-
Nianatra Namindra Fo IzyNy Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
Nampisaintsaina an’i Jona Andriamanitra. Nilaza izy fa nalahelo i Jona rehefa maty ilay zavamaniry, izay naniry tao anatin’ny indray alina monja sady tsy nisasarany na nampaniriny. Hoy Andriamanitra avy eo: “Izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahalala akory ny havia sy havanany, ary misy biby fiompy maro koa?”—Jona 4:10, 11.d
Takatrao ve ilay lesona lehibe tian’Andriamanitra hampitaina? Tsy nanao na inona na inona tamin’ilay zavamaniry i Jona. I Jehovah kosa no nanome aina an’ireo mponin’i Ninive sy nikarakara azy ireo, toy ny ataony amin’ny zavaboary hafa. Nahoana no zavamaniry indray no noheverin’i Jona ho sarobidy kokoa noho ny ain’olona 120 000 miaraka amin’ny biby fiompiny rehetra? Tsy ny fitiavan-tenany ve no nahatonga izany? Nalahelo an’ilay zavamaniry izy satria nitondra soa ho azy manokana ilay izy. Tsy ny fitiavan-tenany koa ve no nahatonga azy ho tezitra noho izay nitranga tamin’i Ninive? Te hiseho ho marina sy tsy te ho afa-baraka mantsy izy.
Nampianatra lesona lehibe tokoa i Jehovah! Nandray am-po izany ve i Jona? Mbola tsy voavaly ilay fanontaniana farany napetrak’i Jehovah ao amin’ny bokin’i Jona. Mety hilaza ny mpanakiana sasany hoe tsy novalian’i Jona mihitsy ilay fanontaniana. Efa namaly an’ilay fanontaniana anefa izy, raha ny marina. Tsy nisy mantsy ilay boky mitondra ny anarany raha tsy izany. Voaporofo fa i Jona no nanoratra an’io boky io. Alaivo sary an-tsaina hoe tafaverina soa aman-tsara tany amin’ny taniny ilay mpaminany, izay efa be taona kokoa sy hendry kokoa ary nanetry tena kokoa. Eo am-panoratana an’ilay fitantarana izy. Azo inoana fa nanenina aoka izany izy noho ny fahadisoany sy ny fikomiany ary ny tsy fetezany hamindra fo. Tena niana-javatra avy tamin’ny fampianarana tsara avy amin’i Jehovah i Jona. Nianatra namindra fo izy. Ary ahoana ny amintsika?
-
-
Nianatra Namindra Fo IzyNy Tilikambo Fiambenana—2009 | 1 Aprily
-
-
d Nilaza Andriamanitra fa tsy mahalala akory ny havia sy havanany ny mponin’i Ninive. Te hilaza izy fa toy ny zaza tsy mahalala ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo.
-