FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Demonia”
  • Demonia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Demonia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Olona Misy Demonia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Iza moa Ireo Demonia?
    Mifohaza!—2010
  • Mahery Noho ny Demonia i Jesosy
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Ny Anjely Tsara sy ny Anjely Ratsy
    Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Demonia”

DEMONIA

(demonìa).

Anjely ratsy fanahy mahery noho ny olombelona. Ao amin’ny Matio 8:31 ihany no ahitana ny teny grika hoe daimôn nadika hoe demonia, ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Daimôniôn kosa no ampiasain’ny andininy hafa. Ilazana fanahy ratsy na demonia ny teny grika hoe pneoma indraindray, izay midika hoe “fanahy.” (Mt 8:16) Lazaina fa “ratsy”, “maloto”, “mampahamoana” na “mampaharenina” ilay fanahy.​—Lk 7:21; Mt 10:1; Mr 9:17, 25; jereo FANAHY (Ireo any an-danitra).

Tsy nanao anjely ho demonia Andriamanitra. I Satana Devoly (jereo SATANA) no voalohany nanao ny tenany ho demonia. Nisy anjely hafa koa nanahaka azy tatỳ aoriana, ka lasa lehiben’izy ireny i Satana. (Mt 12:24, 26) Nitafy nofo ny anjely tsy nankatò tamin’ny andron’i Noa, nanambady vehivavy, niteraka safiotra atao hoe Nefilima (jereo NEFILIMA), ary lasa anjely indray rehefa tonga ny Safodrano. (Ge 6:1-4) Tsy nanana an’ilay toerana ambony notanany tany an-danitra intsony anefa izy ireo rehefa niverina tany. “Ireo anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy, dia notehirizin’Andriamanitra sy nofatorany mandrakizay ao amin’ny haizim-be, ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe.” (Jd 6; 1Pe 3:19, 20) Ao anatin’ny haizim-be ara-panahy àry izy ireo izao no manao ny asa ratsiny. (2Pe 2:4) Tsy afaka mitafy nofo intsony izy ireo, kanefa mbola manan-kery lehibe eo amin’ny saina sy ny fiainan’ny olona ihany. Afaka miditra ao amin’ny olona na biby mihitsy aza izy ireo, ary afaka mampiasa zavatra tsy mananaina toy ny trano sy sampy ary ody.​—Mt 12:43-45; Lk 8:27-33; jereo OLONA MISY DEMONIA.

Ny hampiala ny olona amin’i Jehovah sy ny fivavahana marina no tanjon’ny demonia. Raran’ny lalàn’i Jehovah àry ny fifandraisana amin’izy ireo. (De 18:10-12) Nisy fotoana anefa nivadika tamin’Andriamanitra ny Israelita, ka nataony sorona ho an’ny demonia ny zanany lahy sy vavy. (Sl 106:37; De 32:17; 2Ta 11:15) Nifehy olona maro ny demonia tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Ny namoaka an’ireny fanahy ratsy ireny àry no anisan’ny fahagagana lehibe indrindra nataon’i Jesosy. (Mt 8:31, 32; 9:33, 34; Mr 1:39; 7:26-30; Lk 8:2; 13:32) Nomeny fahefana hamoaka demonia amin’ny anarany koa ny apostoliny 12 sy ireo mpianany 70.​—Mt 10:8; Mr 3:14, 15; 6:13; Lk 9:1; 10:17.

Mbola manan-kery eo amin’ny fiainan’ny olona ny demonia ankehitriny. Mbola marina foana ilay hoe: “Izay zavatra atolotry ny hafa firenena ho sorona dia ataony sorona ho an’ny demonia.” (1Ko 10:20) Resahin’ny Apokalypsy ny “zavatra nahariharin’i Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy, mba hampisehoany amin’ny mpanompony ny zavatra hitranga tsy ho ela”, anisan’izany ny hoe hitombo ny asan’ny demonia eto an-tany. (Ap 1:1) Izao no voalaza ao: “Natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny [demonia] koa niara-natsipy taminy. ... Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Ap 12:9, 12) “Fanambarana avy amin’ny demonia” ireo fanambarana maloto tahaka ny sahona, “raha ny marina, ka manao famantarana sy mankany amin’ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina, mba hanangonana azy ireo ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”​—Ap 16:13, 14.

Tsy maintsy miady mafy amin’ny fanahy ratsy àry ny Kristianina. Nilaza i Jakoba fa tsy ampy fotsiny ny mino. Hoy izy: “Mino ve ianao fa misy Andriamanitra tokana? Tena tsara izany. Ny demonia koa anefa mba mino ka mangovitra.” (Jk 2:19) Nampitandrina i Paoly fa “hiala amin’ny finoana ny sasany any aoriana any, satria mihaino fanambarana mamitaka avy amin’ny fanahy sy mihaino fampianaran’ny demonia.” (1Ti 4:1) Tsy afaka ny hihinana amin’ny latabatr’i Jehovah sy ny an’ny demonia ny olona. (1Ko 10:21) Izay tsy te hivadika amin’i Jehovah àry dia tsy maintsy miady mafy amin’ny Devoly sy ny demoniany, izany hoe amin’ny “mpanjakan’izao tontolo anaty haizina izao, ary amin’ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra.”​—Ef 6:12.

Ahoana no fahazoan’ny Grika tamin’ny andron’i Paoly ny hoe demonia?

Malalaka be ny hevitr’ilay teny hoe “demonia” tamin’ireo filozofa sy mpanoratra grika fahiny. Hoy ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao nataon’i G. Kittel (Boky II, p. 8) momba an’io teny io: “Manampy antsika hahazo tsara ny fiheveran’ny Gr[ika] ny atao hoe demonia, ny hevitr’ilay [mpamari-toetra daimôniôs]. Hery ambony kokoa noho ny olombelona mantsy izy io, ary mety ho hery tsara na ratsy. Mety ho nidika hoe ‘andriamanitra’ ny hoe [tô daimôniôn] tamin’ireo mpanoratra talohan’ny andro kristianina.” (Nadika sy nataon’i G. Bromiley, 1971) Hoy ireo Epikoreanina sy filozofa stôika niady hevitra tamin’i Paoly: “Toa mpitory momba ny andriamanitra [gr.: daimôniôn] vaovao, hono, izy io.”​—As 17:18.

Natambatr’i Paoly tamin’ny teny hafa ilay teny grika hoe daimôn, rehefa niresaka tamin’ny Atenianina izy. Hoy izy: “Matahotra kokoa an’ireo andriamanitra [gr.: deisidaimônesteros; ‘minomino foana’, Vg] ianareo raha oharina amin’ny olon-kafa.” (As 17:22) Hoy i F. Bruce momba an’io kambanteny io: “Ny teny manodidina no ahalalana raha tsara na ratsy ny hevitr’ilay teny. Malalaka be ny hevitr’izy io, toy ilay teny ang[lisy] hoe ‘mpivavaka’, ka mety kokoa angamba ny andikana azy hoe ‘mpivavaka be.’ Tsy diso tanteraka anefa ny nandikan’ny [Dikan-teny Nahazoan-dalana] azy io hoe ‘minomino foana.’ Finoanoam-poana mantsy ny fivavahan’izy ireo tamin’i Paoly, ary toy izany koa ilay izy tamin’ny Epikoreanina, na dia noho ny antony hafa aza.”​—Ny Asan’ny Apostoly, 1970, p. 335.

Nilaza tamin’i Heroda Agripa II i Festosy fa nisy adihevitra teo amin’i Paoly sy ny Jiosy momba ny “fivavahany amin’andriamanitra [gr.: deisidaimônias; ‘finoanoam-poana’, Vg].” (As 25:19) Nanazava i F. Bruce fa “mety ho azo adika tsotsotra hoe ‘finoanoam-poana’ (toy ny ao amin’ny Dikan-teny Nahazoan-dalana)”, io teny grika io. Hoy koa izy: “Hita ao amin’ny [Asa] 17:22 ny mpamari-toetra avy amin’izy io, saingy tsy tena mazava koa ny heviny.”​—Fanazavana ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly, 1971, p. 483.

Jereo DEMONIA MIENDRIKA OSY.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara