Manana Antony Hanaovana Hiakam-pifaliana Isika
“Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.” — ISAIA 35:10.
1. Iza amin’izao andro izao no manana antony manokana hifaliana?
AZO inoana fa voamarikao hoe olom-bitsy no manana tena fifaliana ankehitriny. Kanefa, amin’ny maha-Kristiana marina azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manana fifaliana. Ary ny fahatsinjovana ny hahazo fifaliana mitovy amin’izany, dia mivelatra eo anoloan’ireo olona an-tapitrisany maro fanampiny mbola tsy vita batisa, tanora sy antitra, izay miaraka amin’ny Vavolombelona. Ny famakianao amin’izao fotoana izao ireo teny ireo, ato amin’itỳ gazety itỳ, dia manambara fa efa anananao sahady io fifaliana io, na efa tsy lavitra anao intsony.
2. Ahoana no ifanoheran’ny fifaliana kristiana amin’ny toe-javatra ankapobeny misy ny ankamaroan’ny olona?
2 Tsapan’ny ankamaroan’ny olona fa misy zavatra banga eo amin’ny fiainany. Ahoana ny aminao? Marina fa mety tsy hanana ny fitaovana rehetra mety ho azonao ampiasaina ianao, azo antoka fa tsy izay zavatra rehetra ananan’ireo mpanan-karena sy mahery amin’izao andro izao. Ary mety ho tianao ny hanana betsaka kokoa raha ny amin’ny fahasalamana tsara sy ny tanjaka. Azo atao tsara anefa ny milaza fa raha ny amin’ny fifaliana, dia manana izany betsaka kokoa sy miroborobo kokoa noho ny ankamaroan’ireo olona an’arivo tapitrisany maro eto an-tany ianao. Amin’ny ahoana?
3. Teny feno heviny inona avy no mendrika ny fitandremantsika, ary nahoana?
3 Tsarovy ny tenin’i Jesosy hoe: “Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka [hatao feno ny fifalianareo, NW ].” (Jaona 15:11). “Hatao feno ny fifalianareo.” Filazalazana re izany! Ny fandinihana lalina ny fomba fiaina kristiana dia hampiharihary antony maro hahatonga ny fifaliantsika ho feno. Dieny izao anefa dia mariho ireo teny feno heviny ao amin’ny Isaia 35:10. Feno heviny izy ireo satria misy ifandraisany betsaka amintsika amin’izao andro izao. Izao no vakintsika: “Ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny [hiakam-pifaliana, NW ], ary ny fifaliana [hatramin’ny fotoana tsy voafetra, NW ] no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.”
4. Karazana fifaliana inona no voalaza ao amin’ny Isaia 35:10, ary nahoana no tokony hanehoantsika fitandremana izany?
4 “Fifaliana hatramin’ny fotoana tsy voafetra.” Ny fitenenana hoe “hatramin’ny fotoana tsy voafetra” dia fandikana araka ny marina izay nosoratan’i Isaia tamin’ny teny hebreo. Araka ny hamafisin’ny andinin-teny hafa anefa, ny hevi-dehibe ao amin’io andininy io dia ny hoe “mandrakizay”. (Salamo 45:6; 90:2; Isaia 40:28). Koa tsy hisy farany àry ny fifaliana, ao anatin’ny toe-piainana izay hamela — eny, hanamarina — ny fifaliana mandrakizay. Tsy maharavoravo ve izany? Manaitra anao toy ny resaka momba ny tarehin-javatra iray izay teoria fotsiny angamba anefa io andininy io, ka mahatonga anao hieritreritra hoe: ‘Tsy mahakasika ahy izany, raha ny marina, tahaka ny ikasihan’ireo zava-manahirana ahy sy ireo fanahiako isan’andro.’ Manaporofo ny mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy. Misy heviny ho anao amin’izao andro izao ilay fampanantenana ara-paminaniana ao amin’ny Isaia 35:10. Mba hahitana hoe amin’ny fomba ahoana, dia aoka hodinihintsika io toko kanto io, dia ny Isaia 35, amin’ny fanamarihana ny tapany tsirairay ao amin’ny teny manodidina azy. Aoka ianao hahazo antoka fa hahafaly anao izay ho hitantsika ao.
Vahoaka izay nila ny hifaly
5. Zava-nitranga ara-tantara inona no ahitana ilay faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-35?
5 Mba hanampiana antsika, dia aoka isika hijery ny fanazavana, ny zava-nitranga ara-tantara, nahakasika io faminaniana mambabo ny fo aman-tsaina io. Tokony ho tany amin’ny 732 al.f.i. no nanoratan’i Isaia, mpaminany hebreo, azy io. Izany dia am-polony taona maro talohan’ny nandravan’ny tafika babyloniana an’i Jerosalema. Araka ny tondroin’ny Isaia 34:1, 2, Andriamanitra dia efa nanambara mialoha fa handeha hampihatra famaliana tamin’ireo firenena izy, anisan’izany i Edoma, voatonona ao amin’ny Isaia 34:6. Miharihary fa nampiasa ny Babyloniana fahiny mba hanao izany izy. Tahaka izany koa fa nataon’Andriamanitra izay hanaovan’ny Babyloniana an’i Joda ho lao, satria tsy nahatoky ireo Jiosy. Ny vokany? Nentina ho babo ny vahoakan’Andriamanitra, ary lao nandritra ny 70 taona ny tanindrazan’izy ireo. — 2 Tantara 36:15-21.
6. Fifanoheran-javatra inona no misy eo amin’izay nitranga tamin’ny Edomita sy izay nitranga tamin’ny Jiosy?
6 Kanefa, misy tsy fitoviana lehibe amin’ny Edomita sy ny Jiosy. Ny vokatry ny famalian’Andriamanitra ny Edomita dia naharitra; tamin’ny farany, dia nanjavona tamin’ny naha-vahoaka, izy ireo. Eny, mbola afaka mitsidika ireo sisan-javatra rava any amin’ilay faritra nipetrahan’ny Edomita taloha ianao, toy ireo sisa tavela tamin’i Petra malaza maneran-tany. Amin’izao andro izao anefa, dia tsy misy firenena na vahoaka fantatra ho ‘ny Edomita’. Etsy an-danin’izany, ny nanaovan’ny Babyloniana an’i Joda ho lao ve tokony haharitra mandrakizay, ka hamela ilay tany tsy hisy fifaliana mandrakizay?
7. Ahoana no mety ho fihetsik’ireo Jiosy babo tany Babylona nanoloana ny Isaia toko faha-35?
7 Eto dia misy heviny mampientana ilay faminaniana mahatalanjona ao amin’ny Isaia toko faha-35. Azo antsoina izy io hoe faminaniana momba ny famerenana any amin’ny taniny, satria ny fahatanterahany voalohany dia fony niverina tany amin’ny tanindrazany ireo Jiosy tamin’ny 537 al.f.i. Nomena fahafahana hiverina tany amin’ny tanindrazany ireo Isiraelita babo tany Babylona. (Ezra 1:1-11). Kanefa, mandra-pahatongan’izany, ireo Jiosy babo tany Babylona izay nandinika an’io faminaniana avy tamin’Andriamanitra io, dia nety ho nanontany tena hoe karazana toe-piainana manao ahoana no ho hitan’izy ireo tany Joda tanindrazany. Ary toe-piainana manao ahoana no hiainan’ny tenan’izy ireo? Ny valiny dia miompana mivantana amin’ny tena antony marina ananantsika mba hanaovana hiakam-pifaliana. Aoka hojerentsika.
8. Toe-piainana manao ahoana avy no ho hitan’ny Jiosy rehefa niverina avy tany Babylona izy ireo? (Ampitahao amin’ny Ezekiela 19:3-6; Hosea 13:8.)
8 Ny tarehin-javatra dia azo antoka fa toa tsy naha-be fanantenana ho an’ireo Jiosy, na dia rehefa reny aza fa afaka niverina tany an-tanindrazany izy. Ny taniny dia lao nandritra ny fitopolo taona, androm-piainana iray manontolo. Inona no ho nanjo an’ilay tany? Izay saha, na tanimboaloboka, na saha nisy hazo fihinam-boa voavoly rehetra dia ho efa nanjary efitra. Ny zaridaina, na tany namboarina ho azon-drano, dia efa ho nanjary tany ngazana karakaina na efitra. (Isaia 24:1, 4; 33:9; Ezekiela 6:14). Eritrereto koa ireo biby dia hihahohaho. Ho anisan’izany ireo mpihinana nofom-biby toy ny liona sy ny leoparda. (1 Mpanjaka 13:24-28; 2 Mpanjaka 17:25, 26; Tonon-kiran’i Solomona 4:8). Ary tsy ho azon’izy ireo hadinoina koa ireo bera, izay afaka nanjera lehilahy, vehivavy na ankizy. (1 Samoela 17:34-37; 2 Mpanjaka 2:24; Ohabolana 17:12). Ary tsy ilaintsika akory ny hanononana ny menarana sy ny bibilava misy poizina hafa, na ny maingoka. (Genesisy 49:17; Deoteronomia 32:33; Joba 20:16; Salamo 58:4; 140:3; Lioka 10:19). Raha niaraka tamin’ireo Jiosy niverina avy tany Babylona ianao tamin’ny 537 al.f.i., dia angamba ho nisalasala ny handehandeha tao amin’ny faritra iray toy izany. Tsy paradisa velively izy io fony tonga izy ireo.
9. Inona no antony niorenan’ny fanantenana sy ny fatokiana nananan’ireo olona tafaverina?
9 Na dia izany aza, dia i Jehovah mihitsy no nitarika ireo mpivavaka taminy hody, ary izy dia manana ny fahaizana hampitsimbadika tanteraka tarehin-javatra lao iray. Tsy mino ve ianao fa afaka manao izany ny Mpamorona? (Joba 42:2; Jeremia 32:17, 21, 27, 37, 41). Koa inona àry no hataony — inona no efa nataony — ho an’ireo Jiosy niverina sy ho an’ny taniny? Inona no akon’izany eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro maoderina izao, sy eo amin’ny tarehin-javatra misy anao — ankehitriny sy amin’ny ho avy? Aoka hojerentsika aloha ny zava-nitranga tamin’izay fotoana izay.
Falifaly noho ny tarehin-javatra niova
10. Fiovana inona no nambaran’ny Isaia 35:1, 2 mialoha?
10 Inona no hitranga rehefa navelan’i Kyrosy hiverina tany amin’io tany tsy nahatamana io ireo Jiosy? Vakio ilay faminaniana mampientam-po ao amin’ny Isaia 35:1, 2: “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia. Mamony be dia be izy, eny, mifaly sy mihoby izy, ny voninahitr’i Libanona dia homena azy mbamin’ny hatsaran-tarehin’i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr’i Jehovah izy sy ny famirapiratan’Andriamanitsika.”
11. Ny amin’ny fahalalana inona momba ilay tany no nampiasain’i Isaia?
11 Tamin’ny andron’ny Baiboly, i Libanona sy i Karmela ary i Sarôna dia nalaza noho ny hakantony maitso mavana. (1 Tantara 5:16; 27:29; 2 Tantara 26:10; Tonon-kiran’i Solomona 2:1; 4:15; Hosea 14:5-7). Nampiasain’i Isaia ireo ohatra ireo mba hilazalazana hoe ho toy inona ilay tany voaova, noho ny fanampian’Andriamanitra. Vokany teo amin’ny tany ara-bakiteny fotsiny ve anefa izany? Azo antoka fa tsia!
12. Nahoana isika no afaka milaza fa mifantoka amin’ny olona ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-35?
12 Ny Isaia 35:2 dia miresaka momba ny tany ho “mifaly sy mihoby”. Fantatsika fa ny tany sy ny zavamaniry dia tsy ‘nifaly’ ara-bakiteny. Kanefa kosa, ny fanovana azy ireo ho tonga lonaka sy mahavokatra dia ho afaka hahatonga ny olona hahatsapa ho toy izany. (Levitikosy 23:37-40; Deoteronomia 16:15; Salamo 126:5, 6; Isaia 16:10; Jeremia 25:30; 48:33). Ireo fiovana ara-bakiteny teo amin’ilay tany mihitsy, dia hifanitsy amin’ireo fiovana eo amin’ny olona, satria ny olona no ifantohan’io faminaniana io. Noho izany, isika dia manana antony hahazoana ny hevitr’ireo tenin’i Isaia ho mifantoka voalohany indrindra amin’ireo fiovana teo amin’ireo Jiosy tafaverina, indrindra fa ny fihobian’izy ireo.
13, 14. Fiovana inona teo amin’ny olona no nambaran’ny Isaia 35:3, 4 mialoha?
13 Mifanaraka amin’izany, dia aoka hodinihintsika bebe kokoa ny amin’io faminaniana mandrisika io mba hahitana ny fomba nahatanterahany taorian’ny fanafahana sy ny fiverenan’ny Jiosy avy tany Babylona. Eo amin’ny Isaia 35 andininy faha-3 sy faha-4, i Isaia dia miresaka momba ny fiovana hafa teo amin’ireo olona tafaverina ireo: “Ampaherezonareo ny tànana [malemy, NW ], ary hatanjaho ny lohalika [mangozohozo, NW ]. Lazao amin’izay [mitebiteby, NW ] am-po hoe: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian’Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.”
14 Moa ve tsy manatanjaka antsika ny fieritreretana fa ilay Andriamanitsika, izay afaka nampitsimbadika tanteraka ny toe-piainana laon’ilay tany, dia vao mainka mihevitra aoka izany an’ireo mpivavaka aminy? Tsy naniry an’ireo Jiosy babo hahatsapa ho malemy, ho kivy, na hitebiteby momba ny hoavy izy. (Hebreo 12:12). Eritrereto ny amin’ny toe-piainana nisy an’ireo Jiosy babo. Ankoatra izay fanantenana azon’izy ireo notovozina tao amin’ireo faminaniana momba ny hoaviny nomen’Andriamanitra, dia ho sarotra tamin’izy ireo ny nijery lafy tsaran-javatra. Toy ny hoe tao anaty fonja iray maizina izy ireo, ka tsy afaka nihetsika sy nanao zavatra teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Nety ho toa tsy nisy fahazavana nanangasanga mihitsy tamin’izy ireo. — Ampitahao amin’ny Deoteronomia 28:29; Isaia 59:10.
15, 16. a) Inona no mety ho famaranan-kevitsika raha ny amin’izay nataon’i Jehovah ho an’ireo olona tafaverina? b) Nahoana ireo olona tafaverina no tsy ho nanantena fanasitranana ara-batana mahagaga, kanefa inona no nataon’Andriamanitra nifanaraka tamin’ny Isaia 35:5, 6?
15 Niova toy inona moa anefa izany, rehefa nataon’i Jehovah izay hanafahan’i Kyrosy azy ireo mba hiverina hody! Tsy misy porofo ara-baiboly milaza fa Andriamanitra dia nampisokatra tamin’ny alalan’ny fahagagana, ny maso jamban’ireo Jiosy niverina, nampahalady ny sofin’ireo marenina, na nanasitrana ny mandringa rehetra na ny rantsambatana tsy nisy rehetra. Kanefa, tena nanao zavatra mbola lehibe lavitra tokoa, izy. Namerina azy ireo ho amin’ny fahazavana sy ny fahafahan’ilay tany mamin’izy ireo, izy.
16 Tsy misy na inona na inona manambara fa ireo olona tafaverina dia nanantena ny hanaovan’i Jehovah fanasitranana ara-batana mahagaga toy izany. Tsy maintsy ho takany fa tsy nanao toy izany tamin’i Isaka, i Samsona, na i Ely, Andriamanitra. (Genesisy 27:1; Mpitsara 16:21, 26-30; 1 Samoela 3:2-8; 4:15). Raha nantenain’izy ireo anefa ny hampitsimbadihan’Andriamanitra tanteraka ny toe-piainana nisy azy ireo, tamin’ny heviny ara-panoharana, dia tsy diso fanantenana izy ireo. Azo antoka fa tamin’ny heviny ara-panoharana no tena nahatanterahan’ny Isaia 35 andininy faha-5 sy faha-6. Araka ny marina no nanambaran’i Isaia mialoha hoe: “Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”.
Fanaovana ilay tany ho toy ny paradisa
17. Fiovana ara-batana inona avy no niharihary fa nataon’i Jehovah?
17 Ireo olona tafaverina ireo dia azo antoka fa nanana antony hanaovana hiakam-pifaliana noho ireo toe-piainana toy izay nolazalazain’i Isaia nanaraka izany, nanao hoe: “Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin’ny tany karankaina. Ny alonalona mitarehin-drano dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; ny fonenana izay amitsahan’ny amboadia dia haniry volotara sy zozoro.” (Isaia 35:6b, 7). Na dia mety tsy ho hitantsika ao amin’ilay faritra manontolo aza izany, amin’izao andro izao, ny porofo dia toa milaza fa ilay faritra nisy an’i Joda fahiny dia “paradisa tena fanaperana”.a
18. Ahoana no azo inoana fa ho nandraisan’ireo Jiosy tafaverina, ny fitahian’i Jehovah?
18 Raha ny amin’ireo antony niteraka fifaliana, dia eritrereto hoe inona no tsy maintsy ho tsapan’ireo sisa tamin’ny Jiosy, rehefa tafaverina an-tanindrazana tao amin’ilay Tany Nampanantenaina izy ireo! Nanana fahafahana izy ireo haka ilay tany ngazana nonenan’ny amboadia sy ny biby hafa toy izany, sy hanova azy io. Moa ve ianao tsy ho nahita fifaliana tamin’ny fanaovana asa famerenana amin’ny laoniny toy izany, indrindra raha fantatrao fa nomban’Andriamanitra ny fiezahanao?
19. Tamin’ny heviny ahoana no hoe nisy fepetra ny fiverenana avy tamin’ny fahababoana babyloniana?
19 Tsy natao ho an’izay Jiosy rehetra babo tany Babylona fotsiny anefa ny ho afaka, na ho tena hiverina mba handray anjara tamin’izany asa fanovana nahafaly izany. Andriamanitra no nametraka ny fepetra. Tsy nisy na iza na iza voaloton’ny fanao ara-pivavahana babyloniana, sy avy tamin’ny fanompoan-tsampy, nanana zo hiverina. (Daniela 5:1, 4, 22, 23; Isaia 52:11). Toy izany koa izay rehetra nanaraka tamin-kadalana lalana tsy nampiseho fahendrena. Izay rehetra toy izany dia tsy nahafeno fepetra. Etsy an-danin’izany, ireo izay nahafeno ireo fari-pitsipik’Andriamanitra, ka noheveriny fa masina, amin’ny heviny voafetra ihany, dia ho afaka hiverina tany Joda. Afaka nanao ilay dia izy ireo, toy ny hoe amin’ny Lalan’ny Fahamasinana. Nohazavain’i Isaia tsara izany eo amin’ny Isaia 35 andininy faha-8, manao hoe: “Hisy làlambe any, dia làlana voavoatra, izay hatao hoe Làlan’ny fahamasinana; tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azy, ka izay mandeha amin’ny làlana dia tsy ho diso any, [ary tsy hisy olona miadaladala handehandeha eo aminy, NW ]”.
20. Inona no tsy nilain’ny Jiosy hatahorana rehefa niverina izy ireo, ka niafara tamin’inona izany?
20 Tsy nila ny hatahotra ny fanafihan’ny olona toy ny biby na ny andiana mpandroba ireo Jiosy niverina. Nahoana? Satria i Jehovah dia tsy hamela ny olona toy izany ho eo amin’io Lalana io, hiaraka amin’ilay vahoaka navotany. Koa ho afaka hanao ny dia, amin’ny fijerena lafy tsaran-javatra mahafaly sy fahatsinjovan-javatra mahasambatra àry izy ireo. Mariho ny fomba nilazalazan’i Isaia izany teo am-pamaranana io faminaniana io: “Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran’ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; fa ny navotana no handia azy. Eny, ny navotan’i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ny [hiakam-pifaliana, NW ], ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.” — Isaia 35:9, 10.
21. Ahoana no tokony hiheverantsika amin’izao andro izao ny fahatanterahan’ny Isaia toko faha-35, izay efa nitranga?
21 Sary ara-paminaniana toy inona moa no ananantsika eto! Tsy tokony hoheverintsika ho toy ny firesahana momba ny tantara efa lasa fotsiny anefa izy io, toy ny hoe fitantarana iray mahafinaritra izay tsy misy ifandraisany firy amin’ny tarehin-javatra misy antsika na ny hoavintsika. Ny zava-misy dia hoe manana fahatanterahany mahagaga eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra io faminaniana io amin’izao andro izao, koa tena mahakasika antsika tsirairay avy marina àry izy io. Manome antsika antony marim-pototra hanaovana hiakam-pifaliana izy io. Ireo lafiny mahakasika ny fiainanao ankehitriny sy amin’ny ho avy ireo, no hofakafakaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Vokatry ny fandinihany tsara an’ilay faritra, i Walter C. Lowdermilk, manam-pahaizana momba ny fambolena, (misolo tena ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena) dia nanao izao famaranan-kevitra izao: “Io tany io fahiny dia paradisa tena fanaperana iray.” Nambarany koa fa tsy niova tamin’ny fomba niavaka ny toe-tany tao, “hatramin’ny andron’ny Romana” ary “ny ‘efitra’ izay naka ny toeran’ilay tany niroborobo fahiny, dia asan’ny olombelona, fa tsy an’ny natiora”.
Tadidinao Ve?
◻ Oviana no nahatanterahan’ny Isaia toko faha-35 voalohany?
◻ Inona no ho akon’ny fahatanterahana voalohan’ilay faminaniana?
◻ Ahoana no nanatanterahan’i Jehovah ny Isaia 35:5, 6?
◻ Fiovana inona avy tao amin’ilay tany sy tamin’ny tarehin-javatra niainan’izy ireo, no hitan’ireo Jiosy tafaverina?
[Sary, pejy 9]
Ireo sisan-javatra rava tamin’i Petra, ao amin’ny faritra nipetrahan’ny Edomita fahiny
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbandian
[Sary, pejy 10]
Fony natao sesitany ny Jiosy, ny tapany lehibe tamin’i Joda dia nanjary toy ny efitra, feno biby dia masiaka nihahohaho toy ny bera sy ny liona
[Sary nahazoan-dalana]
Garo Nalbandian
Bera sy Liona: Safari-Zoo of Ramat-Gan, Tel Aviv