FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Tompo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Jesosy Kristy. Nilaza ny tenany ho “Tompon’ny sabata” i Jesosy Kristy tamin’izy tetỳ an-tany. (Mt 12:8) Tsy mahagaga àry raha mbola nanao ny asa nampanaovin’ilay Rainy any an-danitra ihany izy rehefa Sabata. Anisan’izany ny asa fanasitranana. (Ampit. Mt 8:16, 17.) Fantatr’i Jesosy fa “aloky ny zavatra tsara ho avy” ny Lalàn’i Mosesy, izay nitaky ny hitandremana ny Sabata. (He 10:1) Anisan’ireny “zavatra tsara ho avy” ireny koa ny Sabata iray hafa, ary i Jesosy no Tompon’izy io.​—Jereo SABATA, ANDRO (“Tompon’ny sabata”).

  • Sabata, Andro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • “Tompon’ny sabata.” Nilaza i Jesosy Kristy fa “Tompon’ny sabata” ny tenany. (Mt 12:8) “Aloky ny zavatra ho avy” ny andro Sabata tokony hitsaharan’ny Israelita tamin’ny asany, “fa ny tena izy dia an’i Kristy.” (Kl 2:16, 17) Anisan’ireo “zavatra ho avy” ny sabata iray, ary ho Tompon’izy io i Jesosy. Hitondra ny tany mandritra ny arivo taona i Kristy Tompon’ny Tompo. (Ap 19:16; 20:6) Tamin’ny Sabata izy no nanao ny sasany tamin’ireo fahagagana tena niavaka, tamin’izy tetỳ an-tany. (Lk 13:10-13; Jn 5:5-9; 9:1-14) Hitondra fanamaivanana ho an’ny olombelona toy izany koa izy, rehefa hanampy azy ireo ho lasa lavorary eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-batana mandritra ny Fanjakany Arivo Taona. Ho toy ny fitsaharana na sabata ho an’ny tany sy ny olombelona izany.​—Ap 21:1-4.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara