FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/10 p. 23-28
  • “Jehovah no Mpiandry ahy”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Jehovah no Mpiandry ahy”
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Jehovah: Mpiandry feno fitiavana
  • Miaro ireo ondriny Jehovah
  • Fanasana be aroso eo afovoan’ny fahavalo
  • Jehovah no Mpiandry Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • “I Jehovah no Mpiandry Ahy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2011
  • Salamo 23:4: “Na dia Mandeha Mamakivaky ny Lohasaha Aloky ny Fahafatesana aza Aho”
    Fanazavana Andinin-teny
  • Mpiandry Be Fitiavana
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/10 p. 23-28

“Jehovah no Mpiandry ahy”

“Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho.” — SALAMO 23:1.

1, 2. Zavatra miavaka inona avy moa no nataon’i Davida? Salamo firy no noforoniny?

ALAO sary an-tsaina ny fisehoan-javatra: Raha mbola mifanandrina ny tafika filistina sy ny an’ny Isiraely, dia nihaika ny Isiraelita mba hisetra azy i Goliata, goavana filistina. Niantsambotra nanatona azy ny zazalahy iray tsy nanana fiadiana afa-tsy antsamotady sy vato kilonjy ka nandefa tsy nisy diso, vato iray izay niboroaka tamin’ny handrin’ilay goavana ka nahafaty azy. Iza moa io zazalahy io? Davida, mpiandry ondry. Vao avy nahazo an’io fandresena nahatalanjona io izy noho ny fanampian’i Jehovah Andriamanitra. — 1 Samoela, toko faha-17.

2 Ho tonga mpanjakan’ny Isiraely io zazalahy io atỳ aoriana; haharitra 40 taona ny fanjakany. Noho izy nahay nitendry harpa, dia hamorona tononkira maro ara-tsindrimandrin’Andriamanitra izy. Hanoratra salamo kanto 70 mahery koa izy ka amin’izao andro izao ireny dia mbola loharanom-pampaherezana sy torohevitra tsy mety ritra ho an’ny mpanompon’i Jehovah ihany. Ny fantatra indrindra dia ny Salamo 23. Nahoana no tsy manokatra ny Baibolinao ao amin’io Salamo io mba hanarahana ny fandinihana azy isan’andininy hataontsika izao?

Jehovah: Mpiandry feno fitiavana

3. a) Tao anatin’ny toe-javatra inona avy moa i Davida no nanao vy very ny ainy mba hiarovana ireo ondriny? b) Amin’ny heviny ahoana moa Jehovah no Mpiandry antsika?

3 “Jehovah no Mpiandry ahy.” (Salamo 23:1). Noho ny tenany mpiandry ondry za-draharaha, dia fantatr’i Davida ny fomba hitarihana sy hamahanana ary hiarovana ny ondry. Indray andro, ohatra, dia niaro tamin-kerim-po ny andian’ondriny izy tamin’ny fanafihan’ny liona ary indray mandeha koa, tamin’ny an’ny bera (1 Samoela 17:34-36). Natoky azy tanteraka ireo ondriny. Teo anatrehan’i Jehovah anefa dia ondry koa ny tenany. Koa satria nahatsiaro tena ho tsy nanana ahiahy izy teo ambany fiarovan’Andriamanitra voamariky ny fitiavana, dia afaka nilaza toy izao izy: “Jehovah no Mpiandry ahy.” Mahatsiaro ho tsy manana ahiahy toy izany ve ianao eo ambany fitarihan’ilay Mpiandry lehibe, dia Jehovah Andriamanitra? Tsy azo lavina fa mitari-dalana sy mamahana ary miaro koa ireo mpivavaka aminy, na ondry, izy amin’izao androntsika izao. Ambonin’izany, dia misy mpiandry lefitra mahatoky sy feno fitiavana miahy amin-jotom-po an’ireny “ondry” ireny amin’ny maha-loholona voatendry ao anatin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah. — 1 Petera 5:1-4.

4. Amin’ny ahoana moa ny toerantsika no azo ampitahaina amin’ny an’ny Isiraelita tany an’efitra?

4 “Tsy hanan-java-mahory aho.” Aoka hofakafakaintsika io fanambarana io. Moa ve ny fiheveran’i Jehovah voamariky ny fitiavana tsy miteraka ao aminao, fahatsiarovana filaminana sy toky mampitony? Tsaroanao ve izay nitranga tamin’ny Isiraelita fony izy ireo nirenireny tany an’efitra nandritra ny 40 taona? Nanome izay nilainy rehetra Andriamanitra. Toy izany koa amin’izao andro izao: tsy manan-java-mahory ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky. Maro be no afaka mandray ho an’ny tenany ireto tenin’i Davida ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ireto: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” (Salamo 37:25). Amin’izao androntsika izao Andriamanitra dia mizara sakafo ara-panahy be dia be amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina”. (Matio 4:4; 24:45-47.) Ankoatra ireo fivoriana isan-karazany atao isan-kerinandro, dia manana ny Baiboly isika, mandray ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous! mbamin’ny zavatra vita an-tsoratra hafa. Na dia any amin’ireo tany andrarana ny asa fitoriana aza, dia mandray sakafo ara-panahy tsy tapaka ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsia, tsy manan-java-mahory ireo ondrin’i Jehovah.

5. Nahoana moa ireo ondrin’i Jehovah no miaina ao anatin’ny filaminana sy ny fahatoniana amin’izao androntsika izao, ary inona no vokatr’izany?

5 “Mampandry ahy amin’ny ahi-maitso Izy.” (Salamo 23:2). Teo amin’ny Isiraely Fahizay, dia tanàna maro no voahodidin’ny ahi-maitso. Toy ny nitarihan’ny mpiandry feno fitiavana ny ondriny hiraoka ahitra tsy hanana ahiahy tao amin’ireny tanim-bilona nandrobona ireny, dia toy izany koa fa mikarakara ny ondriny Jehovah amin’izao andro izao. Izao tokoa no nolazain’ny mpanao salamo: “Olona fiandriny sy ondry tandremany isika.” (Salamo 79:13; 95:7). Salama ny ondry rehefa ampy sakafo sy afaka miala sasatra amin’ny fotoana mafana ao anatin’ny andro. Amin’izao androntsika izao, dia miaina ao anatin’ny filaminana sy fahatoniana ny ondrin’i Jehovah, satria matoky ireo mpiandry azy: ireo mpiandraikitra matotra sy za-draharaha izay miasa ao anatin’ireo kongregasiona sy ireo fizaran-tany. Miteraka fitomboan’ny andian’ondry ara-panahy izany. Olona maro nataon’ireo mpiandry sandoka ao amin’i Babylona Lehibe ratsy fitondra taloha no ondrin’i Jehovah sambatra sy voky aoka izany ankehitriny.

6. Ahoana no ‘itondran’i Jehovah antsika eo amoron’ny rano fialan-tsasatra’?

6 “Mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy.” Teo amin’ny Isiraely, mba hampisotroana ny andian’ondry, dia tsy maintsy nitarika azy ireny ho eny amin’ny toerana nisy rano ny mpiandry ondry. Matetika anefa no sarotra ny nahita izany tamin’ny vanin-taona maina. Toy izany koa, amin’izao androntsika izao Jehovah dia ‘mitondra antsika eo amoron’ny rano fialan-tsasatra’ amin’ny fanomezana ranon’ny fahamarinana be dia be (jereo Ezekiela 34:13, 14). Nandefa izao fanasana mampientana izao Isaia mpaminany: “He! hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano.” (Isaia 55:1). Tamin’ny fisotroana tamin’ireny rano ara-panahy ireny dia voaro ireo ondry amin’ny fitsarana mivaivay hampiharina amin’ireo izay “tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsara”. — 2 Tesaloniana 1:8; Apokalypsy 7:16, 17.

7. Amin’ny fotoana toy inona indrindra moa no ilaina ny hamelombeloman’i Jehovah antsika, ary amin’ny toe-javara inona avy no mety hiharihary fa mahasoa tokoa ny hahaizana tsianjery andinin-teny ao amin’ny Baiboly?

7 “Mamelombelona ny fanahiko Izy.” (Salamo 23:3). Rehefa tojo fahasahiranana isika, rehefa sasatra, kivy, na ianjadian’ny fanoherana mafy, dia mamelombelona antsika amin’ny alalan’ny Teniny Jehovah. Tsara àry ny hananan’ny kristiana fahazarana mamaky tapany amin’ny Baiboly isan’andro. Manao izany ve ianao? Hitan’ny sasany fa mahasoa ny mianatra tsianjery andininy sasany toy ny Eksodosy 34:6, 7 na Ohabolana 3:5, 6. Nahoana no mahasoa izany? Satria na dia rehefa mitranga aza ny fitsapana ka tsy afaka mampiasa Baiboly ianao, dia afaka manatanjaka anao avy hatrany ireo hevitra mampahery ao amin’ny Soratra masina. Vavolombelona maro natao an-tranomaizina na nalefa tany amin’ny toby fiasana noho ny fifikirany tsy azo hozongozonina tamin’ny rariny no velombelona sy natanjaka rehefa nahatsiaro andininy hainy tsianjery. Eny, mety ‘hahafaly ny fo’ sy ‘hampahazava ny maso’ ny Tenin’Andriamanitra. — Salamo 19:7-10.

8. Mora arahina ve ny “làlan’ny fahamarinana”, nefa mitarika ho aiza izany?

8 “Mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana (Izy).” Marina fa sarotra ny manaraka ny lalan’ny fahamarinana, kanefa mitarika ho amin’ny fiainana izany. Izao no nolazain’i Jesosy: “Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana.” (Matio 7:14). Fa raha ny amin’ny apostoly Paoly, dia izao no nambarany tamin’ny mpianatra tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia: “Tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Tsy isalasalana mihitsy fa fantany izay noresahiny, satria fotoana fohy talohan’izay, tany Lystra, dia notoraham-bato izy ka nilaozana satria natao ho efa maty. — Asa. 14:19-22.

9. Amin’ny fomba ahoana no ‘itarihan’Andriamanitra antsika amin’ny làlan’ny fahamarinana’? b) Nahoana moa no hahasoa antsika ny handraisana ho antsika ny teny voasoratra ao amin’ny Salamo 19:14? d) Inona avy moa ireo andinin-tenin’ny Baiboly mety hanampy antsika hanalavitra ireo fandrika mifamatotra amin’ny fahalotoam-pitondrantena?

9 ‘Mitarika antsika amin’ny làlan’ny fahamarinana’ Jehovah amin’ny fanoroan-dalana antsika sy amin’ny fampianarana antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany. Ny ankamaroan’ny olona anefa dia manaraka ny lalana malalaka sy migodàna “izay mitarika ho amin’ny fandringanana”. (Matio 7:13, MN.) Ny fahalotoam-pitondrantena fahita aoka izany sy ny fielezana haingan’ilay aretina mahatsiravina atao hoe SIDA dia manamafy fa tokony handositra ny naman-dratsy ny kristiana (1 Korintiana 15:33). Tokony hosakanantsika aza ny fisainantsika tsy hirenireny eo amin’ny lalana tsy madio (Salamo 19:14). Mba hanaovana izany, dia aoka hampiharintsika mandrakariva ireo torohevitra tsara dia tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra momba ny lahy sy vavy sy ny fomba fanalavirana ireo fandrika maro mifamatotra amin’ny fahalotoam-pitondrantena. — 1 Korintiana 7:2-5; Efesiana 5:5; 1 Tesaloniana 4:3-8.

10. a) Inona moa no andraikitry ny Vavolombelon’i Jehovah eo anoloan’ny anaran’Andriamanitra? b) Nahoana moa ny olona eo amin’izao tontolo izao no manakiana antsika matetika tokoa? d) Ao anatin’ny toe-javatra manao ahoana no hanampy antsika Jehovah?

10 “Noho ny anarany.” Ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana andraikitra mavesatra hanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra sy hiahy ny amin’ny tsy hanalana baraka izany mihitsy (Matio 6:9; Eksodosy 6:3; Ezekiela 38:23). Olona maro eo amin’izao tontolo izao no mailaka ny hanondro molotra ireo mpanompon’i Jehovah. Raha noho ny fifikirantsika amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, toy ireo mahakasika ny fialanalanana na ny fahamasinan’ny ra no anakianany antsika, dia madio ny fieritreretantsika. Fa raha manao izany kosa izy satria hoe nanao zava-dratsy isika, dia hanala baraka an’i Jehovah isika (Isaia 2:4; Asa. 15:28, 29; 1 Petera 4:15, 16). Aoka àry isika hankahala izay ratsy (Salamo 97:10). Raha tsy maintsy iharam-panenjehana isika, dia hanampy antsika Jehovah ka hiaro antsika mandrakariva, noho ny anarany.

Miaro ireo ondriny Jehovah

11. Mampiseho inona moa ny “lohasahan’ny aloka lalina”, ary mety hampahatsiahy inona antsika ny amin’i Jesosy izany?

11 “Na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana [lohasahan’ny aloka lalina, MN] aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho.” (Salamo 23:4). Toy izao no amakiana an’io fehezanteny io ao amin’ny fandikan-tenin’i Segond: “Rehefa mandeha ao amin’ny lohasahan’ny aloky ny fahafatesana aho, dia tsy matahotra ny ratsy mihitsy.” Ireo teny ireo dia mety hampahatsiahy ao an-tsaintsika ireo hadilanana lalina na lohasaha midina avy ao amin’ireo tendrombohitr’i Jodia, any andrefan’ny ranomasina Maty. Ny lohasaha, ny tevan-driaka amitsahan’ny biby mpihaza ao anatin’ny aloka dia toerana mampidi-doza ho an’ny ondry. Nandalo tamin’ny lohasaha maro karazan’izany i Davida rehefa norahonan’ny fahafatesana. Nefa noho Andriamanitra nitarika azy, dia natoky hatrany izy ary tsy resin’ny tahotra mafy. Tokony hatoky an’i Jehovah toy izany isika. Izany fanononana ny amin’ny “lohasaha lalina” izany koa dia mety hahatonga antsika hieritreritra ity faminanian’Isaia ity: “Izay mitoetra amin’ny tany aloky ny fahafatesana [aloka lalina, MN ] no iposahan’ny mazava.” Nanonona ireo teny ireo i Matio ary nampihatra azy tamin’i Jesosy Kristy, tamin’ny filazana hoe: “Ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana.” Inona no nahatonga izany fahazavana izany? Ny asa fitoriana lehibe nalamin’i Jesosy. — Isaia 9:1; Matio 4:13-16.

12. a) Any amin’ny tany maro, inona moa no ataon’ireo mpanompon’i Jehovah na dia ao aza ny fanenjehana, ary inona no vokatry ny asa ataon’izy ireo? b) Ahoana moa no teny nampaherezan’i Petera ireo kristiana voalohany nenjehina?

12 ‘Tsy natahotra ny loza’ i Davida. Toy izany koa ny amin’ny tena mpanompon’i Jehovah amin’izao androntsika izao, na dia tsy tia azy loatra aza izao tontolo izao ratsy tapahin’i Satana (1 Jaona 5:19). Olona maro tokoa no mankahala azy ireny, ary enjehina mafy izy ireny any amin’ny tany sasany. Na dia izany aza dia manohy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ihany izy ireny any amin’ireny tany ireny, na dia tsy an-karihary toy ny any an-toeran-kafa aza. Fantany fa momba azy ireo Jehovah ka hiaro azy (Salamo 27:1). Afa-tsy izany koa, dia marihina ny fitomboana miavaka eo amin’ny maro amin’ireny tany ireny izay tsy maintsy anaovana ny asan’ilay Fanjakana amim-piafenana. Raisin’ny Vavolombelona any amin’ireny toerana ireny ho azy ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ny olona atao amiko?” (Salamo 118:6). Ny toeran’izy ireny dia mampahatsiahy ny an’ny kristiana voalohany nanaovan’ny apostoly Petera ireto teny mampahery ireto: “Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana hianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro hianareo.” — 1 Petera 3:14.

13. a) Fiovana misy heviny inona moa no nataon’i Davida tamin’ny fomba filazany hevitra, ao amin’ny Salamo 23:4, ary nahoana? b) Ahoana moa no azon’ny kristiana andresena ny fitebitebeny?

13 “Fa Hianao no amiko.” Ahitana zavatra miavaka mahaliana tokoa ao amin’io fehezanteny io: mivadika avy amin’ny persona fahatelo ho amin’ny faharoa ilay mpanao salamo nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra. Tsy nanondro an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny mpisolo anarana hoe “Izy” i Davida fa nampiasa ny mpisolo anarana hoe “Hianao” izao. Inona no antony? Satria io fomba filazana hevitra io dia mampiseho fifandraisana akaiky kokoa. Mampanakaiky antsika an’ilay Raintsika tia, Jehovah, tokoa, ny loza. Izany dia manosika antsika hitana fifandraisana akaiky kokoa aminy. Amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana, dia azontsika atao ny miantso azy mba hiarovany antsika ka amin’izany dia handresy ny fitebitebentsika isika. — Jereo Zefania 3:12.

14. a) Inona avy moa no fiasana nananan’ireo mpiandry ondry tamin’ny andron’i Davida, ary ahoana no nampiasany izany? b) Amin’izao androntsika izao, ahoana moa no iarovan’ny mpiandry kristiana ny andian’ondry?

14 “Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.” Ny teny hebreo shévèt nadika hoe ‘tsorakazo’ dia mety hanondro tehin’ny mpiandry ondry. Ny tsorakazo sy ny tehina dia nampiasaina mba hiarovan-tena ary nampiseho ny fahefana. Tsy maintsy ho nilaina tokoa ireo zavatra ireo mba hanalavirana ny biby mpihinan-dremby toy ny liona sy ny bibilava. Ny tehin’ny mpiandry ondry koa dia azo nampiasaina mba hanosehana ondry ho any amin’ny lalana tsara na hisakanana azy mihitsy aza tsy hanakaiky loatra toerana mety hianjerany sy haharatra azy. Amin’izao androntsika izao Jehovah dia manendry ao amin’ireo kongregasiona, mpiandry mahatoky, dia loholona, izay miaro ny andian’ondry amin’ny mpihinan-dremby ara-panahy, dia ireo mpivadi-pinoana, ohatra. Ilainy koa indraindray ny manoro hevitra ireo izay mitsahatra tsy mamonjy amim-paharisihana ireo fivoriana na izay manaraka fitondrantena tsy kristiana.

Fanasana be aroso eo afovoan’ny fahavalo

15. a) Fiovan’ny fanoharana misy heviny inona no voamarintsika eo amin’ny Salamo 23:5? b) Inona moa no mampiseho ho voafahana tsara ireo mpanompon’i Jehovah eo amin’ny lafiny ara-panahy, ary iza no tsy azo lazaina ho toy izany?

15 “Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Hianao.” (Salamo 23:5). Voamaritsika eo ny fiovan’ny fanoharana misy heviny: tsy misy firesahana ny amin’ny mpiandry intsony, fa ny amin’ny mpanasa. Sahala amin’ny mpanasa malala-tanana aoka izany, Jehovah dia mizara sakafo ara-panahy tondraka amin’ny alalan’ny kilasin’ny “mpanompo” voahosotra. (Matio 24:45.) Na dia miaina eo anivon’izao tontolo izao feno fankahalana aza isika, dia voafahana tsara. Avoaka amin’ny fiteny maherin’ny zato Ny Tilikambo Fiambenana ka izany dia mahatonga ho afaka hamahana ara-panahy ireo mponina any amin’ny tany samihafa tahaka an’i Afrika Atsimo, Groenland, ireo nosy Salomon sy India. Etsy an-daniny koa, ireo kongregasiona eo amin’ny 55 000 miely patrana maneran-tany dia manana mpandahateny ampahibemaso sy mpampianatra za-draharaha, mbamin’ny toeram-pivoriana mahafinaritra, ka anisan’izany ny Efitrano Fanjakana vaovao an-jatony maro. Fianarana Baiboly any an-tokantrano maherin’ny 3 000 000 no tarihina mba hanampiana ireo “ondry”. Mijaly noho ny hanoanana kosa anefa ireo anisan’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso. — Isaia 65:13.

16. a) Mifanohitra amin’ny nataon’ny vehivavy mpanota irey, inona moa no tsy nataon’ny Fariseo iray ho an’i Jesosy? b) Amin’izao androntsika izao, karazan-diloilo inona moa no omen’i Jehovah an’ireo mpanompony mahatoky?

16 “Manosotra diloilo ny lohako Hianao.” Teo amin’ny Isiraely fahizay, ny mpanasa mahay mampiantrano vahiny dia nanosotra diloilo ny lohan’ireo nasainy. Indray andro, dia nandray an’i Jesosy ny Fariseo iray izay tsy nanosotra diloilo ny lohany na nanome rano hanasany tongotra. Vehivavy mpanota no nanasa ny tongony tamin’ny ranomasony sy namafa izany tamin’ny menaka manitra sarobidy (Lioka 7:36-38, 44-46). Jehovah kosa anefa dia mpampiantrano mahay mandray olona tokoa. Manome ho an’ireo mpanompony mahatoky diloilo ara-panahy, “diloilo fifaliana”, izy. (Isaia 61:1-3.) Tsy azo lavina fa feno fifaliana ireo mpanompony amin’izao androntsika izao.

17. a) Milaza inona moa ny ‘kapoaka feno fia feno’? b) Amin’ny heviny ahoana moa no anoloran’i Jehovah ‘kapoaka feno dia feno’ ho an’ireo mpanompony amin’izao androntsika izao?

17 “Ny kapoakako feno dia feno.” Mandika an’io fehezanteny io toy izao ny fandakan-teny hafa iray: “Safononoka ny kapoakako.” (Jérusalem). Manamarika fahatondrahana eo amin’ny lafiny ara-panahy ireo teny ireo. Na dia tsy milaza fisotro tafahoatra aza izany, dia mahatonga hieritreritra ny amin’ny kapoakan-divay tsara. Manasitrana io fisotro io, araka ny hamarinin’ity torohevitra nomen’i Paoly ho an’i Timoty ity: “Aza misotro rano intsony, fa misotroa divay kely noho ny vava-fonao sy ny fahosaosanao matetika.” (1 Timoty 5:23). Amin’ny heviny ara-panahy, dia mahatonga ny fo ho falifaly koa ny divay (Salamo 104:15). Ny Raintsika tia, Jehovah, dia manolotra amim-pahalalahan-tanana ho an’ireo mpanompony mahatoky, fanasana ara-panahy amin’ny zavatra tsara, ankoatra ny zavatra hafa dia ‘kapoakam-pifaliana’ “feno dia feno”.

18. a) Iza moa no asian’i Jehovah soa sy anehoany hatsaram-po, ary ahoana no amalian’ny Salamo 103:17, 18 an’io fanontaniana io? b) Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona inona no atolotra an’ireo izay manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana?

18 “Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampo [hatsaram-po, MN] no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako.” (Salamo 23:6). Anisan’ny vokatry ny fanahy masin’i Jehovah ny hatsaram-po (Galatiana 5:22, 23). Manao soa Andriamanitra ary maneho ny hatsaram-pony amin’ireo izay mandeha ao amin’ny lalany (Salamo 103:17, 18). Rehefa manana finoana an’i Jehovah tsy azo hozongozonina ireo mpanompony dia afaka mandresy ny fitsapana hitany rehetra. Mahazo ny fitahiany sy ny fiheverany voamariky ny fitiavana foana izy ireny. Raha tsy mivadika hatrany hatramin’ny farany izy ireny, dia hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’izao tontolo izao vaovao. Fahatsinjovan-javatra mahatalanjona re izany!

19. a) Inona moa no dikan’ny hoe ‘mitoetra ao an-tranon’i Jehovah’? b) Inona moa no naorin’ny fandaminan’i Jehovah mba hampandrosoana ny fanompoam-pivavahana marina amin’izao androntsika izao, ary nahoana no misy kristiana an’arivony maro mihevitra fa tombontsoa ny miasa ao? d) Olon-kafa izao koa no tapa-kevitra ny hanompo an’Andriamanitra mandrakizay?

19 “Dia hitoetra ao an-tranon’i Jehovah andro lava aho.” Tamin’ny andron’i Davida, ny foiben’ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra dia ny tabernakely, satria mbola tsy voaorina ny tempoly. Koa satria ny mpanao salamo nampitaha an’Andriamanitra tamin’ny mpampiantrano mahay mandray olona, ny hoe ‘mitoetra ao an-tranon’i Jehovah’ dia nilaza fitanana fifandraisana tsara taminy, nasainy (Salamo 15:1-5). Amin’izao androntsika izao, io trano io dia azo tondroina ho ny tempoly masin’i Jehovah: ireo fandaharana nataony mba hahafahana manaraka ny fanompoam-pivavahana madio. Nanana tombontsoa i Solomona mpanjaka nanorina ny tempoly voalohany izay voaravaka volamena kanto sy natao hanomezam-boninahitra an’i Jehovah. Tombontsoa lehibe tokoa ny niasa tao! Na dia tsy misy tempoly sahala amin’izany intsony aza amin’izao androntsika izao, dia manana fandaminana masina Andriamanitra ka ny zava-kendren’izy io dia ny hampandroso ny fanompoam-pivavahana madio. Mba hanatanterahana izany asa izany, dia nanokatra Betela any amin’ny tany maro io fandaminana io. Ny dikan’ny teny hoe “Betela” dia “Tranon’Andriamanitra”, ary mpanompon’i Jehovah an’arivony maro no mandany hery ao amin’ireny foibe teokratika ireny. Ny sasany tamin’ireny lehilahy ireny sy ireny vehivavy ireny dia niasa tao “andro lava”, tamin’ny fanokanana ny ankamaroan’ny fiainany ho amin’ny asan’ny Betela. Vavolombelona an-tapitrisany maro hafa, tsy anisan’ny mpianakavin’ny Betela no tapa-kevitra koa ny hanompo an’i Jehovah mandrakizay.

20. a) Nahoana moa ny Salamo 23 no mahaforona tapany miavaka amin’ny Soratra masina, ary manampy antsika hitana inona izany? b) Tombontsoa inona avy moa no miandry ireo mpanompo mahatokin’i Jehovah?

20 Ny Salamo faha-23 dia azo ampitahaina amin’ny vatosoa misy lafiny madinika maro be manjelajelatra. Manandratra ny anarana be voninahitry ny Raintsika tia any an-danitra, Jehovah, izy io, ary mampiharihary ny fomba itarihany sy iarovany ary amahanany ireo ondriny. Sambatra àry ny olon’Andriamanitra, voky amin’ny lafiny ara-panahy ary mahita fitomboana haingana, na dia any amin’ireo tany anoherana azy mafy aza. Ny Salamo 23 dia manampy antsika koa hitana fifandraisana mafana sy akaiky amin’ny Mpamorona antsika. Rehefa mandinika ny lanitra feno kintana isika, toy ny nataon’i Davida matetika fony izy niandry ny andian’ondriny, dia velom-pankasitrahana isika rehefa mieritreritra fa miahy antsika toy ny Mpiandry feno fitiavana ilay Mpamorona izao rehetra izao mahatalanjona. Amin-katsaram-po no ampanantenany antsika koa fa hanome antsika ny fiainana mandrakizay ao amin’izao tontolo izao vaovao izy raha tsy mivadika hatrany eo anatrehany isika. Hahafinaritra tokoa amin’izay ny hihaona amin’ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky taloha tahaka an’i Davida, izay hatsangana amin’ny maty! Ary tombontsoa toy inona moa izany hoe hanompo an’i Jehovah Mpiandry lehibe mandrakizay!

Ahoana no havalinao?

◻ Ahoana no isehoan’i Jehovah ho Mpiandry tia antsika?

◻ Amin’ny fomba ahoana avy moa no ‘itarihan’Andriamanitra antsika amin’ny làlan’ny fahamarinana’?

◻ Ahoana no iarovan’i Jehovah ireo ondriny?

◻ Amin’ny heviny ahoana moa Andriamanitra no hoe namelatra latabatra teo anoloantsika teo imason’ny fahavalontsika?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara