FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Isaia, Bokin’i”
  • Isaia, Bokin’i

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Isaia, Bokin’i
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-23 — Isaia
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Isaia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitondra Fahazavana ho An’ny Olombelona ny Mpaminanin’Andriamanitra Iray
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
  • Mpaminany Fahiny Iray Nitondra Hafatra Maoderina
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Isaia, Bokin’i”

ISAIA, BOKIN’I

Asongadin’ny bokin’i Isaia fa i Jehovah no “ilay Masin’ny Israely”, satria in-25 ilay boky no miantso azy amin’io anaram-boninahitra io. Resahina mazava ao koa ny momba an’ilay Mesia na Voahosotr’i Jehovah izay hanafaka ny vahoakany.

Toy izao no votoatin’ilay boky araka ny resahin’ny andininy voalohany: “Ny fahitana azon’i Isaia zanak’i Amoza momba an’i Joda sy Jerosalema.” Misy ifandraisany amin’i Joda sy Jerosalema daholo àry ireo faminaniana ao amin’ilay boky, na dia faminaniana momba ny firenena maro aza izy ireny.

Zava-nitranga ara-tantara. Nahazo an’ilay fahitana i Isaia tamin’ny andron’i Ozia, Jotama, Ahaza, ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ny Joda. (Is 1:1) Nifandrafy ny firenena maro tamin’izany, ary nanaraka fivavahan-diso ny mponin’i Joda. Vao nanomboka kelikely ny fanompoany i Isaia no maty i Ozia Mpanjaka, izay lasa boka satria sahisahy ratsy nanao ny asan’ny mpisorona. (2Ta 26:16, 19-21) Mpanjaka tsara kosa i Jotama zanak’i Ozia, nefa ‘mbola nanao ratsy ihany ny vahoaka.’​—2Ta 27:2; 2Mp 15:34.

Nandimby an’i Jotama i Ahaza, izay nanjaka 16 taona. Ohatra ratsy ho an’ilay firenena izy, satria nanompo an’i Bala sy nanao sorona olona. “Nivadika tamin’i Jehovah” àry ilay vahoaka. (2Ta 28:1-4, 19) Nanao fahirano an’i Jerosalema tamin’izay ny mpanjakan’i Syria sy Israely izay niray dina. Tsy noraharahain’i Ahaza ny torohevitr’i Isaia mpaminany, fa nandefa iraka kosa izy hangataka fanampiana tamin’i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria. (2Mp 16:5-8; Is 7:1-12) ‘Niantehitra tamin’ny sandry nofo’ izy, ‘ka niala tamin’i Jehovah ny fony.’ (Je 17:5) Nanaiky ny hanao dina taminy i Asyria nefa izy io nikendry fotsiny ny hanitatra ny fanjakany. Notafihin’ny Asyrianina i Damaskosin’i Syria ka azony, ary toa nataony sesitany ny Israely nivadi-pinoana nonina tany atsinanan’i Jordana.​—1Ta 5:26.

Natao fahirano i Samaria ary nobaboina ny mponina tao, rehefa tsy nety nandoa hetra intsony. (2Mp 16:9; 17:4-6; 18:9-12) Tsy nisy intsony àry ny fanjakan’ny foko folo, ka hafa firenena daholo no nanodidina an’i Joda. Notafihin’ny Asyrianina avy any andrefana foana ireo tanànan’i Joda sy ireo firenena nanodidina azy. Nodidian’i Sankeriba hitolo-batana mihitsy aza ny mponin’i Jerosalema. Niova anefa ny toe-javatra tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. Natoky an’i Jehovah mantsy izy ka nomba azy i Jehovah.​—2Mp 18:5-7; Is toko 36, 37.

Nanomboka naminany i Isaia tamin’ny andron’i Ozia, izay lasa mpanjaka tamin’ny 829 T.K. Mbola naminany izy tamin’ny andron’i Hezekia, izay nanjaka hatramin’ny 717 T.K. tany ho any. Milaza ny Isaia 6:1 fa tamin’ny “taona nahafatesan’i Ozia Mpanjaka” (t. 778 T.K.) i Isaia no nahazo an’ilay fanendrena avy amin’i Jehovah resahin’ilay toko. Mety ho efa talohan’izay anefa izy no nanoratra an’ireo teny ireo. Miresaka momba ny “taona fahefatra ambin’ny folo nanjakan’i Hezekia Mpanjaka” (732 T.K.) ny Isaia 36:1. Nandefa miaramila hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba tamin’izay, nefa tsy tafiditra tao izy ireo. Nitantara i Isaia fa natao fahirano i Jerosalema nefa novonjena, ka niverina tany Ninive i Sankeriba ary nisy namono. (Is 37:36-38) Raha i Isaia no nanoratra an’io tantara io fa tsy olon-kafa tatỳ aoriana, dia azo lazaina fa mbola naminany izy taoriana kelin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia. Toa mbola nanjaka 20 taona teo ho eo i Sankeriba taorian’ny nanafihany an’i Jerosalema, araka ny tantara asyrianina sy babylonianina (izay tsy tena azo antoka). Maty notsofana, hono, i Isaia tamin’ny andron’i Manase Mpanjaka, araka ny lovantsofina jiosy (tsy tena azo antoka koa). (Misy milaza fa izy ilay noresahin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 11:37, nefa tsy voaporofo izany.)​—Is 1:1.

Misy andininy vitsivitsy koa manampy antsika hahalala ny fotoana nitrangan’ny zavatra sasany voatantara ao amin’ny bokin’i Isaia. Resahin’ny Isaia 7:1, ohatra, fa niakatra hiady tamin’i Jerosalema i Peka mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka. Talohan’ny 758 T.K. izany no nitranga satria tokotokony ho tamin’io taona io no nifarana ny fanjakan’i Peka, na dia nanjaka nanomboka tamin’ny 761 ka hatramin’ny 746 T.K. aza i Ahaza. Milaza koa ny Isaia 14:28 fa nisy fanambarana momba an’i Filistia natao “tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza Mpanjaka” (746 T.K.). Manampy antsika izany hamantatra ny fotoana nitrangan’ireo tantara ao amin’ilay boky.

Olona iray ihany no nanoratra azy. Misy mpitsikera milaza fa tsy i Isaia irery no nanoratra an’ilay boky. Olon-kafa tsy fantatra anarana velona tamin’ny faramparan’ny fotoana nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona, hono, no nanoratra ny Isaia toko faha-40-66. Misy ampahany hafa koa tsy nosoratan’i Isaia, hoy ny mpitsikera sasany. Tsy manamarina izany anefa ny Baiboly.

Neken’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina nahazo herin’ny fanahy masina, fa i “Isaia mpaminany” no nanoratra an’ireo tsinjaraina ankehitriny hoe Isaia toko 1-39 sy toko faha-40-66. Tsy nilaza an-kolaka mihitsy izy ireo hoe nisy olona roa nantsoina hoe Isaia, na hoe tsy fantatra ny anaran’ilay nanoratra ny tapany farany amin’ilay boky. (Ampitahao, ohatra, Mt 3:3; 4:14-16 sy Is 40:3; 9:1, 2; ary Jn 12:38-41 sy Is 53:1; 6:1, 10.) Naka andininy maro tamin’ny tapany farany amin’ny bokin’i Isaia koa ireo mpanoratra ny Soratra Grika, ary nilaza hoe i “Isaia mpaminany” fa tsy olon-kafa tsy fantatra anarana no nanoratra azy ireny. (Ampitahao Mt 12:17-21 sy Is 42:1-4; Ro 10:16 sy Is 53:1.) Ny Isaia 61:1, 2 ilay novakin’i Jesosy Kristy tao amin’ny “horonam-bokin’i Isaia mpaminany” tao amin’ny synagogan’i Nazareta.​—Is 61:1, 2; Lk 4:17-19.

Heverina fa natao dika mitovy tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa T.K. ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia (IQIsa). Tsy nihevitra anefa ilay nanao dika mitovy azy io fa nifarana teo amin’ny toko faha-​39 ny tapany voalohany amin’ilay faminaniana. Eo amin’ny andalana farany amin’ilay tsanganana misy ny teny farany ao amin’ny toko faha-​39 ihany mantsy no anombohany ny toko faha-​40.

[Sary, pejy 1187]

Ny Isaia 37:24–40:2 ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Eo amin’ny andalana farany amin’ilay tsanganana misy ny teny farany ao amin’ny toko faha-​39 no manomboka ny toko faha-​40

Noheverina ho asa soratra iray ihany, fa tsy roa na maromaro, ny bokin’i Isaia manontolo hatramin’izay. Mifampitohy ny toko faha​-39 sy 40 rehefa jerena ny Isaia 39:6, 7, izay mampahafantatra fa ho lasa babo ny Israely.

Tsy mino ny olona sasany hoe i Isaia irery no nanoratra an’ilay boky satria tsy ho hain’i Isaia, hono, ny haminany efa ho 200 taona mialoha fa hisy mpitondra antsoina hoe Kyrosy hanafaka ny Jiosy natao sesitany. Olon-kafa velona taorian’ny fandresen’i Kyrosy àry, hono, no nanoratra an’ilay izy. (Is 44:28; 45:1) Tsy takatr’izy ireny anefa fa asongadin’ny tapany farany amin’ilay boky ny fahaizan’Andriamanitra milaza mialoha izay hitranga amin’ny vahoakany. Efa ho 200 taona mialoha ilay faminaniana no nampahafantatra ny anaran’ilay olona handresy an’i Babylona sy hanafaka ny Jiosy, nefa mbola tsy teraka akory izy io. Voaporofo fa avy amin’Andriamanitra tokoa ilay faminaniana rehefa tanteraka. Tsy naminavina ny hoavy i Isaia, fa ‘izay nolazain’i Jehovah’ no nosoratany. (Is 45:1) Mbola tsy mitombina ihany anefa ny tenin’ireo mpitsikera, na dia atao aza hoe olona tamin’ny andron’i Kyrosy no nanoratra an’ilay faminaniana. Nahoana? Satria voaresaka mialoha ao amin’ilay tapany farany koa ny tsipiriany amin’ny fiainana sy ny fanompoan’ny Mesia na Jesosy Kristy teto an-tany, nefa mbola ela be tatỳ aoriana izany vao nitranga. Avy amin’Andriamanitra tokoa àry ireo faminaniana ireo, fa tsy asa soratra maromaro nataon’ny mpisandoka.

Tsy ny Isaia toko faha​-40-66 ihany no tsy eken’ny sasany hoe nosoratan’i Isaia fa ny toko faha​-13 koa, noho ny antony voalaza tetsy aloha ihany. Momba ny faharesen’i Babylona mantsy io toko io. Hoy anefa ny Isaia 13:1: “Ny fanamelohana an’i Babylona, tao amin’ny fahitana azon’i Isaia zanak’i Amoza.” Io ihany àry ilay “Isaia zanak’i Amoza” resahin’ny Isaia 1:1.

Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Mifanaraka amin’ny boky maro hafa ny bokin’i Isaia. Zato taona na mahery taorian’ny andron’i Isaia, ohatra, no nosoratan’i Jeremia ny bokin’ny Mpanjaka, nefa mahaliana fa mitovy ny zavatra tantarain’ny 2 Mpanjaka 18:13–20:19 sy ny Isaia toko faha​-36-39. Nisy mpaminany hafa koa nanambara zavatra mitovy amin’izay nolazain’i Isaia, ary nisy mpanoratra Baiboly naka teny maromaro tao amin’ny bokiny.

Ireo nanoratra ny Soratra Grika Kristianina no tena naka teny imbetsaka tao amin’ny bokin’i Isaia. Ny faminaniana momba ny Mesia no anisan’ireo faminaniana miavaka indrindra naverin’izy ireo matetika sy nohazavainy hoe tanteraka tamin’iza, araka ny asehoan’ilay tabilao eto ankavanana. Naka teny matetika tao amin’ny bokin’i Isaia i Jesosy Kristy sy ny apostoliny, mba hampahafantarana hoe iza ilay Mesia.

Tsy ny andininy rehetra ao amin’ny faminanian’i Isaia naverina ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly no hita eo amin’io tabilao io. Santionany amin’ireo faminaniana nampahalaza an’i Isaia fotsiny ireo. Asongadin’ireo faminaniana ireo sy ny andininy hafa ao amin’ilay boky, fa i Jehovah no ilay Masin’ny Israely sy Mpamonjy ny vahoakany amin’ny alalan’ilay Zanany voahosotra.

HEVITRA MISONGADINA: ISAIA

Faminaniana mandrisika ny mpanompon’i Jehovah hatahotra azy fa tsy an’ireo firenena manodidina, hiantehitra aminy raha te ho voavonjy, ary hatoky tanteraka ny fampanantenany hoe hovonjeny sy haveriny any amin’ny taniny izy ireo

Nosoratan’i Isaia ho an’i Joda sy Jerosalema, taona maro talohan’ny nanafihan’i Sankeriba an’i Jerosalema tamin’ny 732 T.K., ary taoriana kelin’izay angamba


Meloka i Joda sy Jerosalema; asa nanirahana an’i Isaia (1:1–6:13)

Tsy nankasitrahan’i Jehovah ny fanatitr’ireo nampahory sy nandatsa-dra ary nanao ny tsy rariny

Hiharan’ny didim-pitsarana ireo tsy nanam-pinoana; mbola hasandratra ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah ka maro no hitady Azy

Tsy nankatò ny Joda ka hesorin’i Jehovah aminy izay nilainy (mofo sy rano) hivelomana, ary hikorontana ilay tany

Voatery hanao ny fitafian’ny olona babo ireo vehivavy niavonavona sy nihaingo be

Toy ny tanimboaloboka tsy mamoa ny Israely satria tsy nahitana rariny sy fahamarinana

Nodiovina ny molotr’i Isaia; nanaiky an-tsitrapo ny fanendrena azy haminany sy hitory amin’ny vahoaka lalodalovana izy

Nitady hanafika ny fahavalo; hisy fahafahana (7:1–12:6)

Tsy nahomby ny Israely sy Syria saika hanongana an’i Ahaza; ho famantarana ny hahaterahan’i Imanoela

Ho famantarana i Mahera-salala-hasi-baza zanak’i Isaia: Horavan’ny Asyrianina i Damaskosy sy Samaria, raha mbola tsy mahay miteny hoe “Dada” sy “Neny” ilay zaza

Hitondra fanamaivanana maharitra ilay Andrianan’ny Fiadanana

Tsorakazon’ny fahatezeran’i Jehovah i Asyria nefa hosazina satria nanivaiva; hafahana i Jerosalema

Ho mpitondra hanao ny rariny ilay rantsana avy amin’ny foto-kazon’i Jese, hanana ny fanahin’Andriamanitra

Ho lao ny tanin’ny firenena maro (13:1–23:18)

Ho lao i Babylona, hidina any amin’ny toeran’ny maty ny ‘mpanjakany’

Hesorina ny ziogan’i Asyria, ho fatin’ny mosary ny fakan’i Filistia, ho lao i Moaba, ho rava i Damaskosy

Haetrin’ny Asyrianina ny Ejipsianina sy Etiopianina ka hataony sesitany

Hampianjera an’i Babylona i Elama sy Media

Haetry i Tyro, hohadinoina mandritra ny 70 taona

Hamonjy i Jehovah (24:1–35:10)

Hanao fanasambe ho an’ny firenena rehetra Izy, hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana

Hatao hira ny famonjeny

Hisy mpanjaka hampanjaka ny fahamarinana, sy andriana hampanjaka ny rariny; hisy fiadanana sy tsy fananana ahiahy

Ho lao i Edoma; ho faly i Ziona fa haorina indray

Novonjena teo an-tanan’i Asyria ny Joda; hatao sesitany any Babylona (36:1–39:8)

Nanafika an’i Joda i Asyria; novonjen’i Jehovah i Jerosalema ho valin’ny vavak’i Hezekia; Asyrianina 185 000 no maty

Nasehon’i Hezekia an’ireo iraka babylonianina ny harenany; hatao sesitany any Babylona ny Joda, hoy i Isaia

Fanafahana avy any Babylona, haorina indray i Ziona; ho avy ny Mesia (40:1–66:24)

Hanorina indray an’i Jerosalema ilay Mpamorona faran’izay mahery sy hendry

Hody ny vahoakan’i Jehovah ka ho voamarina fa Izy irery no Andriamanitra mahay milaza ny hoavy, ho afa-baraka ireo andriamanitra tsy mananaina nataon’olona

Ho resin’i Kyrosy i Babylona, ka haorina indray i Jerosalema

Ho lasa toy ny zaridainan’i Jehovah i Ziona

Ho faty noho ny heloky ny olona ny Mesia mpanompon’i Jehovah

Ho maro anaka i Ziona momba, tsy hahomby ny fiadiana hamelezana azy

Asain’i Jehovah hifaly ny vahoakany satria hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao izy, tsy hanana anjara amin’izany ny ratsy fanahy mpandika lalàna

Faminaniana Sasany Tanteraka Tamin’i Jesosy Kristy

Isaia

Soratra Grika Kristianina

7:14

Nateraky ny tovovavy virjiny

Mt 1:22, 23

9:7; 11:1-5, 10

Taranak’i Davida zanak’i Jese

Lk 1:32, 33; Ro 15:8, 12

40:3-5

Nisy fanambarana toy izao rehefa ho tonga izy: “Karakarao ny lalana halehan’i Jehovah!”

Mt 3:1-3; Mr 1:1-4; Lk 3:3-6; Jn 1:23

61:1, 2

Nohosoran’i Jehovah mba hilaza vaovao tsara amin’ny mpandefitra

Lk 4:17-21

9:1, 2

Nitondra hazavana tany Galilia

Mt 4:13-16

42:1-4

Nasehony fa manao ny rariny Andriamanitra; tsy notorotoroiny ireo toy ny bararata folaka

Mt 12:10-21

53:4, 5

Nitondra ny aretin’ny olona; ny ratrany no nahazoan’izy ireo fanasitranana

Mt 8:16, 17; 1Pe 2:24

53:1

Tsy ninoana

Jn 12:37, 38

53:12

Natao ho isan’ny tsy tan-dalàna

Lk 22:37

8:14, 15; 28:16

Nolavina, vato mahatafintohina, nefa lasa vato fehizoro

1Pe 2:6-8


Tanteraka koa ireto faminanian’i Isaia ireto, na dia tsy nolazain’ny mpanoratra aza hoe nalaina tao amin’ny bokin’i Isaia

Isaia

Soratra Grika Kristianina

50:6

Notevatevaina, nasiana tehamaina, nororana

Mt 26:67; Mr 14:65

53:7

Nangina sy tsy nitaraina teo anatrehan’ny mpiampanga azy

Mt 27:12-14; As 8:28, 32-35

53:9

Nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanankarena

Mt 27:57-60

53:8, 11

Nanao sorona ny ainy mba hahafahan’ny maro ho tonga olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra

Ro 4:25

Faminaniana hafa tanteraka

Faminanian’i Isaia vitsivitsy tanteraka talohan’ny taonjato voalohany

Isaia

1:26-30; 24:1-6; 39:6, 7

Rava i Jerosalema; sesitany tany Babylona

43:14; 44:26-28

Nafahana avy tany an-tsesitany; naorina indray i Jerosalema; nampiasain’i Jehovah hanatanteraka izany i Kyrosy

23:1, 8, 13, 14

Noravan’ny Kaldeanina notarihin’i Nebokadnezara ny tanànan’i Tyro

Fahatanterahany lehibe kokoa ankehitriny sy amin’ny hoavy

Tanteraka mihoatra ny indray mandeha ny faminaniana maro ao amin’ny bokin’i Isaia. Tanteraka amin’izao andro izao sy ho tanteraka amin’ny hoavy ny ankamaroany. Ireto misy faminanian’i Isaia noresahina mivantana na an-kolaka ao amin’ny Apokalypsy:

Isaia

Apokalypsy

21:9

Nianjera i Babylona!

18:2

40:10

Ho avy hitondra valisoa i Jehovah

22:12

47:5, 7-9

Hahita loza i Babylona mpivaro-tena sy tompovavin’ireo fanjakana

17:1, 2, 18; 18:7

48:20

Didiana hivoaka avy ao amin’i Babylona Lehibe ny vahoakan’Andriamanitra

18:4

60:1, 3, 5, 11

Oharina amin’i Jerosalema fahiny be voninahitra ilay Jerosalema Vaovao

21:11, 24-26

66:22

Hanao lanitra vaovao sy tany vaovao i Jehovah

21:1

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara