FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • 29. a) Inona avy no hankafizin’ny vahoakan’Andriamanitra mankatò ao Joda tafaverina amin’ny laoniny? b) Nahoana ny hazo no mety tsara hilazana fahelavelona? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

      29 Mbola mitohy ihany ny filazan’i Jehovah ny toe-piainana ao amin’ny tanin’i Joda ho tafaverina amin’ny laoniny. “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; ary hanao tanimboaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy. Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tànany.” (Isaia 65:21, 22) Tany lao sy tsy misy trano na tanim-boaloboka no ho hitan’ny vahoakan’Andriamanitra mankatò rehefa tafody any Joda izy ireo. Ho faly àry izy ireo, rehefa hipetraka ao amin’ny tranony sy hihinana ny vokatry ny tanim-boalobony. Hitahy ny asan’izy ireo Andriamanitra, ary ho lava toy ny andron’ny hazo, ny androm-piainany, ka hahafahany hankafy ny vokatry ny fisasarany.e

      30. Inona no efa ankafizin’ny mpanompon’i Jehovah dieny izao, ary inona no hankafiziny ao amin’ny tontolo vaovao?

      30 Tanteraka tamin’ny androntsika koa io faminaniana io. Nafahana avy tamin’ny fahababoana ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny 1919. Tsy namerina “tany” ara-bakiteny tamin’ny laoniny anefa izy ireo tamin’izay, fa nomena fahefana indray hanao ny asan’Andriamanitra sy ny fanompoana azy teto an-tany. Nanorina fiangonana izy ireo ary namokatra ara-panahy, ka na izao aza dia efa mankafy paradisa ara-panahy sy ny fiadanan’Andriamanitra ny vahoakan’i Jehovah. Afaka matoky isika fa hitohy ao amin’ilay Paradisa ara-bakiteny izany fiadanana izany. Tsy azontsika an-tsaina mihitsy izay hotanterahin’i Jehovah, rehefa hampiasa ny mpanompony vonona ny hiasa izy ao amin’ny tontolo vaovao. Endrey ny fifaliana hanorina ny tranon’ny tena sy hipetraka ao! Hisy asa mahaliana foana eo ambany fitarihan’ilay Fanjakana. Tena hahafa-po izany hoe “finaritra” foana amin’ny vokatry ny fisasaran’ny tena izany! (Mpitoriteny 3:13) Hanana fotoana hankafizana tsara ny asan’ny tanantsika ve isika? Eny tokoa! Ho “tahaka ny andron’ny hazo” ny androm-piainan’ny olombelona mahatoky: an’arivo taona, ary mihoatra aza!

  • “Miravoravoa Mandrakizay, Satria Mahary Izany Aho”
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
    • e Mety tsara ilazana fahelavelona ny hazo, satria izy ireo no anisan’ny zavamiaina maharitra ela indrindra. Ny hazo oliva, ohatra, dia mamoa mandritra ny an-jato taona, ary mety haharitra arivo taona.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara