-
Manome fanantenana Jehovah ao anatin’ny vanim-potoam-pahorianaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 1 Desambra
-
-
Manjary meloka ireo izay notendrena hiampanga noho ny ota raha tsy manao izany. Nazeran’Andriamanitra “avy tany an-danitra ho amin’ny tany” Jerosalema, ary navelany ho rava niaraka tamin’ny “fitoeran-tongony”, dia ny tempoly (Salamo 132:7). Tamin’izany no ‘tsy nanamasinany ny fanjakan’ny’ Joda. Noravan’ny fahavalo toy ny trano bongo fotsiny io tempoly io, ka nanao antsoantsom-pandresena sahala amin’ny fihobiana amin’ny andro firavoravoana izy ireo. Nisy zaza efa ho faty nitalaho tamin-dreniny mba hanome hanina azy. Iza anefa no tompon’andraikitra lehibe indrindra tamin’izany tarehin-javatra izany. Ireo mpaminany sandoka izay tsy niampanga an’i Jerosalema noho ny fahotany, fa nanao fanambarana mamitaka (Jeremia 14:13). Mety ny mivavaka rehefa olona be dia be no lavo tamin’io “andro fahatezeran’i Jehovah” io! —2:1-22.
-
-
Manome fanantenana Jehovah ao anatin’ny vanim-potoam-pahorianaNy Tilikambo Fiambenana—1988 | 1 Desambra
-
-
◻ 2:6 — Ny ‘trano fihaonan’ny [trano bongo, MN ] an’Andriamanitra, dia nanondro ny tempoly tany Jerosalema. Nanome lalana ny Babyloniana Andriamanitra handrava ny fitoerany masina, ‘hitondra azy an-keriny’ toy ny hoe trano bongo kely ao an-jaridaina fotsiny izany. Nazera toy ny fialofana vonjimaika amin’ny hainandro fotsiny izany.
-