MAKARAKARAM-BARAVARANKELY
Hazo lavalava maromaro atao mifanapaka ary anakonana varavarankely. Efa ela no nisy makarakara ny varavarankely tany Israely sy ny firenena manodidina azy. Mampangatsiatsiaka ny ao an-trano izy ireny satria misakana ny tara-masoandro tsy hiditra, nefa mamela ny rivotra hiditra. Mahatsara endrika ny trano koa izy ireny. Nahatazanana ny tokotany anatiny sy ny arabe ireo varavarankelin’ny efitra ambany rihan’ny trano fahiny sasany. Mazàna ireo nahatazanana ny arabe no natao avoavo teo amin’ny rindrina na natao teo amin’ny efitra tany an-tampon-trano sady nasiana makarakara.
Teo amin’ny makarakaram-baravarankely ny olona tao an-trano no nijery ny teny ivelany nefa tsy tazana avy teny. Nitazana “teo amin’ny makarakaram-baravarankely” ny renin’i Sisera hijery ny fahatongavany, hoy ny hiran’i Debora sy Baraka. Sasa-niandry anefa izy satria efa maty i Sisera. (Mpts 5:1, 28) Nijery teo amin’ny makarakaram-baravarankely ilay nahatazana “tovolahy iray tsy ampy saina” nohatonin’ny mpivaro-tena. (Oh 7:6-13) Voalaza koa hoe nisy ‘nitazana avy teo am-baravarankely [sy] nijery avy teo amin’ny makarakara.’—To 2:9.
Nisy makarakara nasiana savily mba ho azo vohana sy akatona. Mety ho nisy makarakara azo novohana sy nohidiana ny varavarankelin’ny efitr’i Daniela tany an-tampon-trano, ary teo izy no tazana nivavaka tamin’i Jehovah intelo isan’andro.—Da 6:10.