FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Mpanora-dalàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Nohindrahindraina ny mpanora-dalàna, ary nantsoina hoe “Raby” (gr.: rhabbei, “Ilay be voninahitro; Ilay tena mendri-kajako”; avy amin’ny teny heb.: rav, midika hoe “maro”, “be voninahitra”; teny fanajana niantsoana ny mpampianatra). Ampiasain’ny Soratra Masina imbetsaka amin’i Kristy io teny io. Milaza ny Jaona 1:38 fa midika hoe “Mpampianatra” izy io. Mpampianatra tokoa i Jesosy, nefa norarany ny mpianany tsy haniry an’io anaram-boninahitra io na hifampiantso amin’izy io, toa an’ireo mpanora-dalàna. (Mt 23:2, 6-8) Nanampy ny Lalàna ireo Jiosy mpanora-dalàna sy Fariseo, ka nanome hirika tsy hankatoavana ny Lalàna. Nanameloka mafy azy ireo i Jesosy noho izany. Hoy izy: “Ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.” Nanome ohatra iray ny amin’izany i Jesosy ka nilaza fa nomen’izy ireo alalana ny Jiosy tsy hanampy ny rainy na ny reniny, raha natokany ho fanomezana ho an’Andriamanitra ny fananany.​—Mt 15:1-9; Mr 7:10-13; jereo KORBANA.

  • Ota
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
    • Fandikan-dalàna. Mety ho “fandikan-dalàna” koa ny ota. Ny teny grika parabasis (fandikan-dalàna) matetika no ilazana ny hoe mihoa-pefy, izay midika hoe mandika lalàna na tsy manara-dalàna. Matoanteny avy amin’izy io ny hoe parabainô, izay nampiasain’i Matio tamin’izy namerina ny tenin’ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna hoe nahoana ny mpianatr’i Jesosy no “tsy manaraka [parabainô] ny fomban-drazana.” Io matoanteny io koa no nampiasain’i Jesosy tamin’izy namaly hoe: “Nahoana kosa ianareo no mandika [parabainô] ny didin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo?” (Mt 15:1-6) Mety hidika koa hoe “mihataka” na “miala” ny parabainô. “Niala” tamin’ny fanompoany, ohatra, i Jodasy ary tsy apostoly intsony. (As 1:25) Io matoanteny io no hita ao amin’ny soratra grika sasany mba hilazana olona “mihoa-pefy fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy.”​—2Jn 9.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara