-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
28, 29. a) Ahoana no nampahatsiahivan’i Jehovah ny vahoakany fa hanampy an’ireo reraka izy? b) Ohatra inona no nampiasaina mba hampisehoana fa manome hery ny mpanompony i Jehovah?
28 Nanohy nampahery an’ireo Jiosy kivy tany an-tsesitany, tamin’ny alalan’i Isaia, i Jehovah. “Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be. Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy; fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; handeha izy, nefa tsy ho reraka.”—Isaia 40:29-31.
29 Rehefa niresaka momba ny ilana hanomezana hery ny reraka i Jehovah, dia mety ho nieritreritra momba ilay dia mafy dia mafy tsy maintsy hataon’ireo tany an-tsesitany, mba hiverenana hody. Nampahatsiahy ny vahoakany i Jehovah fa fanaony mampiavaka azy ny manampy an’ireo sasatra izay mitodika any aminy mba hahazoana fanohanana. Na dia ireo mavitrika indrindra eo amin’ny olombelona—ny “tanora” sy ny “zatovo”—aza dia mety hanjary ho lanaky ny hasasarana na ho potraka noho ny hatrotrahana. Kanefa nampanantena i Jehovah fa hanome hery—hery tsy mety ritra mba hihazakazahana sy handehanana an-tongotra—an’ireo izay nitoky taminy. Ny fanidin’ny voromahery, izay vorona matanjaka afaka manidina ambony be mandritra ny ora maro, nefa toa tsy manao ezaka firy akory, dia sary mampiseho ny fanomezan’i Jehovah hery ny mpanompony.d Afaka nanantena ny fanohanan’Andriamanitra ireo Jiosy tany an-tsesitany, ka tsy nanana antony tokony hampamoy fo.
-
-
“Ampionòny ny Oloko”Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
30. Fampiononana inona no azon’ny Kristianina marina ankehitriny tovozina avy amin’ireo andininy mamarana ny Isaia toko faha-40?
30 Ireo andininy mamarana ny Isaia toko faha-40 ireo dia mirakitra teny fampiononana ho an’ny Kristianina marina velona amin’ny andro farany amin’ity fandehan-javatra ratsy ity. Noho ireo fanerena sy zava-manahirana maro be izay toa manakivy antsika, dia manome toky ny mahafantatra fa tsy hoe tsy hitan’ilay Andriamanitsika ireo zava-tsarotra zakaintsika sy tsy rariny iaretantsika. Afaka matoky isika fa ilay Mpamorona ny zava-drehetra, Ilay ‘manam-pahalalana tsy hita lany’, dia hanitsy ny tsy rariny rehetra amin’ny fotoana sy araka ny fomba voatondrony. (Salamo 147:5, 6). Mandra-pahatongan’izany, dia tsy voatery hiaritra amin’ny herin’ny tenantsika manokana isika. Afaka manome hery—“hery mihoatra noho ny mahazatra” mihitsy aza—ho an’ny mpanompony, amin’ny fotoam-pisedrana, i Jehovah, izay manan-tahiry tsy mety ritra.—2 Korintiana 4:7, NW.
-