FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Manantenà an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Martsa
    • 13, 14. Amin’iza moa no ametrahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanantenany, ary manosika azy hanao inona moa izany?

      13 Marina fa tsy nisolo an’i Jehovah izay nitoetra ho fanantenan’ny olombelona foana akory Jesosy. Mitahiry ny hasarobidiny rehetra ny Salamo 37:34: “Miandrasa (manantenà, MN ] an’i Jehovah, ka tandremo ny làlany, dia hanandratra anao handova ny tany izy. Ho faly hahita ny hamongorana ny ratsy fanahy hianao.” Ilaintsika àry ny manohy miandry an’i Jehovah sady mamporisika ny olona avy amin’ny firenena rehetra tsy hametraka ny fanantenany intsony amin’ireo fandaminana naorin’olombelona.

  • Manantenà an’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana—1988 | 15 Martsa
    • 16. Nahoana no azo lazaina fa nanana fanantenana mitovy amin’ny an’i Davida i Jesosy?

      16 Davida mpanjaka dia mpiandry ara-panahy izay notendren’i Jehovah hiandry ireo fokon’ny Isiraely fahiny ka nanao izay hahatongavan’i Jerosalema ho ny renivohi-pirenena izy, renivohitra izay nanjakan’i Solomona zanany nandritra ny 40 taona. Ara-drariny tokoa raha nantsoina hoe ny “zanak’i Davida” Jesosy Kristy. (Lioka 1:31; 18:39; 20:41.) Raha nanantena an’i Jehovah Andriamanitra i Davida, dia azo heverina fa hanao toy izany koa ny taranany teto an-tany, Jesosy Kristy, araka ny fifandrindran-kevitra; ary izany no nitranga.

      17. Porofo inona no manamarina fa nanantena an’i Jehovah i Jesosy?

      17 Ny porofo fa nanaraka an’io torohevitra ao amin’ny Salamo 37:34 io ny taranak’i Davida nalaza indrindra, Jesosy Kristy, dia omen’ireo teny notononiny teo ambonin’ny hazo fijaliana talohan’ny nahafatesany: “Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko.” (Lioka 23:46). Teo izy dia nanonona sy nanatanteraka ny teny nataon’i Davida tamin’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 31:5 manao hoe: “Eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko.” Tahaka ny an’i Davida mpanjaka dia tsy diso ny fanantenan’i Jesosy: natsangana tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo izy; efapolo andro tatỳ aoriana dia niverina tany amin’ny Rainy tany an-danitra izy; ary tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, tamin’ny 1914, Jehovah dia nanandratra azy tamin’ny fanaovana azy ho Mpanjakan’ny tany.

      Fanantenana ho an’izao androntsika izao

      18. Nahoana no mety tsara raha manana fanantenana ny olombelona ankehitriny?

      18 Ankehitriny, raha hanomboka ny taona 6014 araka an’izao tontolo izao, fanantenana inona moa no azon’ny fianakavian’olombelona velomina? Koa satria eo amin’ny taonjato 19 atỳ aorian’ny andron’ny Baiboly no misy antsika ary satria efa hatramin’ny ela tokoa no nanoratan’i Davida ny andinin-teny ao amin’ny Salamo 37:34, dia mety tanteraka io fanontaniana io.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara