Fitiavana Mahery Kokoa Noho ny An’ny Reny
MISY reny manary ny zanany vao teraka eny amin’ny garan’ny lamasinina ambanin’ny tany, na any amin’ny toeram-pivoaham-bahoaka, na eny amin’ny arabe feno olona misomebiseby. Indraindray, na dia tany anaty dabam-pako aza, dia efa nahitan’ireo mpaka fako zaza menavava kely dia kely, vizana mafy noho ny fitomaniana an-dreniny. “Mihamitombo ny isan’ireo zaza menavava misy manary eny amin’ny arabe”, araka ny voalazan’ny O Estado de S. Paulo. Mazava ho azy fa mety hanenina noho ny fanapahan-kevitra nataony ilay reny tanora atỳ aoriana. Kanefa ataony ihany ilay izy, na dia mety hamoizan-janany ny ainy aza.
Mety hanontany tena ianao hoe: ‘Ahoana no ahafahan’ny reny iray mieritreritra kely akory ny hanary ny zanany izay tsy hanana hoavy azo antoka?’ Ampiasain’ny Baiboly ny toe-javatra mampalahelo toy izany mba ho ohatra hoenti-mampiseho fa mifanohitra be amin’izany ny fihetseham-pon’ny Mpamorona antsika amin’ireo anisan’ny ankohonany: “Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin’ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao.” — Isaia 49:15.
Raha ny marina dia manoatra lavitra noho izay mety ho reny olombelona Andriamanitra, satria tia antsika lalina izy, no sady mampiseho fa tsapany izay ilaintsika. Na tanora ianao na olon-dehibe, na inona na inona olana mety hatrehinao, dia tsy irery ianao. Maniry hanampy anao ny Mpamorona anao ary mitady izay hahasoa anao izy. Hoy ny tenin’ny mpanao salamo: “Fa ny raiko aman-dreniko efa nahafoy ahy; fa Jehovah kosa no mandray ahy.” — Salamo 27:10.
Avoaka maneran-tany ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! mba hanomezana fahalalana ny amin’i Jehovah, ilay “hany Andriamanitra marina”, sy i Jesosy Kristy Zanany. Mety hidika ho fiainana mandrakizay izany fahalalana izany, ho an’ireo izay mandray azy io amim-pankasitrahana. — Jaona 17:3, NW.