FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/6 p. 19-23
  • Rariny avokoa ny lalan’Andriamanitra rehetra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Rariny avokoa ny lalan’Andriamanitra rehetra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy misy ny rariny — Nahoana?
  • Leferin’Andriamanitra ny tsy rariny — nahoana?
  • Mamonjy ny olombelona Andriamanitra
  • Ny fiarovana ny avotra
  • Ny rariny ho an’ny firenena rehetra, tsy ho ela intsony
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • “Manao ny Rariny Foana Izy”
    Manatòna An’i Jehovah
  • Jehovah — Ilay Loharanon’ny Tena Rariny sy Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
  • Tahafo i Jehovah — Manaova ny Rariny sy ny Fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/6 p. 19-23

Rariny avokoa ny lalan’Andriamanitra rehetra

“Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” — DEOTERONOMIA 32:4.

1. Inona avy moa no toetra tsaran’i Jehovah nasandratr’i Mosesy teo anatrehan’ny zanak’Isiraely talohan’ny hahafatesany, ary nahoana izy no tsara toerana mba hanao izany?

JEHOVAH, ilay Mpitsara, Mpanome lalàna ary Mpanjaka fara tampony, dia “tia fahamarinana sy rariny”. (Salamo 33:5; Isaia 33:22.) Mosesy, ilay mpanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna, mpaminany “izay fantatr’i Jehovah nifanatrika”, dia nahazo fahalalana lalina ny amin’ny lalan’i Jehovah mahitsy (Deoteronomia 34:10; Jaona 1:12). Taloha kelin’ny nahafatesany, dia nanoritra ny hatsaran’ny fahamarinan’i Jehovah izy. Teo anatrehan’ny kongregasionan’i Isiraely manontolo, dia nanonona ireo tonon’ity hira ity izy: “Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin’ny vavako! (...) ny anaran’i Jehovah no hotoriko; maneke ny fahalehibiazan’Andriamanitsika. Ny amin’ny Vatolampy, tanteraka ny asany; fa ny lalany rehetra dia amin’ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; marina sy mahitsy Izy.” — Deoteronomia 32:1, 3, 4.

2. Tamin’ny heviny ahoana moa Jehovah no nampihatra ny rariny mandrakariva, ary nahoana no zava-dehibe izany?

2 Ara-drariny avokoa ny asan’i Jehovah rehetra. Mampiasa foana izany toetra izany mifanaraka tanteraka amin’ny fahendreny, ny fitiavany ary ny heriny izy. Izany no nampahatsiahivin’i Eliho mpanompony an’i Joba. Izao tokoa no vakintsika ao amin’ny Joba 37:23: “Ny Tsitoha, tsy mahita [mahatratra, MN ] Azy isika; Izay lehibe amin’ny hery sy ny fitsarana mbamin’ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.” Ny mpanjaka Davida kosa, raha ny aminy, dia nanoratra toy izao: “Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina.” (Salamo 37:28). Endrey ny toky mampahery amin’ny fahalalana fa amin’ny lalany rehetra dia tsy handao na oviana na oviana, na dia fotoana fohy monja aza, ireo izay tsy mivadika aminy Andriamanitra! Antoka ny amin’izany ny fahamarinany.

Tsy misy ny rariny — Nahoana?

3. Inona moa no tsy ampy eo amin’ny olona amin’izao androntsika izao, ary inona no vokatr’izany eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra?

3 Satria Jehovah no ilay Andriamanitry ny rariny, Izay tia ny rariny, “Izay namorona ny faran’ny tany”, nahoana ny rariny no tsy misy firy eo amin’ny olombelona amin’izao androntsika izao (Isaia 40:28)? Namaly tamin’izao teny izao i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 32:5: “Efa nasian-dratsy Izy [nitondra tena tamin’ny fomba mampidi-doza ireny, MN ]; tsy zanany ireny — tsininy izany; taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy.” Marina tokoa fa, tamin’ny fitondrantenany mampidi-doza, dia lavitra tokoa ny Mpamorona azy ny olona, hany ka avo kokoa noho ny an’izy ireo ny fiheverany sy ny lalany, “tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany”. — Isaia 55:8, 9.

4. Inona moa no lalana nofidin’ny olombelona, ary nitarika azy ho aiza izany?

4 Aoka tsy hohadinointsika mihitsy fa ny olona dia tsy noforonin’ny Mpamorona azy mba hanao zavatra tsy miankina Aminy. Namaritra tsara ny toeran’ny olombelona tamin’izao teny izao i Jeremia: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Tamin’ny fanilihana ireo lalana sy ny fanapahan’Andriamanitra ara-drariny, dia nipetraka teo ambany fanapahana hafa tanteraka, tsy hita maso ary mahery ny olona: dia ny an’i Satana Devoly sy ireo demonia izay nomba azy. Izany ny antony nilazan’ny apostoly Jaona tsy nisy fihambahambana toy izao: “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” Tsy misy tombontsoa na dia kely aza ho an’ireny hery araka ny demonia ireny amin’ny fampitomboana ny rariny eo amin’ny olona. — 1 Jaona 5:19.

5. Fanambarana inona avy moa no mampiseho fa tsy misy ny rariny eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

5 Mba hampisehoana fa, amin’ireo tena andro farany ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny izao, dia tsy misy lozan-tany ny rariny, dia aoka hotononintsika ny fanambarana iray nataon’i William Smith, minisitry ny Fitsarana any Etazonia, tamin’ny 1984. Tamin’ny famakafakana famotopotorana iray ny amin’ireo sazy am-ponja navoaka tany amin’ny Fanjakana amerikana 12, nanomboka tamin’ny 1977 ka hatramin’ny 1983, dia hoy ny nambarany: “Mihevitra ny be sy ny maro fa ireo mpanao heloka bevava lehibe — mpamono olona, mpisavika, mpivarotra zavatra mahadomelina an-tsokosoko — dia voaheloka amin’ny sazy maharitra. Nefa ity fandinihana ity (...) dia mampiseho fa mora amin’ireo mpanao heloka bevava mafy hatoka ny hivoaka eny ivelany mba hanao heloka bevava hafa indray.” Tsy hahagaga àry ny hamakiana izao filazan’i Paul Kamenar, mpikambana ao amin’ny Fanorenana ara-pitsaran’i Washington, izao: “Ny fandaharana ara-pitsarana dia miseho ho milefitra loatra matetika.”

6. a) Nanao ahoana moa ny toe-pitondrantenan’i Joda talohan’ny nahababoany? b) Ahoana avy moa ny fanontanian’i Habakoka? Mbola mety ankehitriny ihany ve izany?

6 Talohan’ny nahalavoany teo an-tanan’ny tafika babyloniana, tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana, ny firenin’i Joda dia nijaly koa noho ny fampiharana milefitra loatra ny rariny, Izany no antony nitarihan’Andriamanitra an’i Habakoka mpaminany hilaza hoe: “Ngoly ny lalàna, ary tsy mivoaka ny rariny; fa irohonan’ny ratsy fanahy ny marina, ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra.” (Habakoka 1:4). Ny tsy rariny nanjaka tamin’izay dia nahatonga an’io mpaminany io hanontany an’i Jehovah hoe: “Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka ary mangina, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy?” (Habakoka 1:13). Amin’izao androntsika izao, ny olona ory noho ny fahitana ny tsy rariny manjaka amin’ny lafiny rehetra dia mety hanontany ara-drariny koa hoe: Nahoana ilay Andriamanitry ny fahamarinana no mandefitra hatrany eo anoloan’ny tsy rariny eto an-tany? Nahoana no tsy manao na inona na inona izy, kanefa ‘mivoaka ny fitsarana miangatra’? Nahoana no “mangina” izy? Izany dia fanontaniana lehibe izay ny Tenin’Andriamanitra sarobidy, ny Baiboly, ihany, no mitondra valiny marina sy mahafapo.

Leferin’Andriamanitra ny tsy rariny — nahoana?

7. a) Nahoana moa no nafoin’ny olombelona ny Paradisa nomen’Andriamanitra azy? b) Inona avy moa no raharaha nitranga tany Edena, ary, mifanaraka amin’ny fahamarinany, ahoana no tsy maintsy andaminan’Andriamanitra izany?

7 Araka ny noporofoin’i Mosesy, dia tanteraka ny asan’Andriamanitra. Marina izany tamin’ny mpivady olombelona tanteraka napetrak’Andriamanitra tao amin’ny paradisan’i Edena (Genesisy 1:26, 27; 2:7). Izany toe-piainana tonga lafatra izany dia natao hiantoka ny fiadanana sy ny fahasambaran’ny olombelona. Milaza amintsika toy izao ny fitantarana ara-tsindrimandrin’Andriamanitra: “Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany.” (Genesisy 1:31). Tsy naharitra anefa ny fahasambarana tampony tao Edena. Nisy zava-boary ara-panahy nikomy nitaona an’i Adama sy Eva hanohitra ny fomba nampiharan’i Jehovah ny fahefany teo amin’izy ireo, ka niampanga ny didy nomen’Andriamanitra azy ireo ho tsy ara-drariny (Genesisy 3:1-6). Izany fanoherana ny fahitsian’ny fanapahan’Andriamanitra izany dia niteraka raharaha lehibe tamin’ny lafiny ara-pitondrantena. Ny filazana ara-tantara ny amin’ny fiainan’i Joba nahatoky dia mampiseho fa niahiahy ny amin’ny tsy fivadihan’ny zavaboarin’Andriamanitra rehetra io fanahy nikomy io. Nitaky fotoana anefa ny rariny mba handaminana ireo raharaha tena lehibe eo amin’izao rehetra izao ireo. — Joba 1:6-11; 2:1-5; jereo koa Lioka 22:31.

8. a) Ao anatin’ny toe-piainana mampahonena manao ahoana moa no misy ny olombelona? b) Tara-panantenana inona moa no hita ao amin’ny hiran’i Mosesy?

8 Lazain’i Paoly amin’ny ambangovangony ny toe-piainana mampahonena misy ny olombelona taorian’ny nandavany ny lalana marin’Andriamanitra. Izao no nosoratany ao amin’ny Romana 8:22: “Izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny.” Ny tapany lehibe amin’ireny ‘fisentoana’ ireny sy ireny ‘faharariana’ ireny dia avy amin’ny tsy fisian’ny rariny ao anatin’ny fitambaran’olona izay “anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”. (Mpitoriteny 8:9.) Isaorana anefa ilay Andriamanitra Tsitoha, satria tsy havelany haharitra tsy hisy farany akory ny famadihana ny rariny. Ny amin’izany, dia mitohy toy izao ny hiran’i Mosesy, ao amin’ny Deoteronomia 32:40, 41: “Raha velona koa Aho mandrakizay: Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho [izaho, Jehovah], ka voarain’ny tànako ny fitsarana, dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, ary hovaliako ny mankahala Ahy.”

9. Hazavao ny hoe tamin’ny fomba ahoana no ‘nandray ny fitsarana’ ny tanan’i Jehovah rehefa nikomy ny olombelona.

9 ‘Nandray ny fitsarana’ ny tanan’i Jehovah teto an-tany, tany Edena. Tsy nangataka andro Andriamanitra fa nanameloka ara-drariny ny olombelona ho faty noho ny tsy nankatoavany an-tsitrapo ny Didiny. Hoy izy tamin’i Adama: “Fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19). Taonjato maro tatỳ aoriana, dia nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ny ambangovangony ireo vokatra manimba nentin’ny fahotan’i Adama ho an’ny fianakavian’olombelona manontolo: “Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.” — Romana 5:12.

10. Inona moa ireo taranaka roa nitombo nanomboka tamin’ny fikomian’i Adama, ary ahoana hatrany no nataon’i Jehovah?

10 Taorian’ny fikomian’ny olombelona, dia izao koa no nambaran’Andriamanitra: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15, 17-19). Nitohy nandritra ny 6000 taona ny fitomboan’ny taranaka roa resahina, ary nisy ‘fifandrafiana’ nampifanohitra azy ireo mandrakariva. Na dia teo aza anefa ny fiovana rehetra nitranga teo amin’ny sehatra eto an-tany, dia tsy niova ny lalana marin’i Jehovah. Izao tokoa no nolazain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Malakia mpaminaniny: “Izaho Jehovah dia tsy miova.” (Malakia 3:6). Araka izany, dia naneho ny rariny mandrakariva Andriamanitra teo amin’ny fifandraisany tamin’ny olombelona tsy tanteraka sy mikomy. Tsy niala mihitsy tamin’ireo fotopoto-pitsipiny marina sy ambony Jehovah. Nampihariny foana kosa aza izany, nifanaraka tamin’ireo toetrany mahatalanjona hafa, dia: ny fahendreny, ny fitiavany sy ny heriny.

Mamonjy ny olombelona Andriamanitra

11, 12. Ahoana moa no teny nilazalazan’ny Salamo 49 ny toeran’ny olombelona?

11 Tahaka ny tandroky ny horita goavana, dia niitatra teo amin’ny fitambaran’ny fianakavian’olombelona ny fitaomana manimban’i Satana. Mila dia mila ny hafahana ny olona, tsy amin’ny fanamelohana azy ho faty ihany, fa amin’ireo fandehan-javatra tsy marina ampiharan’ny olombelona ny fanapahany tsy tanteraka koa.

12 Ny tarehin-javatra feno loza aman’antambo misy ny olombelona hatramin’ny nanamelohana azy ho faty dia voalazalaza tsara ao amin’ity salamo nataon’ny zanak’i Kora ity: “Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin’izao tontolo izao: na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo. Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay), mba ho velona mandrakizay izy ka tsy ho latsaka ao amin’ny lavaka.” (Salamo 49:1, 2, 7-9). Avy amin’ny fitsarana marina notononin’Andriamanitra izany tarehin-javatra izany.

13, 14. a) Iza irery ihany moa no afaka namonjy ny olombelona, ary nahoana no nety tanteraka ny fifidianana nataon’Andriamanitra? b) Ahoana moa no ahatongavan’ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra ho “Eny” noho Jesosy?

13 Aiza àry no tokony hitodihana mba hahazoana fanampiana? Iza no ho afaka hamonjy ny olombelona amin’ny herin’ny fahafatesana? Izao no avalin’ny mpanao salamo: “Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin’ny herin’ny fiainan-tsi-hita.” (Salamo 49:15). Noho ny fitiavana lehibe asehon’Andriamanitra mifanaraka amin’ny Fahamarinany ihany no mety hahafaka ny olombelona “amin’ny herin’ny fiainan-tsi-hita [sheola, MN ].” Tamin’ny resaka alina nataon’i Nikodemosy, Fariseo malina iray, dia mbola tamin’ny fomba hentitra kokoa ihany no namalian’i Jesosy ireo fanontaniana ireo tamin’ny filazana hoe: “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16). Talohan’ny nahatongavany teto an-tany, dia nonina tany an-danitra niaraka tamin’ny Rainy ny Zanak’Andriamanitra. Tao anatin’izany fahavelomany talohan’ny naha-olombelona azy izany, dia nolazaina fa ‘naharavoravo azy ny zanak’olombelona’. (Ohabolana 8:31.) Nety tanteraka àry ny nifidianan’i Jehovah indrindra an’io zavaboary ara-panahy io — ny Zanany lahitokana — mba hanavotra ny olombelona.

14 Ny amin’i Jesosy, dia izao no nolazain’i Paoly: “Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny ‘eny’.” (2 Korintiana 1:20). Ny anankiray amin’ireny fampanantenana ireny, nosoratan’Isaia mpaminany, dia voatonona ao amin’ny Matio 12:18, 21, izay amakiantsika toy izao momba an’i Jesosy: “Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hitory ny rariny amin’ny jentilisa Izy; ary ny anarany no hitokian’ny jentilisa.” — Jereo Isaia 42:1-4.

15, 16. Ahoana moa no nahafahan’i Jesosy ho tonga “Ray mandrakizay” ho an’ny taranak’i Adama?

15 Nandritra ny fanompoany teto an-tany, dia nohazavain’i Jesosy tsara fa hisy olona avy amin’ny firenena rehetra ho afaka, amin’ny farany, hanantena ny anarany ka handray amin’izany, soa avy amin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Izao no nambarany: “Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” (Matio 20:28). Ny Lalàna tanteraka nomen’Andriamanitra ny firenen’Isiraely dia nilaza hoe: “Fanahy solon’ny fanahy.” (Deoteronomia 19:21, MN ). Araka izany, taorian’ny namoizan’i Jesosy ny ainy tanteraka tao amin’ny fahafatesana ka nananganan’Andriamanitra azy tamin’ny maty mba hahafahany miakatra ho any an-danitra, dia azony natao ny nitondra teo amin’i Jehovah ny vidin’ny ain’olombelona tanteraka nananany ho takalon’ny zo ho velona narian’i Adama. Tamin’ny fanaovana izany, dia tonga “Adama farany” [na faharoa] i Jesosy, ka izao izy dia afaka ny no tonga “Ray mandrakizay” ho an’ny taranak’i Adama rehetra izay maneho finoana. — 1 Korintiana 15:45; Isaia 9:6, MN.

16 Ny fomba famonjena nomen’Andriamanitra tamim-pitiavana dia ny sorom-panavotan’ny Zanany, Jesosy Kristy. Izany no ‘notorin’i Jesosy tamin’ny jentilisa’. Mifanaraka tanteraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra io sorona io. Tokony ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra tokoa isika noho ny nanaovany izay ‘hahafahana manavotra ny fanahintsika amin’ny tanan’ny Sheola’!

Ny fiarovana ny avotra

17, 18. Asa inona moa no nandraisan’i Charles Russell anjara tao anatin’ireo taona 1870, kanefa fiovan-kevitr’i Barbour inona no nanaitra azy tamin’ny 1878?

17 Sahala amin’ireo kristiana tamin’ny taonjato I, amin’izao androntsika izao ny Vavolombelon’i Jehovah dia nifikitra mafy hatrany tamin’ny fampianarana momba ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Tsara ny mampahatsiahy fa ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, Charles Russell, dia nandray anjara kelikely tamin’ny fanohanana ara-bola sy ny fanoratana gazety ara-pivavahana iray mitondra ny anarana hoe Ilay mpitondra hafatra maraina (anglisy). Ny namoaka an’io gazety io tamin’ny voalohany dia advantista iray natao hoe Barbour, avy any Rochester (Etazonia). Tsy ampy telopolo taona i Russell tamin’izay, fa be taona lavitra kosa i Barbour.

18 Toa nandeha tsara tsy nisy fifandonana ny zavatra rehetra teo amin’ireo lehilahy roa hatreo amin’ny 1878, rehefa namoaka tampoka, tsy misy fampiomanana, lahatsoratra iray nanda ny fampianarana ny amin’ny avotra i Barbour. Toy izao no nitantaran’i Russell ny zava-nitranga: “Atoa Barbour dia nanoratra (...) lahatsoratra iray ho an’ny Ilay mpitondra hafatra maraina, lahatsoratra nandavany ny fampianarana ny amin’ny fanavotana, ka nolaviny ny hoe ny fahafatesan’i Kristy no vidin’ny fanavotana naloa ho an’i Adama sy ny taranany. Nohantitranteriny fa ny fahafatesan’ny Tompontsika dia tsy azo ampiasaina handoavana ny sazin’ny fahotan’ny taranak’olombelona, toy ny tsy hiheveran’ny ray aman-dreny eto an-tany ho onitra mety rehefa manao zavatra ratsy ny zanany, ny fanindronana paingotra ny tenan’ny lalitra iray mba hampijaliana sy hamonoana azy ho faty.”

19. a) Nanao ahoana moa ny fihetsik’i Russell rehefa nanda ny avotra i Barbourỳ b) Tanteraka ve ny firarian’i Russell ny amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana?

19 Nety ho voatarik’ilay mpiara-miasa taminy be taona noho izy hiala tamin’ny fahamarinana i Russell, kanefa tsy nanao izany izy. Nandritra ny volana maromaro, dia nahazo toerana tao amin’ireo pejin’ilay gazety ny fiadian-kevitra: nanda ny avotra i Barbour, fa niaro izany kosa i Russell. Tamin’ny farany i Russell dia nisaraka tanteraka tamin’i Barbour ary nanomboka namoaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona sady Mpitondra hafatra momba ny fanatrehan’i Kristy, mitondra ankehitriny ny anarana hoe Ny Tilikambo Fiambenana. Momba an’io zavatra vita an-tsoratra io, dia izao no nambaran’i Russell: “Raha vao teo am-boalohany io gazety io, dia nitsangana indrindra ho mpiaro ny Avotra; ary, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia manantena izahay fa ho toy izany izy hatramin’ny farany.” Tanteraka ve ny fanirian’i Russell? Izany dia izany tokoa! Araka ny mbola azo vakina ihany ao amin’ny pejy faha-2 amin’ity gazety ity, dia “mamporisika (...) ny mpamaky azy Ny Tilikambo Fiambenana mba hino an’ilay Mpanjaka efa nandray fiandrianana, dia Jesosy Kristy, ilay, tamin’ny nandatsahana ny rany, dia namoha ho an’ny olombelona ny lalan’ny fiainana mandrakizay”.

20. Fanontaniana inona avy moa no mbola tokony hovaliantsika?

20 Tao amin’ity lahatsoratra ity, dia hitantsika fa, araka ny rariny sy noho ny fitiavana ny olombelona, dia nomen’Andriamanitra azy ireo ny fomba hahafahana amin’ny fahotana sy ny fahafatesana nanamelohana azy ireo. Mbola tokony hovaliantsika koa anefa ireto fanontaniana ireto: Ahoana no anomezana ny soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy? Ahoana no azo andraisan-tsoa avy amin’izany, ary rahoviana? Ny lahatsoratra manaraka dia hitondra ho an’ireo fanontaniana ireo, valiny izay tsy maintsy hampiaiky anao bebe kokoa ihany fa rariny avokoa ny lalan’Andriamanitra.

Ahoana no havalinao?

◻ Ahoana moa no fiheveran’Andriamanitra ny rariny?

◻ Nahoana moa no be dia be ny tsy rariny eo amin’izao tontolo izao?

◻ Inona moa no nataon’Andriamanitra mba hanafahana ny olombelona amin’ny fahafatesana?

◻ Nanao ahoana moa ny niarovan’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny avotra?

[Sary, pejy 20]

Tao amin’ny tany lemak’i Moaba no nanononan’i Mosesy ny tonon’ny hirany.

[Sary, pejy 23]

Tia dia tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nomeny ny zanany lahitokana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara