VOROMAHERY
[Heb.: nesher; aram.: neshar; gr.: aetôs].
Vorona lehibe mpihaza. Mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “mamiravira na mandrotidrotika” ilay hoe nesher (heb.), hoy ny sasany. Ny hafa indray milaza fa “tsela-pahazavana” na “feo mifofofofo” no dikany, ka ilazana vorona mifofofofo midina hifaoka ny hazany. Toy ny feon-drivotra mifofofofo mantsy ny fanononana ny hoe nesher. Na inona na inona dikany, dia mahalaza tsara ny voromahery ilay teny hebreo. Haingana toy ny tselatra tokoa ny fanidiny avy eny amin’ny toerana avo, ka mifofofofo ny rivotra mandalo eo anelanelan’ny volon’elany (ny tendrony sy ny sisiny ambany rehetra) mivelatra. Vorona mpihaza sy mpisotro ra ny voromahery (Jb 39:27, 30), ary anisan’ny vorona “maloto”, hoy ny Lalàn’i Mosesy.—Le 11:13; De 14:12.
Karazany any Palestina. Anisan’ny voromahery misy any Israely ny voromaherin’ny mpanjaka (Aquila heliaca), ny voromahery mivolombolamena (Aquila chrysaëtos), ary ny voromahery fohy rantsantongotra (Circaëtus gallicus). Antsoina hoe mivolombolamena ilay iray, noho ny lokon’ny lohany sy hatony. Mivolontsôkôlà ny vatany, izay tokotokony ho 1 m ny lavany, ary 2 m eo ho eo ny elany raha mivelatra. Lehibe ny lohan’ny voromahery, misy mivohitra kely eo ambony masony, fohy sy mafy ary mifaingoka ny vavany, matanjaka ny tongony, ary maranitra sy mafy ny hohony.
Mitombina ve ilay sarin-teny hoe ‘entina amin’ny elatry ny voromahery’?
“Tanin’ny voromahery” ny faritr’i Sinay, izay ahitana vorona manana elatra matanjaka sy lehibe, misonenika eny ambony eny. Nazava tsara tamin’ireo Israelita tafavory teo an-tendrombohitra Sinay àry ny tian’Andriamanitra holazaina, rehefa nilaza Izy fa nentiny niala tany Ejipta “tamin’ny elatry ny voromahery” izy ireo. (Ek 19:4; ampit. Ap 12:14.) Nilaza i Mosesy efa ho 40 taona tatỳ aoriana fa rehefa nitarika ny Israely tany an-tany efitra i Jehovah, dia toy ny voromahery “manaitaitra an’izay ao amin’ny akaniny, ka manidintsidina eo ambonin’ny zanany kely, sy mamelatra ny elany ka mandray azy ireo, ary mitondra azy ireo eo ambony elany.” (De 32:9-12) Taitairin’ny voromahery tokoa ny zanany rehefa afaka manidina, akopakopany ny elany mba handrisihana azy ireo, ary atosiny na taominy hivoaka an’ilay akany izy ireo mba hanandrana hanidina.
Misy tsy mino hoe mitondra ny zanany eo andamosiny ny voromahery. Nilaza toy izao momba ny voromahery mivolombolamena anefa ny mpitari-dalana iray tany Ekosy, hoy Atoa W. Thomas: “Misidina eo ambanin’ny zanany ireo vorona rehefa avy nampirisika na nanosika azy hanidina, ary avelany hipetraka vetivety eo ambony elany sy lamosiny izy io.” (Tontolo Ambanivohitra any Angletera, Londres, 1934, p. 135) Hoy koa ny mpandinika iray tany Etazonia: “Ao amin’ny akany eny amin’ny harambato ilay zanany no raisin’ny reniny, ary alatsany any amin’ny 30 m any ho any angamba. Misidina eo ambaniny izy avy eo sady velariny ny elany, ka tantazany eo andamosiny ilay zanany. Entiny manidina mankeny an-tampony indray ilay zanany, ary averiny indray ilay teo. ... Variana be izahay sy Dada nandinika azy ireo nandritra ny adiny iray mahery.” (Gazety navoakan’ny Fikambanana Naorin’i Smithson, 1937, No. 167, p. 302) Hoy àry i G. Driver: “Tsy noforomporonina ilay sarin-teny [resahin’ny Deoteronomia 32:11], fa tena mitombina.”—Gazety Momba An’i Palestina, Londres, 1958, p. 56, 57.
Manao akany avo be ary mahatazan-davitra. Miresaka ny toerana fanaovan’ny voromahery akany ny fanontanian’Andriamanitra tamin’i Joba. (Jb 39:27-30) Mety ho eny ambony hazo mijoalajoala izy io, na eny an-tampon’ny harambato na hantsana. Mety hahatratra 2 m ny haavony afaka taona maro, ary misy aza milanja 1 taonina! Toa voaro tsara sy sarotra takarina toy ny akanim-boromahery, hoy ny mpaminany, ny fanjakan’i Edoma nirehareha izay tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Araba.—Je 49:16; Ob 3, 4.
Mahatazan-davitra ny voromahery. (Jb 39:29) Nanamafy izany i Rutherford Platt ary nilaza fa hafakely ny firafitry ny masony (porofo izany fa tena hendry ny Mpamorona azy). Hoy ilay bokiny hoe Ny Reniranon’ny Fiainana (1956, p. 215, 216):
“Ny mason’ny voromahery sy vaotoro ary firasa ... no miavaka indrindra amin’ny mason’ny biby rehetra. Matsilo be ny mason’ireny satria mahatazana ny eny ambany, hatrany amin’ny 300 m eo ho eo. Tazany na dia ny bitro sy akoholahinala anaty bozaka aza.
“Matsilo be ny mason’ny vorona mpihaza satria mipaka eo amin’ny sela maro kitsoloha mitambatra, izay toy ny teboka bitika iray ao ambadiky ny anakandriamasony, ny taratry ny zavatra jereny. Hafakely ny fomba andraisan’ireo sela an’arivony ireo ny tara-pahazavana avy amin’izay jeren’ilay vorona, ka lasa misy sary mazava tsara ao an-tsainy. Ampy io teboka io ho an’ny ankamaroan’ny mpihaza, toy ny karazana jaboady sy sakadia ary ny olona. Mijery mahitsy isika ary tonga dia manatona an’ilay zavatra jerentsika. Tsy hoatr’izany kosa no ataon’ny voromahery na firasa mibanjina bitro anaty bozaka. Mety hanidina misompirana lavidavitra izy rehefa manatona an’ilay biby, ka lasa mivezivezy tsy mizotra mahitsy ao ambadiky ny anakandriamasony ny sarin’izy io. Mety tsara amin’ny mason’ny voromahery izany fizotra izany, satria miendrika V ireo sela kitsoloha mitambatra ao ambadiky ny anakandriamasony. Hitany tsara foana àry ilay bitro anaty bozaka, rehefa midina haingana be izy.”—Ampit. Je 49:22.
Fomba fanidiny. Voaresaka imbetsaka fa haingam-pandeha ny voromahery. (2Sa 1:23; Je 4:13; Ft 4:19; Ha 1:8) Misy aza, hono, mahavita 130 km/ora mahery. Nilaza i Solomona fa “maniry elatra” toy ny an’ny voromahery eny amin’ny lanitra ny harena. (Oh 23:4, 5) Mandeha haingana toy ny voromahery mitady sakafo kosa, hoy i Joba, ny androm-piainan’ny olona. (Jb 9:25, 26) Mahazo hery anefa ireo matoky an’i Jehovah, ka toy ny hoe manana ela-boromahery hanidinana sady tsy mety reraka.—Is 40:31.
Nahavariana an’ilay nanoratra ny Ohabolana 30:19 “ny lalan’ny voromahery eny amin’ny lanitra.” Mahavariana ny mpahay siansa ankehitriny koa izany. “Manampy hahalalana ny fiasan’ny atmosfera ao amin’ny faritra iray” ny fandinihana ny fanidin’ny voromahery sy firasa ary vaotoro, izay misonenika erỳ manidina miakatra, hoy i Clarence Cone, zanany. Nohazavainy fa mampiasa be dia be ny tosiky ny rivotra mafana mibosesika miakatra avy amin’ny tany (vokatry ny hafanan’ny masoandro) ireny vorona lehibe ireny. Mivoaka amin’ny tendron’ny volon’elany be elanelany ny rivotra, hoy izy, ka izany no ahafahany miakatra.—Amerikanina Siantifika, Aprily 1962, p. 131, 138.
Heviny an’ohatra. Noharin’ny mpaminany tamin’io vorona mpihaza mahery io matetika, ny tafiky ny firenena fahavalo izay nanafika tampoka. (De 28:49-51; Je 48:40; 49:22; Ho 8:1) Voromahery koa no nilazana ny mpitondra tany Babylona sy Ejipta. (Ezk 17:3, 7) Nisy sarina voromahery ny tehim-panjakana sy saina ary tsangambaton’ny firenena fahiny maro, toa an’i Asyria sy Persa ary Roma. Mampiasa sarina voromahery koa i Alemaina sy Etazonia ary ny firenen-kafa izao.
Misy milaza fa tokony ho vaotoro, fa tsy “voromahery”, ilay resahin’ny Matio 24:28 sy Lioka 17:37 hoe hiangona hanodidina faty. Mety hihinana faty anefa ny voromahery, na dia tsy vorona mpihinana fatim-biby toy ny vaotoro aza. (Gazety Momba An’i Palestina, 1955, p. 9) Mihaza irery koa izy mazàna fa tsy miaraka maro toy ny vaotoro, nefa mety hihaza tsiroaroa ihany. “Nitambaran’ny voromahery maromaro ny antilopa iray”, indray mandeha, hoy Ny Tontolon’ny Biby. (Nataon’i F. Drimmer, 1954, Boky II, p. 965) Naminany momba ny ‘fanatrehany’ koa i Jesosy ao amin’ny Matio 24:28 sy Lioka 17:37. Tsy ny tafika romanina izay nitondra saina misy sarina voromahery ary nandringana ny Jiosy tamin’ny taona 70 fotsiny àry no noresahiny.
Voalaza fa manana tarehim-boromahery ireo zavamananaina manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sy manambara ny didim-pitsarany ho an’ny etỳ an-tany. Midika izany fa haingam-pandeha sy mahatsinjo lavitra izy ireo.—Ap 4:7; 8:13; ampit. Ezk 1:10; 10:14.
Hoy ny Mika 1:16: ‘Hohalehibeazin’ny Israely toy ny an’ny voromahery ny sola eo amin’ny lohany.’ Manam-pahaizana maro koa no milaza fa vaotoro no tokony ho eo, fa tsy voromahery. Be volo tokoa ny lohan’ny voromahery. Na ilay “voromahery sola” any Amerika Avaratra aza tsy tena sola, fa fotsy ny volon-dohany ka hoatran’ny hoe sola izy rehefa tazanin-davitra. Ny vaotoro mivolontsôkôlà somary mavo (Gyps fulvus), izay mbola misy any Israely, indray misy volo malefaka fotsy vitsivitsy ny lohany ary zara raha misy volo ny tendany. Raha io no resahin’ilay andininy, dia manana heviny hafa ankoatra ny hoe voromahery ny hoe nesher. Tsara homarihina fa anisan’ny fianakaviambe iray (Accipitridae) amin’ny voromahery io vaotoro io, na dia tsy sokajin’ny manam-pahaizana ho iray “karazana” amin’ny voromahery aza. Misy indray milaza fa voromahery mihintsam-bolo ary misolo volo vaovao no resahin’ny Mika 1:16. Miandalana sy tsy dia hita anefa ny fiofoana toy izany. Tsy mihetsika firy sady mihakely hery ny voromahery rehefa miofo, nefa mihamatanjaka toy ny teo aloha indray avy eo. Izany angamba no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘mihavao toy ny an’ny voromahery’ ny fahatanorana. (Sl 103:5) Ny hafa kosa mihevitra fa ny halavan’ny androm-piainan’ny voromahery no resahina eo. Misy velona 80 taona mantsy izy ireny.
Voromahery no dikan’ny hoe Akoila (As 18:2) amin’ny teny latinina.