendrena avy amin’Andriamanitra, izy ireny (Ohabolana 2:4). Raha toa tsy manana boky sasany ilaina amin’ny fikarohana ataontsika isika, dia mety ho hitantsika any amin’ny Efitrano Fanjakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao an-toerana misy antsika izany.

Aoka hojerentsika izao hoe karazana harena inona no azontsika tadiavina. Aoka hataontsika hoe eo am-pamakiana ny Baiboly isika dia manontany tena ny amin’ny fomba nahafaty an’i Jodasy Iskariota rehefa avy namadika an’i Jesosy Kristy izy. Ao amin’ny Matio 27:5, dia vakintsika fa Jodasy “dia niala ka lasa nandeha, (...) ary nananton-tena”. Nefa ny Asa 1:8 dia milaza fa “potraka niankohoka izy, dia vaky ny kibony ka nipoaka sady nivaroraka avokoa ny tsinainy”. Ahoana àry no nahafaty an’i Jodasy? Azontsika atao ny mahita ny valiny amin’ny fampiasana ny Fanondroana (1981-1985) ao amin’ireo andininy roa ireo, na eo ambany lohateny hoe “Jodasy Iskariota” sy eo ambany lohateny kely hoe “fandinihana”. Amin’izay isika dia asaina mijery ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, ao amin’ny pejy faha-868 ka hatramin’ny 870. Ao amin’ny pejy faha-870, dia amakiantsika hoe: “Toa miresaka ny fomba namonoana tena i Matio, fa milazalaza ny vokany kosa ny Asan’ny apostoly. Raha akambantsika ny fitantarana anankiroa, dia toa nanandrana nananton-tena tamin’ny toerana avo iray Jodasy, nefa tapaka ny tady na ny rantsan’ilay hazo ka niantonta tamin’ny lohany izy ary potsitry ny vato teny ambany ny kibony. Ny toetoetry ny toerana manodidina an’i Jerosalema dia mamela hety ny fitantarana ny fisehoan-javatra tahaka izany.”

Ny konkordansa iray dia ahafahana mahita ireo andininy mifandray amin’ny raharaha manokana iray. Marina fa rehefa mandinika andininy anankiray isika dia aoka hihevitra tsara ny teny manodidina. Mba hahazoana sary an-tsaina an’io hevitra io, dia horaisintsika ny Salamo 144:12-14. Mitantara izao teny izao io andinin-teny io: ‘Mba ho tahaka ny zava-maniry maroroka ny zanakailahy, ary ho tahaka ny vato fehizoro voasoratra tsara toy ny fomban’ny lapan’andriana ny zanakai-vavy. Ho feno ny trano fitehirizanay ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay; hahazaka be ny ombinay, ary tsy hisy ho rava.’ Mety hoheverintsika fa mihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra ireo teny ireo, nefa ny teny manodidina dia mampiseho fa tsy izany velively no izy. Eo amin’ny andininy faha-11, Davida mpanao salamo dia mangataka mba hafahana amin’ireo izay miteny zava-poana sy ireo izay mirehareha noho ireo zanany lahy sy zanany vavy ary ireo omby aman’ondriny. Araka ny andininy faha-15, ireny olona tsy marina ireny dia milaza hoe: “Sambatra ny firenena izay tahaka izany!” Nefa mifanohitra amin’izany, Davida kosa dia mihiaka hoe: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny!”

Tsy mety lany ny vatosoa ara-panahy!

Mahafaly ny fahatongavana amin’ny fahitana ny fahendrena. Anisan’ireo vatosoa ara-panahy mety ho azo amin’ny alalan’ny fikarohana, dia ao ireo valiny mahafa-po amin’ny fanontaniana momba ny Baiboly. Valim-panontaniana toy inona moa no tsy ho hita rehefa mikaroka tsy misy fitsaharany ny tena! Fantatrao ve ohatra ny hoe taiza i Kaina no nahita ny vadiny? Ny Tilikambo Fiambenana (1 aprily 1982) dia mamaly hoe: “Milaza ny Baiboly fa nanan-janaka maro Adama sy Eva fa tsy roa monja [Kaina sy Abela]. ‘Ary ny andron’i Adama taorian’ny niterahany an’i Seta [zanakalahy hafa], dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.’ (Gen. 5:4). Raha raisina io fanazavana io, taiza i Kaina no naka ny vadiny araka ny hevitrao? Eny, tsy maintsy nanambady ny iray tamin’ireo anabaviny izy. Amin’izao andro izao ny fanambadiana toy izany dia hampidi-doza ny zaza hateraka. Nefa teo amin’ny fiandohan’ny tantaran’ny olombelona, raha mbola tena akaikin’ny fahatanterahana ny olombelona, dia tsy zava-nanahirana izany.”

Aoka hatao hoe mamaky ny bokin’ny Ohabolana isika izao. Amin’ny famakiana ny Ohabolana 1:7, dia mety hanontany tena isika hoe: ‘Inona no atao hoe “fahatahorana an’i Jehovah”?’ Ny fikarohana ataontsika dia mety hitondra antsika hijery Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 aogositra 1987, izay amakiantsika toy izao: “Izany dia tahotra mahasoa ny tsy hahazo sitraka aminy, voamariky ny fanajana lalina ateraky ny hatsaram-pony eo amintsika. Izay ‘matahotra an’i Jehovah’ dia miaiky fa izy no Mpitsara tampony sy Tsitoha, fa manana zo sy fahefana izy hanasazy sy hamono hahafaty an’ireo izay tsy mankatò azy. Afa-tsy izany koa, izay ‘matahotra an’i Jehovah’ dia manompo azy amim-pahatokiana, matoky azy tanteraka, ary mankahala izay ratsy eo imason’Andriamanitra.”

Aoka isika hanohy ny fikarohana ataontsika!

Ny Tilikambo Fiambenana dia navoaka hanampy an’ireo izay mikatsaka amim-pahatsorana ny fahendrena hahita vatosoa ara-panahy tsy hay tombanana. Ny tsirairay amintsika dia mila fahendrena sy fahatakarana tsara ny Tenin’Andriamanitra. Toy ny voalazan’ny Ohabolana 4:7, 8, “ny voaloham-pahendrena dia izao: mahazoa fahendrena; eny lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa. Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tànanao”.

Tsy misy afa-tsy amin’ny fitadiavana ny fahiratan-tsaina avy amin’ny Soratra masina sy amin’ny fampiasana tsara ny fahendrena no hahafahantsika hahita ny tena fahasambarana. Eny, amin’ny fanomezana taratry ny fahendrena avy amin’Andriamanitra ihany no hahazoantsika mahazo ny fankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. Aoka àry tsy hisy na inona na inona hanakana anao amin’ny fikatsahana ny fahendrena toy ny harena miafina!

[Sary, pejy 4, 5]

Ilaina ny mihady tany amim-pikirizana mba hahitana harena nafenina. Moa ve àry isika tsy tokony hikatsaka amim-paharetana ny fahendren’Andriamanitra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara