-
OtaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Fandikan-dalàna. Mety ho “fandikan-dalàna” koa ny ota. Ny teny grika parabasis (fandikan-dalàna) matetika no ilazana ny hoe mihoa-pefy, izay midika hoe mandika lalàna na tsy manara-dalàna. Matoanteny avy amin’izy io ny hoe parabainô, izay nampiasain’i Matio tamin’izy namerina ny tenin’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe nahoana ny mpianatr’i Jesosy no “tsy manaraka [parabainô] ny fomban-drazana.” Io matoanteny io koa no nampiasain’i Jesosy tamin’izy namaly hoe: “Nahoana kosa ianareo no mandika [parabainô] ny didin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo?” (Mt 15:1-6) Mety hidika koa hoe “mihataka” na “miala” ny parabainô. “Niala” tamin’ny fanompoany, ohatra, i Jodasy ary tsy apostoly intsony. (As 1:25) Io matoanteny io no hita ao amin’ny soratra grika sasany mba hilazana olona “mihoa-pefy fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy.”—2Jn 9.
-
-
Fomban-drazanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Nisy tsy nankasitrahana. Nampian’ny mpitondra fivavahana jiosy lovantsofina maro ny Tenin’Andriamanitra satria ilain’ny tena mpivavaka, hono, ireny. Fariseo fatra-panaja an’ireo fomban-drazana narahin’ny Fivavahana Jiosy i Paoly (Saoly), talohan’ny niovany ho Kristianina. Azo nekena ny sasany tamin’ireny, nefa nisy koa tsy nahasoa. Lasa mpanenjika Kristianina anefa izy satria nanaraka “didin’olombelona.” (Mt 15:9) “Tsy mba nihinana”, ohatra, ny Jiosy “raha tsy efa nanasa tanana hatreo amin’ny kiho, satria nitana mafy ny fomban-drazana.” (Mr 7:3) Tsy natao hitandroana ny fahadiovana izany, fa fombafomba ara-pivavahana nanan-danja, hono. (Jereo FANASANA TANANA.) Nilaza àry i Kristy fa tsy tokony hokianina ny mpianany raha tsy nanaraka an’io fombafomba io sy ireo “didin’olombelona” tsy nilaina. (Mt 15:1, 2, 7-11; Mr 7:4-8; Is 29:13) Nataon’ny mpitondra fivavahana tsy nanan-kery koa ny Tenin’Andriamanitra sady nodikainy ny didiny, noho ilay fomban-drazan’izy ireo momba ny “korbana” (fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra).—Ek 20:12; 21:17; Mt 15:3-6; Mr 7:9-15; jereo KORBANA.
-
-
Fanasana TananaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Tena zava-dehibe tamin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo tamin’ny taonjato voalohany ny fanasan-tanana. Notenenin’izy ireo àry i Jesosy Kristy satria tsy nanaraka ny fomban-drazana ny mpianany ka tsy nanasa tanana rehefa hisakafo. Tsy resaka fitandroana fahadiovana anefa ny azy ireo, fa fanarahana fombafomba ara-pivavahana. ‘Ny Fariseo sy ny Jiosy rehetra tsy mba nihinana raha tsy efa nanasa tanana hatreo amin’ny kiho.’ (Mr 7:2-5; Mt 15:2) Ampitovin’ny Talmoda babylonianina (Sôta 4b) amin’izay manao firaisana amin’ny mpivaro-tena ny olona tsy manasa tanana rehefa hisakafo. “Hofongorana tsy ho amin’ny tany”, hono, izay mihevitra hoe tsy zava-dehibe ny manasa tanana.—Jereo FANDROANA.
-