FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/11 p. 24-25
  • Nahatanteraka faminanian’Isaia iray izy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahatanteraka faminanian’Isaia iray izy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanatanterahana ny faminanian’i Isaia
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nanatanteraka ny Faminanian’​i Isaia i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Moa ve Ianao Hamono Lahin-jiro Manetona Iray?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • “Ilay Voafidiko Sady Sitraky ny Foko”!
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra II
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/11 p. 24-25

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Nahatanteraka faminanian’Isaia iray izy

REHEFA reny fa nikasa ny hamono azy ny Fariseo sy ireo mpiandany tamin’i Heroda, dia nitokana nankany amin’ny ranomasina Galilia niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy. Tany, dia vahoaka maro be no nanatona azy avy any amin’ny faritra rehetra amin’i Palestina, ary na dia avy tany ambadiky ny sisintany aza. Nanasitrana olona be dia be i Jesosy, hany ka izay rehetra voan’ny aretina mafy dia nifanizina mba hikasika azy.

Teo anoloan’izany fifamoivoizana be izany, dia nangataka ny mpianany i Jesosy mba hitana maharitra sambokely iray hampiasainy. Rehefa manalavitra ny moron-drano izy, dia afaka miala amin’ny fanositosehan’ny vahoaka. Afaka mampianatra azy ireo avy eny amin’ny sambokely izy na mitety ny moron-drano koa mba hanampiana ny olona any.

Nasain’i Matio mpianatra nomarihina fa ny asan’i Jesosy dia fahatanterahan’izay “nampilazaina an’Isaia mpaminany”. Avy eo dia notononiny mihitsy ilay faminaniana notanterahin’i Jesosy, manao hoe:

“Indro ny mpanompoko, Izay nofidiko, ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hitory ny rariny amin’ny jentilisa Izy; tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; ary tsy hisy handre ny feony any an-dàlana; tsy hotapahiny ny volotara torotoro, ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy; ary ny anarany no hitokian’ny jentilisa.”

Miharihary fa Jesosy no mpanompo malala ankasitrahan’Andriamanitra. Ampahafantariny mazava ny atao hoe tena rariny, izay nohamaizinin’ny lovantsofin’ireo fivavahan-diso. Noho izy ireo nampihatra tamin’ny fomba diso ny lalàn’Andriamanitra tokoa, ireo Fariseo dia tsy hanampy marary iray akory amin’ny andro sabata! Koa nampahafantatra mazava ny tena rariny i Jesosy, ka nanafaka ny mpihaino azy tamin’ny ziogan’ny lovantsofina tsy ara-drariny; izany no antony hanandraman’ireo filoha ara-pivavahana hamono azy.

‘Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy mba handrenesana ny feony any an-dàlana.’ Inona no hevitr’izany? Rehefa nanasitrana olona i Jesosy dia ‘nandrara azy tsy hanao izay hahafantarana Azy’. Tsy tiany ny hanaovana fampielezan-kevitra feno tabataba eny amin’ny arabe na hamelona resaka be loatra izay hiova arakaraka ny olona.

Etsy andaniny koa, Jesosy dia nitondra ny hafany fampaherezana ho an’ireo olona izay, raha lazaina ara-panoharana, dia volotara torotoro, miforoporotra sy hitsahin’ny tongotra. Izy ireny dia tahaka ny lahin-jiro manetroka izay saika maty ny tselak’aina farany nananany. Tsy nanitsaka ny volotara torotoro i Jesosy na nitsoka ny lelafo mipendrampendran’ny lahin-jiro. Mifanohitra amin’izany, tamim-pahalemem-panahy sy fitiavana, dia hainy ny nanandratra ny manetry tena. Jesosy no tena ilay azon’ireo firenena antenaina! Matio 12:15-21; Marka 3:7-12; Isaia 42:1-4.

◆ Tamin’ny heviny ahoana moa i Jesosy no nampahafantatra ny atao hoe rariny, tsy nifanditra na niantso mafy teny an-dalana?

◆ Iza moa ireo sahala amin’ny volotara torotoro sy ny lahin-jiro, ary ahoana no nataon’i Jesosy tamin’izy ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara