-
Nanjary Avo ny Tanan’i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
“Fanasana ho an’ny firenena rehetra”
6, 7. a) Karazana fanasam-be inona no velarin’i Jehovah, ary ho an’iza? b) Tandindon’ny inona moa ilay fanasana ao amin’ny faminanian’i Isaia?
6 Toy ny ray be fitiavana iray, dia tsy vitan’ny hoe hiaro ny zanany i Jehovah, fa hamahana azy ireo koa, indrindra fa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Rehefa avy nanafaka ny vahoakany tamin’ny 1919 izy, dia namelatra teo anoloan’izy ireo fanasam-bem-pandresena, dia sakafo ara-panahy tondraka. “Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra eto amin’ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin’ny zavatra matavy, fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.”—Isaia 25:6.
7 Velarina eo amin’ny ‘tendrombohitr’i’ Jehovah ilay fanasana. Inona moa io tendrombohitra io? Izany dia “ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah”, izay itanjozoran’ny firenena rehetra ‘atỳ am-parany’, ny ‘tendrombohitra masin’i’ Jehovah, misy ny mpanompony mahatoky, izay tsy mandratra na manimba. (Isaia 2:2; 11:9). Eo amin’io toeram-panompoana avo io, i Jehovah dia mamelatra ny fanasam-beny misy sakafo tondraka, ho an’ireo olo-mahatoky. Ary ireo zava-tsoa ara-panahy omena antsika ankehitriny amim-pahalalahan-tanana dia tandindon’ireo zava-tsoa ara-nofo homena antsika, rehefa ny Fanjakan’Andriamanitra no ho hany fitondram-panjakana hitondra ny olombelona. Tsy hisy intsony ny hanoanana amin’izay. “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”.—Salamo 72:8, 16.
8, 9. a) Fahavalon’ny olombelona lehibe roa inona avy no hesorina? Hazavao. b) Inona no hataon’Andriamanitra mba hanesorana ilay fanalam-baraka natao tamin’ny vahoakany?
8 Manana fahatsinjovan-javatra be voninahitra ireo izay mihinana amin’io fanasam-be ara-panahy omen’Andriamanitra io ankehitriny. Henoy ireo tenin’i Isaia manaraka. Mampitaha ny fahotana sy ny fahafatesana amin’ny “rakotra”, na “sarona” iray, manempotra, toy izao i Isaia: “Hofoanany eto amin’ity tendrombohitra ity ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra. Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra”.—Isaia 25:7, 8a.
-
-
Nanjary Avo ny Tanan’i JehovahNy Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
-
-
[Sary, pejy 275]
“Fanasana amin’ny zavatra matavy”
-