FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/1 p. 20-23
  • Amin’ny Ahoana no Mahakasika Anao ny Fiovan-tarehin’i Kristy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Amin’ny Ahoana no Mahakasika Anao ny Fiovan-tarehin’i Kristy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fisehoan-javatra teo aloha
  • Tsy nofy na fahitan-javatra tsy misy
  • Ny antony nahitana an’i Mosesy
  • Ny antony nisehoan’i Elia
  • Ny zava-nokendren’izy io
  • Ny hevitr’izany ho anao
  • Rehefa ho Avy i Jesosy Amin’ny Voninahitr’ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fiovan-tarehy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ilay Fiovan-tarehy Nahitana An’i Kristy Nomem-boninahitra
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fahitana mialoha ny voninahitry ny Fanjakan’i Kristy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/1 p. 20-23

Amin’ny Ahoana no Mahakasika Anao ny Fiovan-tarehin’i Kristy

Vao tafakatra indrindra ny tendrombohitra avo iray ireo lehilahy efatra. Teo an-tampony, dia nisy zava-nahatalanjona nitranga. Rehefa nijery ireo mpianatr’ i Jesosy Kristy telo samy raiki-tahotra, dia niova tarehy teo anatrehan’izy ireo izy. Henoy ny itantaran’i Marka, mpanoratra ny Filazantsara an’io fisehoan-javatra nampientam-po io:

“JESOSY dia naka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona ka nitondra azy nitokana niakatra ho any an-tendrombohitra avo anankiray; dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin’ny tany mahafotsy toy izany. Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin’i Jesosy. Ary niteny Petera ka nanao tamin’i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elia. Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra. Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: Ity no zanako malalako, Izy no henoy. Ary niaraka tamin’izay, nony nijery manodidina izy ireo, dia tsy nisy hitany intsony na iza na iza afa-tsy Jesosy irery ihany, Izay teo aminy.” — Marka 9:2-8.

Hevero kely ange! Namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavan’i Jesosy. (Matio 17:2). Nanelatrelatra ny fitafiany, ka “tsy misy mpamotsy lamba ambonin’ny tany mahafotsy toy izany.” Nisy feo maherin’Andriamanitra mihitsy nanao fanambarana momba ny Zanany. Fisehoan-javatra mahatalanjona re izany!

Ny teny grika nadika eto hoe “niova tarehy” dia midika hoe “miova ho endrika hafa”. Izany koa dia hita ao amin’ny Romana 12:2, izay anoroana hevitra ny kristiana ‘hiova’ amin’ny fanavaozana ny sainy. — An Expository Dictionary of New Testament Words (Rakibolana momba ireo teny ao amin’ny Testamenta Vaovao), nataon’i W. E. Vine, Boky faha-IV, pejy faha-148.

Eny, nitranga ny fisehoan-javatra nampangitakitaka iray rehefa niova endrika i Jesosy, tsy ela taorian’ny fankalazana ny Paska tamin’ny 32 am.fan.ir. Inona no nitarika ho amin’izany fahagagana izany? Nisy zava-nokendreny manokana ve izany? Nahoana no tafiditra tao i Mosesy sy Elia? Ary amin’ny ahoana ny fiovan-tarehin’i Kristy no mahakasika anao?

Fisehoan-javatra teo aloha

Talohan’ny niakarany ilay tendrombohitra, dia tany amin’ny manodidina an’i Kaisaria-filipo i Jesosy sy ny mpianany. Koa satria teo amin’ny 25 kilaometatra eo ho eo any atsimo andrefan’ny Tendrombohitra Hermona no nisy an’io tanàna io, dia nety ho niseho teo amin’ny iray tamin’ireo havoana avo teo akaikin’ny tendrombohitra io fiovan-tarehy io.

Teny am-pandehanana ho any amin’ilay “tendrombohitra avo” i Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa Aho?” Namaly izy ireo hoe: “Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin’ny mpaminany.” Avy eo i Jesosy dia nanontany hoe: “Fa hianareo kosa manao Ahy ho iza?” Namaly i Petera hoe: “Hianao no Kristy.” Tamin’izay i Jesosy dia “nandrara [mafy, MN] azy rehetra (...) mba tsy hilazalaza Azy amin’olona. Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak’olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ny loholona sy ny lohan’ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.” — Marka 8:27-31.

Nanohy nanome izao fampanantenana izao i Jesosy: “Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra tonga amin’ny hery.” (Marka 9:1; Matio 16:28). Tanteraka io fampanantenana io nony “afaka henemana”, rehefa nivavaka sy niova endrika teo anatrehan’i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, i Jesosy. Nilaza i Lioka fa nitranga izany, “havaloana” taorian’izay, angamba satria nampidiriny tao ny andro nanomezana fampanantenana sy ny andro nahatanterahany. — Matio 17:1, 2; Marka 9:2; Lioka 9:28.

Tsy nofy na fahitan-javatra tsy misy

Tsy nofy akory ny fiovan-tarehin’i Jesosy. Tsy ho nanonofy iray ihany mihitsy ny apostoly telo, ary niantso izany ho “fahitana” i Jesosy. Tsy fahitan-javatra tsy misy koa izany, satria ny teny grika ampiasaina ao amin’ny Matio 17:9, dia nadika hoe “fahitana”. (Asan’ny apostoly 7:31). Nifoha tanteraka àry ireo nahazo fahitana, ary tamin’ny masony sy ny sofiny no tena nahitany sy nandrenesany izay nitranga. — Lioka 9:32.

Nifoha tanteraka nefa tsy nahafantatra izay hoteneniny i Petera, ka nanipy hevitra ny amin’ny hananganana lay telo — iray avy ho an’i Jesosy sy Mosesy ary Elia. (Lioka 9:33). Ilay rahona niforona tamin’ny fotoana nitenenan’i Petera, dia miharihary fa ny fanatrehan’Andriamanitra teo an-tendrombohitra, toy ny teo amin’ny tranolay fihaonan’ny Isiraely tany an’efitra. (Eksodosy 40:34-38; Lioka 9:34). Ary azo antoka fa tsy natory ireo apostoly rehefa nanambara toy izao “Andriamanitra Ray”: “Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.” — 2 Petera 1:17, 18; Lioka 9:35.

Ny antony nahitana an’i Mosesy

Rehefa nitranga ilay fiovan-tarehy, dia ‘tsy nahalala na inona na inona’ i Mosesy, satria efa maty taonjato maro tany aloha izy. (Mpitoriteny 9:5, 10). Sahala amin’i Davida, dia tsy natsangana izy ka noho izany dia tsy teo araka ny maha-olona azy. (Asan’ny apostoly 2:29-31). Nefa, nahoana i Mosesy no hita niaraka tamin’i Kristy tao amin’ilay fahitana?

Niteny toy izao tamin’i Mosesy Andriamanitra: “Mpaminany no hatsangako ho azy avy amin’ny rahalahiny, tahaka anao, ka hataoko ao am-bavany ny teniko, ary holazainy aminy izay rehetra handidiako azy.” (Deoteronomia 18:18). Nampihatra an’io faminaniana io indrindra tamin’i Jesosy Kristy i Petera. (Asan’ny apostoly 3:20-23). Ankoatra an’i Jesosy, dia i Mosesy no mpaminany lehibe indrindra nirahin’Andriamanitra ho amin’ny firenen’ny Isiraely.

Misy fitoviana eo amin’i Mosesy sy ilay Mosesy lehibe kokoa, dia i Jesosy Kristy. Ohatra, fony izy ireo mbola zaza, dia samy notandindomin-doza noho ny mpanapaka mpampahory ny ain’izy ireo, nefa nataon’Andriamanitra izay hahavoatsimbina ireo zaza ireo. (Eksodosy 1:20–2:10; Matio 2:7-23). Samy nandany 40 andro nifadiana hanina ireo lehilahy ireo tamin’ny fanombohan’ny asany tamin’ny naha-mpanompon’i Jehovah manokana azy. (Eksodosy 24:18; 34:28; Deoteronomia 9:18, 25; Matio 4:1, 2). Ary samy nanatanteraka fahagagana tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra i Mosesy sy i Jesosy. — Eksodosy 14:21-31; 16:11-36; Salamo 78:12-54; Marka 4:41; Lioka 7:18-23; Jaona 14:11.

Nampiasa an’i Mosesy i Jehovah mba hanafaka ny Isiraely tamin’ny fanandevozana egyptiana, toy izany koa fa nitondra ho amin’ny fahafahana ara-panahy i Jesosy. (Eksodosy 12:37–14:31; Jaona 8:31, 32). Nanana tombontsoa hanalalana tamin’ny faneken’ny Lalàna nifanaovan’Andriamanitra sy ny Isiraelita i Mosesy, ary i Jesosy kosa no Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao. (Eksodosy 19:3-9; 34:3-7; Jeremia 31:31-34; Lioka 22:20; Hebreo 8:3-6; 9:15). Nampiasa an’i Mosesy koa i Jehovah mba hanao anarana ho an’ny Tenany teo anatrehan’ny Isiraelita sy ny Egyptiana ary ny hafa, toy ny nanandratan’i Jesosy Kristy ny anarana masin’i Jehovah. (Eksodosy 9:13-17; 1 Samoela 6:6; Jaona 12:28-30; 17:5, 6, 25, 26). Tamin’ny nampitrangany an’i Mosesy niaraka tamin’i Jesosy niova tarehy, dia nampiseho Andriamanitra fa hanompo ao amin’izany andraikitra izany amin’ny ambaratonga lehibe lavitra i Kristy.

Ny antony nisehoan’i Elia

Na dia mbola tsy natsangana aza i Elia mpaminany efa maty, dia nety ny tokony hisehoany tao amin’ny fahitana ny amin’ny fiovan-tarehy. Nanao asa lehibe teo amin’ny famerenana ny fanompoam-pivavahana madio sy ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah teo amin’ny Isiraelita i Elia. Nanao izany koa i Jesosy Kristy fony mbola tetỳ an-tany ary mbola hanao misimisy kokoa aza izy mba hamerenana ny fivavahana madio sy hanamarinana ny Rainy any an-danitra amin’ny alalan’ny Fanjakana mesianika.

Nampiseho i Malakia mpaminany fa ny asa nataon’i Elia dia nampiseho mialoha asa mbola ho avy. Tamin’ny alalan’i Malakia, dia niteny toy izao Andriamanitra: “Indro, Izaho haniraka an’i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izy hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka, ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ny fandringanana.” — Malakia 3:23, 24 [4:5, 6, MN].

Nahita fahatanterahany kely io faminaniana io tamin’ny asa nataon’i Jaona mpanao batisa. Nampahatsiahivin’i Jesosy izany taorian’ilay fiovan-tarehy, rehefa nanontany ny mpianany hoe inona no anton’ny nitenenan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia, alohan’ny hisehoan’ny Mesia. Hoy i Jesosy hoe: “Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak’olona.” Manampy toy izao ilay fitantarana: “Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.” — Matio 17:10-13.

Nanao asa toy ny an’i Elia i Jaona rehefa nanao batisa ny Jiosy nibebaka tamin’ny fahotany tamin’ny faneken’ny Lalàna. Mbola zava-dehibe kokoa fa, i Jaona no mpialoha lalana ny Mesia sy nampahafantatra an’i Jesosy Kristy. (Matio 11:11-15; Lioka 1:11-17; Jaona 1:29). Nefa, nahoana ny asa nataon’i Jaona no vao fahatanterahana kelin’ny faminanian’i Malakia fotsiny?

Tao amin’io fahitana io, dia hita niresaka tamin’i Jesosy i Elia. Efa taorian’ny nahafatesan’i Jaona mpanao batisa izany, noho izany dia asan’i Elia iray hovitaina amin’ny hoavy no tiana hambara eo. Ambonin’izany, dia mampiseho ilay faminaniana fa hovitaina alohan’“ny andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra” io asa io. Izany fisehoan-javatra manatona haingana izany dia mahafaoka ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao Hara-magedona, na Haramagedona. (Apokalypsy 16:14-16). Milaza izany fa ny fiorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra amin’ny hoavy tamin’izany, dia nialohavan’ny asa iray nifanandrify tamin’ireo asa nataon’i Elia sy i Elisa mpandimby azy. Ary nandritra ny taonjato iray mahery, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia nanohy asa iray mahafaoka ny fanorenana indray ny fanompoam-pivavahana madio sy ny fanandratana ny anaran’Andriamanitra. — Salamo 145:9-13; Matio 24:14.

Ny zava-nokendren’izy io

Tsy maintsy ho nanatanjaka an’i Jesosy tamin’ny fahoriana sy ny fahafatesana nadiva hiaretany ilay fiovan-tarehy. Tsy maintsy ho nanatanjaka ny finoan’i Jesosy ny fandrenesana ny feon’ny Rainy any an-danitra nilaza azy ho ny Zanany ankasitrahany. Nefa hilaza inona ho an’ny hafa ilay fiovan-tarehy?

Nanatanjaka ny finoan’ireo nahita izany koa ny fiovan-tarehin’i Jesosy. Nandentika tao an-tsain’izy ireo izany fa i Jesosy Kristy dia Zanak’Andriamanitra. Satria tokoa ny Mpitondra Tenin’Andriamanitra lehibe, ny Teny, no teo afovoan’izy ireo, dia nandre ny feon’Andriamanitra mihitsy nilaza toy izao izy ireo: “Ity no Zanako malalako Izay sitrako.” Na dia nanao fanambarana toy izany koa aza i Jehovah fony natao batisa i Jesosy, dia nanampy teny Andriamanitra tamin’ilay fiovan-tarehy fa tokony hihaino ny Zanany ireo mpianany. — Matio 3:13-17; 17:5; Jaona 1:1-3, 14.

Nanatanjaka finoana tamin’ny fomba hafa koa ilay fiovan-tarehy. Tamin’ilay fahitana, i Jesosy sy i “Mosesy” ary i “Elia” dia niresaka ny amin’ny “fialany [Kristy], izay efa hefainy any Jerosalema.” (Lioka 9:31). Ny hoe “fialany” dia nadika avy tamin’ny endriky ny teny grika hoe eʹxo·dos. Izany fialana na fiaingana izany, dia miharihary fa nahafaoka ny fahafatesan’i Jesosy sy ny fananganan’Andriamanitra azy ho amin’ny fiainana ara-panahy. (1 Petera 3:18). Noho izany dia nanatanjaka ny finoana ny fitsanganan’i Kristy ilay fiovan-tarehy. Nampiorina finoana indrindra izany tamin’ny fanomezana porofo mampiaiky fa i Jesosy no ho Mpanjakan’ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra. Ambonin’izany, dia nampiseho ilay fahitana fa ho be voninahitra ilay Fanjakana.

Nanatanjaka ny finoana ny faminaniana ao amin’ny Soratra masina koa ilay fiovan-tarehy. Tokony ho 32 taona tatỳ aoriana (tany amin’ny 64 am.fan.ir. tany ho any), dia mbola nampahatsiahy an’io zava-nitranga io i Petera ary nanoratra hoe: “Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ny fahafetsen’ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ny masonay ny fiandrianany. Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: ‘Ity no Zanako malalako Izay sitrako’. Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay. Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika: koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’andro.” — 2 Petera 1:16-19.

Ny hevitr’izany ho anao

Eny, i Petera dia nihevitra ny fiovan-tarehin’i Jesosy ho fanamafisana mahery ny teny ara-paminanian’Andriamanitra. Nety ho nanisy firesahana ny amin’io fahitana io koa ny apostoly Jaona rehefa niteny hoe: “Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ny Lahitokana avy tamin’ny Ray, sady feno fahasoavana [hatsaram-po amin’izay tsy mendrika akory, MN] sy fahamarinana.” (Jaona 1:14). Mitovy amin’izany koa fa ilay fiovan-tarehy dia afaka mampiorina ny finoanao ny teny ara-paminanian’Andriamanitra.

Ilay fiovan-tarehy mbamin’ireo fisehoan-javatra niaraka taminy, dia afaka manatanjaka ny finoanao fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy Kristy sady ilay Mesia nampanantenaina. Afaka manatanjaka ny finoanao ny fitsanganan’i Jesosy ho amin’ny fiainana ara-panahy any an-danitra izy io. Io fahitana mahatalanjona io koa dia tokony hampitombo ny finoanao ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, satria fahitana mialoha ny voninahitr’i Kristy sy ny herin’ilay Fanjakana ilay fiovan-tarehy.

Manatanjaka ny finoana indrindra ny mahafantatra fa nanondro ny androntsika ny fiovan-tarehin’i Kristy, dia ny fotoana hahatongavan’ny fanatrehan’i Jesosy. (Matio 24:3-14). Hatramin’ny 1914 izy dia nanapaka amin’ny maha-Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra any an-danitra. Tsy ho ela izany fahefana sy heriny avy amin’Andriamanitra izany dia hihatra ho fanoherana ireo fahavalon’ny fanapahan’Andriamanitra rehetra, ary hanokatra lalana ho amin’ny tontolo vaovao iray. (2 Petera 3:13). Azonao atao ny hahazo ireo fitahiana tsy manam-petra avy aminy raha maneho finoana ireo zava-mahatalanjona voalazalaza ao amin’ny fiovan-tarehin’i Jesosy Kristy ianao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara