Miara-mandeha Amin’Andriamanitra — Ireo Dingana Voalohany
“Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” — JAKOBA 4:8.
1, 2. Nahoana ianao no milaza fa tombontsoa lehibe ny manompo an’i Jehovah?
EFA an-taonany maro no nijalian’ity lehilahy iray tany am-ponja. Nasaina niseho teo anoloan’ny mpitondra an’ilay tany izy, avy eo. Haingana ny fandehan’ny fisehoan-javatra. Tampoka teo ilay voafonja dia nanjary niasa ho an’ilay mpanjaka nahery indrindra teto an-tany tamin’izay fotoana izay. Nomena toeram-piandraiketana lehibe sy voninahitra niavaka io voafonja taloha io. Indro izao fa niara-nandeha tamin’ny mpanjaka iray i Josefa, ilay lehilahy nitondra gadra vy teo amin’ny tongony taloha! — Genesisy 41:14, 39-43; Salamo 105:17, 18.
2 Manana fahafahana hiasa ho an’ny olona iray ambony lavitra noho ny Faraon’i Ejipta ny olombelona amin’izao andro izao. Manasa antsika rehetra hanompo azy Ilay Fara Tampony eo amin’izao rehetra izao. Tombontsoa mahatalanjona tokoa ny manao izany sy ny mamboly fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsitoha! Ao amin’ny Soratra Masina, ny hery mampitolagaga sy ny hafatratry ny hatsarana mbamin’ny fahatoniana sy ny hatsaran-tarehy ary ny toetra mahafinaritra dia samy ampifandraisina aminy avokoa. (Ezekiela 1:26-28; Apokalypsy 4:1-3). Heniky ny fitiavana ny fifampiraharahana rehetra ataony. (1 Jaona 4:8). Tsy mba mandainga mihitsy izy. (Nomery 23:19). Tsy mba mandiso fanantenana mihitsy an’ireo tsy mivadika aminy koa i Jehovah. (Salamo 18:25, NW ). Rehefa mampifanaraka ny ataontsika amin’ireo zavatra marina takiny isika, dia afaka manana fiainana sambatra sy misy heviny dieny izao, sady manantena fiainana mandrakizay amin’ny hoavy. (Jaona 17:3). Tsy misy mpitondra olombelona manolotra zavatra mifanahantsahana kely akory amin’ny fitahiana sy tombontsoa toy izany.
3. Tamin’ny fomba ahoana no ‘niarahan’i Noa nandeha tamin’ilay Andriamanitra marina’?
3 Tapa-kevitra ny hiaina nifanaraka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany, i Noa patriarika, taloha ela be. Izao no lazain’ny Baiboly momba azy: “Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’Andriamanitra Noa.” (Genesisy 6:9). Mazava ho azy fa tsy niara-nandeha tamin’i Jehovah ara-bakiteny i Noa, satria tsy nisy olona “nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana”. (Jaona 1:18). Niara-nandeha tamin’Andriamanitra kosa i Noa, noho izy nanao izay nasain’Andriamanitra nataony. Nanana fifandraisana mafana sy akaiky tamin’Andriamanitra Tsitoha i Noa, satria nanokana ny fiainany tamin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah, izy. Olona an-tapitrisany maro koa amin’izao andro izao no ‘miara-mandeha amin’Andriamanitra’ toa an’i Noa, amin’ny fananana fiainana mifanaraka amin’ny torohevitra sy ny fampianaran’i Jehovah. Ahoana no anombohan’ny olona iray mandeha toy izany?
Tena ilaina ny fahalalana marina
4. Ahoana no ampianaran’i Jehovah ny vahoakany?
4 Tsy maintsy mahafantatra an’i Jehovah aloha isika vao ho afaka hiara-mandeha aminy. Nilaza mialoha toy izao i Isaia mpaminany: “Izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra ary hasandratra ho avo noho ny havoana; ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany. Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony; fa avy any Ziona no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Jehovah.” (Isaia 2:2, 3). Eny, afaka matoky isika fa hampianatra an’izay rehetra mitady handeha amin’ny lalany, i Jehovah. Nomen’i Jehovah ny Baiboly, Teniny, isika ary ampiany hahatakatra ny hevitr’izy io. Amin’ny alalan’ny “mpanompo mahatoky sy malina” no fomba iray anaovany izany. (Matio 24:45-47, NW ). Mampiasa io “mpanompo mahatoky” io i Jehovah mba hanomezana fampianarana ara-panahy amin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra miorina amin’ny Baiboly, sy ny fivoriana kristianina ary ny fandaharam-pampianarana ny Baiboly maimaim-poana any an-tokantrano. Manampy ny vahoakany hahatakatra ny hevitry ny Teniny koa Andriamanitra, amin’ny alalan’ny fanahiny masina. — 1 Korintiana 2:10-16.
5. Nahoana no sarobidy tokoa ny fahamarinana araka ny Soratra Masina?
5 Sarobidy ny fahamarinana ara-baiboly, na dia tsy andoavantsika vola aza. Rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, dia mahafantatra ny momba an’Andriamanitra mihitsy: ny anarany, ny toetra mahaizy azy sy ny fikasany ary ny fomba ifampiraharahany amin’ny olombelona. Fantatsika ihany koa ny valin’ireo fanontaniana fototra eo amin’ny fiainana toy ny hoe: Nahoana isika no eto? Nahoana Andriamanitra no namela ny fijaliana hisy? Inona no fonosin’ny hoavy? Nahoana isika no mihantitra sy maty? Misy fiainana ve aorian’ny fahafatesana? Mitondra fanafahana ny valin’ireo fanontaniana ireo. Ambonin’izany, dia fantatsika izay sitrapon’Andriamanitra mahakasika antsika, izany hoe, ny fomba tokony handehanantsika mba hampifaliana azy tanteraka. Fantatsika fa araka ny antonony ireo zavatra takiny sady mahatalanjona ny soa entiny rehefa miaina mifanaraka amin’izy ireny isika. Tsy ho afaka nahatakatra izany zavatra izany mihitsy isika, raha tsy teo ny fampianaran’Andriamanitra.
6. Mahatonga antsika ho afaka hanaraka lalana manao ahoana ny fahalalana marina ny Baiboly?
6 Mahery ny fahamarinana ara-baiboly, ary manosika antsika hitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika. (Hebreo 4:12). Talohan’ny nahazoantsika fahalalana ny Soratra Masina, dia tsy nahay nandeha afa-tsy “araka ny fomban’izao tontolo izao” isika. (Efesiana 2:2). Lalan-kafa anefa no soritan’ny fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra ho antsika, mba ‘handehanantsika mendrika an’i Jehovah sy hanaovantsika ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra’. (Kolosiana 1:10). Toy inona moa ny hafaliantsika manao ireo dingana voalohany amin’ny fiaraha-mandeha amin’i Jehovah, Ilay ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao manontolo! — Lioka 11:28.
Dingana roa lehibe — Fanoloran-tena sy batisa
7. Rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, dia fahamarinana inona momba ny fahaizan’olombelona mitondra, no manjary miharihary?
7 Rehefa mitombo ny fahatakarantsika ny hevitry ny Baiboly, dia manomboka mandinika ireo raharahan’olombelona sy ny fiainantsika manokana isika, ka ny fahazavana ara-panahin’ny Tenin’Andriamanitra no itarafantsika izany. Misy fahamarinana lehibe iray manjary miharihary amin’izay. Nilaza izany fahamarinana izany efa hatramin’ny ela be i Jeremia mpaminany, izay nanoratra hoe: “Jehovah ô, fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany, na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany.” (Jeremia 10:23). Mila ny fitarihan’Andriamanitra ny olombelona, izany hoe isika rehetra.
8. a) Inona no manosika ny olona hanolo-tena ho an’Andriamanitra? b) Inona no atao hoe fanoloran-tena kristianina?
8 Manosika antsika hitady tari-dalana avy amin’i Jehovah ny fahatakarana io zava-misy tena lehibe io. Ary manosika antsika hanolotra ny fiainantsika ho an’Andriamanitra ny fitiavana azy. Ny dikan’ny hoe manolo-tena ho an’Andriamanitra dia hoe manatona an’Andriamanitra amin’ny vavaka ka mampanantena azy marina tokoa fa hampiasa ny fiainantsika mba hanompoana azy sy handehanana amim-pahatokiana amin’ny lalany. Rehefa manao izany isika dia manaraka ny ohatr’i Jesosy, izay niseho teo anatrehan’i Jehovah tamim-pahatapahan-kevitra hentitra fa hanao ny sitrapon’Andriamanitra. — Hebreo 10:7.
9. Nahoana no manolotra ny fiainany ho an’i Jehovah ny olona?
9 Tsy mampiasa famoretana mihitsy i Jehovah Andriamanitra na manery na iza na iza mba hanolo-tena ho azy. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 9:7.) Ambonin’izany, Andriamanitra dia tsy manantena an’iza na iza hanolotra ny fiainany ho Azy noho ny fihetseham-po sendra mandalo. Alohan’ny hanaovana batisa olona iray, dia tsy maintsy efa mpianatra izy, ary mitaky ezaka amim-pahatsorana ny fandraisana fahalalana. (Matio 28:19, 20). Niangavy ireo izay efa vita batisa i Paoly mba ‘hanoloran’izy ireo ny tenany ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, ho [fanompoana masina omban’ny fahaizan’izy ireo misaina, NW ]’. (Romana 12:1). Amin’ny fampiasana toy izany ny fahaizantsika misaina no anaovantsika fanoloran-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra. Rehefa avy nianatra ny amin’izay tafiditra amin’ilay raharaha sy nisaina tamim-pitandremana ny amin’izany isika vao manolotra ny fiainantsika an-tsitrapo sy amim-pifaliana ho an’Andriamanitra. — Salamo 110:3.
10. Inona no ifandraisan’ny fanoloran-tena sy ny batisa?
10 Manao ny dingana manaraka isika rehefa avy nanatona an’Andriamanitra manokana tamin’ny vavaka mba hanambarana aminy fa tapa-kevitra ny handeha amin’ny lalany. Ampahafantarintsika ampahibemaso amin’ny alalan’ny batisantsika anaty rano, ilay fanoloran-tenantsika. Fanambarana ampahibemaso izy io fa efa nivoady hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika. Teo am-piandohan’ny fanompoany teto an-tany, dia nataon’i Jaona batisa i Jesosy, ka namela ohatra ho antsika. (Matio 3:13-17). Nirahin’i Jesosy ny mpanara-dia azy, tatỳ aoriana, mba hanao mpianatra sy hanao batisa azy ireny. Dingana tena ilaina àry ny fanoloran-tena sy ny batisa, ho an’izay maniry hiara-mandeha amin’i Jehovah.
11, 12. a) Ahoana no azo ampitahana ny batisa amin’ny fampakaram-bady? b) Inona no itovian’ny fifandraisantsika amin’i Jehovah sy ny an’ny mpivady?
11 Misy itoviana amin’ny fanambadiana ny fahatongavana ho mpianatr’i Jesosy Kristy nanolo-tena sy vita batisa. Any amin’ny tany maro, ny fampakaram-bady dia ialohavan’ny dingana maromaro. Mihaona ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, mifankahalala izy ireo, ary mifankatia. Tonga avy eo ny fifamofoana. Ilay fampakaram-bady dia mampahafantatra ampahibemaso izay efa notinapaka tany amin’ny mangingina, dia ny hoe hivady sy hiara-miaina toy ny mpivady. Ny fampakaram-bady no manamarika ampahibemaso ny fanombohan’izany fifandraisana manokana izany. Manamarika ny fanombohan’ilay fanambadiana izany daty izany. Azo ampitahaina amin’izany koa ny batisa izay manamarika ny fanombohan’ny fiainana natokana hiaraha-mandeha amin’i Jehovah ao anatin’ny fifandraisana manokana aminy.
12 Diniho koa izao fitovian-javatra hafa izao. Aorian’ny andro fampakaram-badiny, dia tokony hihalalina sy hihamatotra ny fifankatiavan’ny mpivady. Mba hifanatonana akaiky kokoa hatrany, dia samy tsy maintsy milofo mitana sy manatanjaka ny fifandraisany amin’ny maha mpivady azy ny andaniny roa, ka manao izany tsy misy fitiavan-tena. Na dia tsy miditra ao amin’ny fanambadiana amin’Andriamanitra aza isika, dia tsy maintsy miezaka hitana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah, aorian’ny batisantsika. Mandinika sy mankasitraka ny fiezahantsika hanao ny sitrapony izy, ary manatona antsika. “Manatòna an’Andriamanitra”, hoy ny nosoratan’i Jakoba mpianatra, “dia hanatona anareo Izy.” — Jakoba 4:8.
Fanarahana ny dian’i Jesosy
13. Ohatr’iza no tokony harahintsika rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra isika?
13 Mba hiaraha-mandeha amin’i Jehovah, dia tsy maintsy mampifanaraka ny ataontsika amin’ny ohatra navelan’i Jesosy Kristy isika. Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Ho amin’izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany”. (1 Petera 2:21). Koa satria lavorary i Jesosy, ary isika tsy lavorary, dia tsy vitantsika ny manaraka amin’ny fomba tsy misy tsiny ny ohatra navelany. Na izany aza, dia antenain’i Jehovah ny hanaovantsika araka izay fara herintsika. Andeha isika handinika lafiny dimy tamin’ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy izay tokony hiezahan’ny Kristianina vita fanoloran-tena harahina.
14. Inona no tafiditra amin’ny hoe mahafantatra ny Tenin’Andriamanitra?
14 Nahafantatra marina sy tamin’ny fomba feno ny Tenin’Andriamanitra, i Jesosy. Nanonona matetika teny avy tao amin’ny Soratra Hebreo i Jesosy, nandritra ny fanompoany. (Lioka 4:4, 8). Mazava ho azy fa nanonona teny avy tao amin’ny Soratra Masina koa ireo mpitarika ara-pivavahana ratsy fanahy tamin’izany andro izany. (Matio 22:23, 24). Izao no tsy nampitovy azy: I Jesosy dia nahatakatra izay tian’ny Soratra Masina holazaina, ary nampihatra izany teo amin’ny fiainany izy. Tsy izay voasoratra ao amin’ny Lalàna fotsiny no fantany, fa ny tena hevitra fonosiny koa. Rehefa manaraka ny ohatr’i Kristy isika, dia tokony hiezaka mafy koa mba hahatakatra ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra, mba hahazo ny dikany, na ny tena heviny. Amin’ny fanaovana izany no mety hahatonga antsika ho mpiasa ankasitrahan’Andriamanitra, izay afaka “mampiasa tsara ny teny fahamarinana”. — 2 Timoty 2:15, NW.
15. Ahoana no namelan’i Jesosy ohatra rehefa niresaka momba an’Andriamanitra izy?
15 Niresaka tamin’ny hafa momba ilay Rainy any an-danitra, i Jesosy. Tsy nohazonin’i Jesosy ho an’ny tenany ihany ny fahalalany ny Tenin’Andriamanitra. Niantso azy hoe “Mpampianatra” na dia ireo fahavalony aza, satria niresaka tamin’ny hafa momba an’i Jehovah sy ny fikasany, izy, na taiza na taiza nalehany. (Matio 12:38). Nitory ampahibemaso i Jesosy, teny amin’ny faritry ny tempoly, tany amin’ireo synagoga, tany amin’ireo tanàna sy vohitra. (Marka 1:39; Lioka 8:1; Jaona 18:20). Nampianatra tamim-pangorahana sy tamin-katsaram-panahy izy, naneho fitiavana tamin’ireo izay nampiany. (Matio 4:23). Ireo manaraka ny ohatr’i Jesosy koa dia mahita toerana maro sy fomba maro mba hampianarana ny hafa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany mahatalanjona.
16. Fifandraisana akaiky toy inona no nisy teo amin’i Jesosy sy ireo mpivavaka tamin’i Jehovah?
16 Nifandray am-po tamin’ny olona hafa mpivavaka tamin’i Jehovah i Jesosy. Raha niteny tamin’ny vahoaka i Jesosy indray mandeha, dia tonga mba hiresaka taminy ny reniny sy ireo rahalahiny tsy mpino. Izao no lazain’ny fitantaran’ny Baiboly: “Nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin’ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao. Fa namaly Izy ka nanao tamin’ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko? Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko! Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” (Matio 12:47-50). Tsy midika akory izany hoe nolavin’i Jesosy ny fianakaviany, satria porofoin’ireo zava-nitranga tatỳ aoriana fa tsy nanao izany izy. (Jaona 19:25-27). Na izany aza, dia antitranterin’io fitantarana io ny fitiavan’i Jesosy ireo mpiray finoana taminy. Toy izany koa amin’izao andro izao, fa ireo miara-mandeha amin’Andriamanitra dia manao izay hiarahana amin’ireo mpanompon’i Jehovah hafa ka mihamanjary tia azy ireny fatratra. — 1 Petera 4:8.
17. Ahoana no fiheveran’i Jesosy ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy, ary inona no tokony ho akon’izany eo amintsika?
17 Naneho fitiavana ny Rainy any an-danitra i Jesosy tamin’ny fanaovany ny sitrapon’Andriamanitra. Nankato an’i Jehovah tamin’ny zava-drehetra i Jesosy. Hoy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34). Nilaza koa i Kristy hoe: “Izaho manao izay sitra[k’Andriamanitra] mandrakariva.” (Jaona 8:29). Tia tokoa ny Rainy any an-danitra i Jesosy ka “nanetry tena [ary] nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana”. (Filipiana 2:8). Notahin’i Jehovah i Jesosy, ho setrin’izany, ka nasandrany ho amin’ny toeram-pahefana sy voninahitra manarakaraka Azy avy hatrany. (Filipiana 2:9-11). Sahala amin’i Jesosy, dia maneho ny fitiavantsika an’Andriamanitra isika amin’ny fitandremana ny didiny sy amin’ny fanaovana ny sitrapony. — 1 Jaona 5:3.
18. Ahoana no namelan’i Jesosy ohatra raha ny amin’ny vavaka?
18 Lehilahy tia vavaka i Jesosy. Nivavaka izy tamin’ny batisany. (Lioka 3:21). Nanokana ny alina manontolo hivavahana izy, talohan’ny nifidianany ireo apostoliny 12. (Lioka 6:12, 13). Nampianatra an’ireo mpianany ny fomba fivavaka, i Jesosy. (Lioka 11:1-4). Nivavaka ho an’ireo mpianany izy no sady niara-nivavaka tamin’izy ireo, tamin’ilay alina nialoha ny hahafatesany. (Jaona 17:1-26). Tapany lehibe teo amin’ny fiainan’i Jesosy ny vavaka, ary tokony ho toy izany koa izy io eo amin’ny fiainantsika, satria mpanara-dia azy isika. Voninahitra toy inona moa izany hoe miresaka ao amin’ny vavaka amin’ilay Tompom-piandrianana eo Amin’izao Rehetra Izao izany! Ankoatra izany, dia mamaly vavaka i Jehovah, satria nanoratra toy izao i Jaona: “Izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.” — 1 Jaona 5:14, 15.
19. a) Toetran’i Jesosy inona avy no tokony hotahafintsika? b) Amin’ny fomba ahoana avy no andraisantsika soa avy amin’ny fandinihana ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany?
19 Be tokoa no azo ianarana avy amin’ny fandinihana akaiky ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy Kristy teto an-tany! Eritrereto ny amin’ireo toetra nasehony: fitiavana, fangoraham-po, hatsaram-panahy, tanjaka, fahaiza-mandanjalanja, fahalalana ny antonony, fanetren-tena, herim-po sy tsy fitiavan-tena. Arakaraka ny hianarantsika bebe kokoa momba an’i Jesosy no hitomboan’ny faniriantsika ho tonga mpanara-dia azy mahatoky. Mahatonga antsika ho akaiky kokoa an’i Jehovah ny fahalalana an’i Jesosy. Raha dinihina tokoa mantsy, dia i Jesosy no ahitana taratry ny Rainy any an-danitra amin’ny fomba tonga lafatra. Akaiky dia akaiky an’i Jehovah izy, ka afaka nilaza hoe: “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”. — Jaona 14:9.
Mitokia amin’Andriamanitra mba hanohanany anao
20. Ahoana no mety hahazoantsika toky rehefa miara-mandeha amin’i Jehovah?
20 Raha vao miana-mandeha ny ankizy, dia mivembena rehefa mamindra. Ahoana no ianarany mandeha amim-patokiana? Tsy vita izany raha tsy eo ny famerimberenana sy ny fikirizana. Miezaka mafy mba hamindra tsara amin-toky sy tsy hivembena koa ireo miara-mandeha amin’i Jehovah. Mitaky fotoana sy fikirizana koa izany. Nasehon’i Paoly ny halehiben’ny fikirizana rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra, fony izy nanoratra hoe: “Farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’i Jesosy Tompo izahay, toy ny efa nandraisanareo ny toromarika avy tatỳ aminay ny amin’ny tokony handehananareo sy hanaovanareo izay hampifaly an’Andriamanitra, dia toy ny efa andehananareo, raha ny marina, mba hanohizanareo hanao izany amin’ny fomba feno kokoa.” — 1 Tesaloniana 4:1, NW.
21. Fitahiana inona avy no mety ho azontsika eo am-piaraha-mandeha amin’i Jehovah?
21 Raha mifikitra tanteraka amin’Andriamanitra isika, dia hanampy antsika izy mba hiara-mandeha aminy hatrany. (Isaia 40:29-31). Tsy misy na inona na inona azon’ity tontolo ity atolotra ka afaka mifampitaha amin’ireo fitahiana omen’Andriamanitra an’ireo mandeha amin’ny lalany. Izy no ‘Ilay mampianatra antsika hahita soa sy mitarika antsika amin’ny lalana tokony halehantsika. Ary raha mihaino ny didiny isika, dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadanantsika, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinantsika’. (Isaia 48:17, 18). Rehefa manaiky ilay fanasana mba hiara-mandeha amin’Andriamanitra isika ka manao izany amim-pahatokiana, dia afaka mihavana aminy mandrakizay.
Ahoana no Havalinao?
◻ Nahoana no voninahitra ny fiaraha-mandeha amin’ilay Andriamanitra marina?
◻ Nahoana no dingana voalohany amin’ny fiaraha-mandeha amin’i Jehovah ny fianarana sy ny fanoloran-tena ary ny batisa?
◻ Ahoana no ahafahantsika manaraka ny dian’i Jesosy?
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa hanohana antsika i Jehovah eo am-piarahantsika mandeha aminy?
[Sary, pejy 13]
Dingana voalohany amin’ny fiaraha-mandeha amin’Andriamanitra ny fianarana sy ny fanoloran-tena ary ny batisa