-
Jesosy KristyFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Rehefa niresaka momba ny ‘anaran’i Jesosy’ ireo mpianany, dia matetika izany no nampiarahiny tamin’ny hoe “Tompo” na “Kristy Tompontsika.” (As 8:16; 15:26; 19:5, 13, 17; 1Ko 1:2, 10; Ef 5:20; Kl 3:17) Nanaiky azy ho Tompony izy ireo, satria izy no notendren’Andriamanitra hanavotra sy hividy azy ireo tamin’ny alalan’ny sorom-panavotany (1Ko 6:20; 7:22, 23; 1Pe 1:18, 19; Jd 4), sady nomeny fahefana ho Mpanjaka. Tamin’ny anaran’i Jesosy, ilay nomena fahefana ho Mpanjaka sy Mpisoronabe, ireo mpianatra no nitory (As 5:29-32, 40-42), nanao batisa (Mt 28:18-20; As 2:38; ampit. 1Ko 1:13-15), nandroaka olona ratsy fitondran-tena (1Ko 5:4, 5), ary nananatra sy nampianatra ny fiangonana kristianina niandraiketany (1Ko 1:10; 2Te 3:6). Tsy afaka ny hino na hanaiky “anarana” na fahefana hafa àry ireo homen’i Jesosy ny fiainana. Tsy azon’izy ireo atao ny mivadika amin’ny ‘anaran’ilay’ Mpanjaka notendren’Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy Tompo.—Mt 12:18, 21; Ap 2:13; 3:8; jereo FANATONANA AN’ANDRIAMANITRA.
-
-
Fanjakan’AndriamanitraFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Imbetsaka i Jesosy, mpanjaka Solontenan’i Jehovah, no nampiseho tamin’ny fomba hita maso hoe Mpanjaka manana fahefana eo amin’ny zavaboary eto an-tany i Jehovah. Nampiasa ny fanahin’Andriamanitra, na ny heriny, mantsy io Zanany io ka nahavita nifehy ny rivotra, ny ranomasina, ny zavamaniry, ary ny trondro. Vitany hatramin’ny nifehy an’ireo singa simika ao amin’ny sakafo, ka nanjary nitombo ny sakafo. Nahita an’ireny fahagagana nataon’i Jesosy ireny ny mpianany, ka nanjary nanaja lalina ny fahefana nananany. (Mt 14:23-33; Mr 4:36-41; 11:12-14, 20-23; Lk 5:4-11; Jn 6:5-15) Vao mainka mahagaga aza ny nampiasany ny herin’Andriamanitra teo amin’ny vatan’olombelona ka nanasitranany ny marary, hatramin’ny jamba ka hatramin’ny boka, ary ny nananganany ny maty. (Mt 9:35; 20:30-34; Lk 5:12, 13; 7:11-17; Jn 11:39-47) Sitrana ny boka, ka nasain’i Jesosy nankany amin’ny mpisorona “mba ho porofo amin’izy ireo”, satria tsy nino an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny mpisorona. (Lk 5:14; 17:14) Mahery noho ny olombelona ireo zavaboary tsy hita maso, kanefa noporofoin’i Jesosy fa mbola mahery noho izy ireny ny herin’Andriamanitra. Nanaiky ireo demonia hoe nomena fahefana i Jesosy. Tsy sahy nitsapa ny herin’i Jesosy izy ireo, fa nankatò ny baikony kosa ka nivoaka tamin’ireo olona azony. (Mt 8:28-32; 9:32, 33; ampit. Jk 2:19.) Ny fanahin’Andriamanitra no nananany hery hamoahana demonia, ka nidika izany fa ‘efa teo amin’ireo [nihaino azy] tokoa ny fanjakan’Andriamanitra nefa tsy fantatr’izy ireo.’—Mt 12:25-29; ampit. Lk 9:42, 43.
-