FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • nwt p. 14-p. 15
  • Fanontaniana 6: Inona avy ny faminaniana momba ny Mesia?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontaniana 6: Inona avy ny faminaniana momba ny Mesia?
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Fanontaniana 6: Inona avy ny faminaniana momba ny Mesia?

FANONTANIANA 6

Inona avy ny faminaniana momba ny Mesia?

FAMINANIANA

“Ianao, ry Betlehema Efrata, ... avy ao aminao no hivoahan’ilay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely.”

Mika 5:2

FAHATANTERAHANY

“Teraka tao Betlehema any Jodia i Jesosy, tamin’ny andron’i Heroda Mpanjaka. Taoriana kelin’izay, dia nisy mpanandro avy any Atsinanana tonga tao Jerosalema.”

Matio 2:1

FAMINANIANA

“Ifampizaran’izy ireo ny fitafiako, ary anaovany antsapaka ny akanjoko.”

Salamo 22:18

FAHATANTERAHANY

“Rehefa voafantsiky ny miaramila teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy, dia nalain’izy ireo ny akanjony ivelany, ary nozarainy efatra ... Tsy nisy zaitra anefa [ny akanjony anatiny], fa tenona iray ihany hatrany ambony ka hatrany ambany. Nifampiresaka àry izy ireo hoe: ‘Aleo tsy horovitintsika ity, fa andao isika hanao antsapaka dia ho hitantsika hoe iza no hahazo azy.’ ”

Jaona 19:23, 24

FAMINANIANA

“Arovany daholo ny taolany, ka tsy misy tapaka ireny na iray aza.”

Salamo 34:20

FAHATANTERAHANY

‘Rehefa tonga teo amin’i Jesosy izy ireo, dia hitany fa efa maty izy ka tsy notapahiny ny ranjony.’

Jaona 19:33

FAMINANIANA

‘Notrobarana noho ny helokay izy.’

Isaia 53:5

FAHATANTERAHANY

‘Nolefonin’ny iray tamin’ireo miaramila ny takibany, ka tonga dia nisy ra sy rano nivoaka.’

Jaona 19:34

FAMINANIANA

“Naloany ny karamako, ary volafotsy 30 sekely izany.”

Zakaria 11:12, 13

FAHATANTERAHANY

“Avy eo dia nankany amin’ny lehiben’ny mpisorona ny iray tamin’izy 12 Lahy, ilay antsoina hoe Jodasy Iskariota, ka niteny hoe: ‘Homenareo inona aho hamadihako azy, dia hatolotro anareo izy?’ Ary nifanaraka taminy izy ireo fa hanome azy volafotsy 30 sekely.”

Matio 26:14, 15; 27:5

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara