-
Ankamantatra, Teny Saro-pantarinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
ANKAMANTATRA, TENY SARO-PANTARINA
Filazan-javatra izay tiana hovinanin’ny hafa ny “ankamantatra.” Mety ho azo adika koa hoe “teny saro-pantarina” na “fanontaniana saro-baliana” ny teny hebreo niavian’izy io. (Ampit. Da 8:23.) Mifanohitra amin’ny teny mivantana sy mora azo izy io. (No 12:8) Mifanitsy amin’ny hoe “oha-teny” ny ‘ankamantatra’ indraindray, satria mety hisy heviny lalina saingy tsy lazaina mivantana. (Sl 49:4) Natao koa hoe “fanontaniana saro-baliana” ny teny hebreo nadika hoe “ankamantatra.” (2Ta 9:1) Mila hakingan-tsaina ny fanaovana ankamantatra, izay misy fampitoviana marina tsara saingy tsy lazaina mivantana matetika. Mila hita koa ny ifandraisan’ireo zavatra resahina, vao hay ny valiny. Ny olon-kendry àry no manao ankamantatra ary izay mahira-tsaina no mahazo ny heviny, hoy ny Baiboly.—Oh 1:5, 6.
-
-
Fahiratan-tsainaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Milaza ny Ohabolana 1:1-6 fa “ny mahira-tsaina no mahazo tari-dalana tsara, mba hahazoana ny dikan’ny ohabolana, sy ny teny saro-takarina, ary ny tenin’olon-kendry sy ny ankamantatra ataony.” Tsy teny na ankamantatra fanaon’ny olona tsy manan-katao sy mandany andro fotsiny izany, satria tsy mandany fotoana amin’izany ny olon-kendry. Tsy maintsy ho teny na ankamantatra ianaran-javatra kosa izany, ary koa fanontaniana sy zava-tsarotra mamolavola ny saina sy ny fo mba hanarahana fitsipika marina, ka manome fahendrena hiatrehana ny hoavy. (Ampit. Sl 49:3, 4.) Ho lasa hendry ny olona iray raha sady manam-pahalalana no mahira-tsaina. “Zava-dehibe indrindra” ny fahendrena, izay tsy inona fa ny fahaizana mampiasa fahalalana sy fahiratan-tsaina mba hahaizana hamaha olana. (Oh 4:7) Tsy tsara raha noho ny fitia te hahalala zavatra fotsiny na te hisongadina no mahatonga ny olona ho te hahira-tsaina. Tsara kosa izany raha noho ny faniriana ho hendry amin’izay atao. ‘Eo anatrehany ny fahendrena’ amin’izay. (Oh 17:24; jereo FAHENDRENA.) Hafa izy fa tsy toy ny olona tamin’ny andron’ny apostoly Paoly. Nilaza ny tenany ho mpampianatra ireny olona ireny, nefa ‘nieboebo’, ‘tsy nahalala na inona na inona’, ary tsy nanam-pahendrena fa “adalam-panontaniana sy adihevitra momba ny teny”, ka nampisara-bazana sy nitondra loza isan-karazany.—1Ti 6:3-5.
-