FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Tano Mafy Foana Izay Anananao”
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 12. Nahoana ny Jiosy tao amin’ny synagogan’i Filadelfia no nety ho gaga, rehefa fantany fa “hiankohoka” eo anatrehan’ny fiangonana kristianina ny sasany aminy?

      12 Mety ho gaga koa ny Jiosy tao amin’ny synagogan’i Filadelfia, rehefa fantany fa “hiankohoka” eo anatrehan’ilay fiangonana kristianina ny sasany aminy. Maro angamba ny tsy Jiosy teo amin’io fiangonana io, ka nihevitra ireo Jiosy fa ny tsy Jiosy no tokony hiankohoka toy izany. Nahoana? Satria efa nilaza i Isaia hoe: “Mpanjaka [tsy Jiosy] no ho rainao mpitaiza anao [vahoakan’ny Israely], ary zanakavavin’andriana no ho reninao mpampinono anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy.” (Isaia 49:23; 45:14; 60:14) Nilaza koa i Zakaria hoe: “Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” (Zakaria 8:23) Ny tsy Jiosy àry, raha ny tokony ho izy, no nantenaina hiankohoka teo anatrehan’ny Jiosy, fa tsy ny nifamadika tamin’izany!

  • “Tano Mafy Foana Izay Anananao”
    Apokalypsy—Akaiky Ilay Fiafarana Miavaka!
    • 14. Inona no fahatanterahana lehiben’ny Isaia 49:23 sy Zakaria 8:23 ankehitriny?

      14 Misy fahatanterahany lehibe koa ankehitriny ny faminaniana toy ny Isaia 49:23 sy ny Zakaria 8:23. Olona maro no niditra teo amin’ilay varavarana misokatra ho amin’ny fanompoana ilay Fanjakana, noho ny fitorian’ireo voahosotra toa an’i Jaona.b Avy tamin’ny Kristianisma Anarana, izay mihambo ho Israely ara-panahy, ny ankamaroan’izy ireo. (Ampitahao amin’ny Romanina 9:6.) Manasa ny akanjony sy mamotsy izany ireo vahoaka be ireo, amin’ny alalan’ny finoana ny ra nalatsak’i Jesosy ho sorona. (Apokalypsy 7:9, 10, 14) Manantena hahazo fitahiana eto an-tany izy ireo, satria manaiky ny Fanjakan’i Kristy. Manatona ny rahalahin’i Jesosy voahosotra izy ireo, ka toy ny hoe ‘miankohoka’ eo amin’izy ireo, satria ‘reny fa momba azy ireo Andriamanitra.’ Manampy ny voahosotra izy ireo, ary tafaray aminy, toy ny mpirahalahy eran-tany.—Matio 25:34-40; 1 Petera 5:9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara