FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 12, 13. a) Nahoana no hoe tsy misy manampy i Jehovah? b) Ahoana no amonjen’ny sandrin’i Jehovah, ary ahoana no anohanan’ny fahavinirany azy?

      12 Hoy ny tohin’ny tenin’i Jehovah: “Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talanjona Aho, satria tsy nisy hanohana,—ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy. Ary ny fahavinirako no nanohana Ahy. Nanitsaka firenena tamin’ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin’ny fahavinirako ary nandatsaka ny rany tamin’ny tany.”—Isaia 63:5, 6.

      13 Tsy hisy olombelona hanampy an’i Jehovah, ka ho afaka hihambo ho nampihatra ny andro famaliany lehibe. Tsy mila olombelona hanampy azy hanatanteraka ny sitrapony koa i Jehovah.c Mahavita tsara io asa io ny herin’ny sandriny tsy hay tohaina. (Salamo 44:3; 98:1; Jeremia 27:5) Zava-dehibe kokoa aza ny fanohanan’ny fahavinirany azy. Ahoana izany? Tsy fihetseham-po tsy voafehy akory ny fahavinirany, fa fahatezerana ara-drariny. Miorina amin’ny fitsipika marina foana ny fahavinirany, ka izany no ahafahany mandatsaka ‘ny ran’ny’ fahavalony “amin’ny tany.” Izany no manosika azy handringana azy ireo, ka hitondra fahafaham-baraka sy faharesena ho azy ireo.—Salamo 75:8; Isaia 25:10; 26:5.

  • Nanao Anarana Be Voninahitra ho An’ny Tenany i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • c Gaga i Jehovah satria tsy nisy vonona hanampy azy. Mety hahagaga tokoa ny mbola anoheran’ireo manan-kery eto an-tany ny sitrapon’Andriamanitra, 2 000 taona aorian’ny nahafatesan’i Jesosy.—Salamo 2:2-12; Isaia 59:16.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara