FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 15/3 p. 25-27
  • Afaka mamindra tendrombohitra ianao!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka mamindra tendrombohitra ianao!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mamindra tendrombohitra amin’izao androntsika izao
  • Afaka ny ho Mpisava Lalana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • “Nahoana Raha Manao Mpisava Lalana?”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana — Natao ho Anao ve Izy Io?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Manome ka Mandray Fitahiana Ireo Mpisava Lalana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 15/3 p. 25-27

Afaka mamindra tendrombohitra ianao!

TAMIN’NY 29 may 1953 no toa hoe nanitsahan’ny olombelona voalohany ny tampon’ny tendrombohitra avo indrindra eto amin’izao tontolo izao, dia Everest, izay tafakatra any amin’ny 8 848 ambonin’ny ranomasina ny haavony. Nampian’ny mpiara-dia 450 mahery ilay “Néo-Zélandais” atao hoe Edmund Hillary sy ilay “Sherpa népalais” atao hoe Tenzing Norgay ka nandresy ny loza avy amin’ny ranomandry sy ny orampanala mahajambena ary ny tsy fahampian’ny ôksizenina, ka tamin’ny farany dia nahatratra ny nokendreny efa ho sivy kilaometatra tany ambony. Tsy isalasalana mihitsy fa ilàna herim-po ny fianihana tendrombohitra avo dia avo, kanefa tsinontsinona izany raha ampitahaina amin’ny fahombiazana noresahin’i Jesosy tamin’ireo mpianany tamin’izao teny izao: “Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.” Eritrereto kely ange! Tsy fianihana tendrombohitra intsony no resahina eo, fa tena famindrana azy! — Matio 17:20.

Inona no nitarika an’i Jesosy hanao io fanambarana io tamin’ireo mpianany? Vao avy nahita tsy fahombiazana izy ireo tamin’ny fiezahany hanasitrana zazalahy iray azon’ny demonia. Nahariharin’i Jesosy taminy ny anton’izany tsy fahombiazana izany: nila finoana misimisy kokoa izy ireo (Matio 17:14-20). Nohariny tamin’ny voan-tsinapy, voa famafy nahazatra azy ireo àry ny finoana. Na dia anankiray amin’ireo “kely” indrindra aza ny voan-tsinapy dia miteraka zavamaniry sahala amin’ny hazo rehefa afaka volana vitsivitsy monja (Matio 13:31, 32). Nasehon’i Jesosy tamin’izany fa mety hanan-kery lehibe ny finoana kely raha kolokoloina sy velomina tsara. Amin’izany dia manjary azo atao izay toa tsy azo atao.

Nefa rehefa avy nampitombo finoana toy izany ireo mpianatr’i Jesosy, karazan-tendrombohitra inona no ho azony afindra? Sahala amin’ny tendrombohitra goavana, dia misy vato misakana mety hanakantsakana ny fandrosoantsika eo amin’ny asan’i Jehovah. Mety ho inona moa izany “tendrombohitra” izany, ary amin’ny fomba ahoana no ‘hahafindrana’ izany?

Tojo vato misakana maro ny apostoly Paoly teo amin’ny fiainany tamin’ny naha-kristiana. Ao amin’ny 2 Korintiana 6:4-10; 11:23-28, no ahitana ambangovangon’ny fitsapana niaretany: fihafiana, kapoka, fampidirana an-tranomaizina, sambo vaky, sy fahasahiranana maro hafa koa. Afa-tsy izany koa, tamin’ny heviny an’ohatra, dia nanana “tsilo tamin’ny nofo” izy, angamba areti-maso (2 Korintiana 12:7; Asa. 14:15). Ahoana no nahafahany nandresy ireny ‘tendrombohitra’ ireny ka nanatanteraka izay tian’Andriamanitra hataony? “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy”, hoy ny nosoratany, “mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay”. (Filipiana 4:13; 2 Korintiana 4:7.) Araka izany, dia natoky tanteraka i Paoly fa afaka nanatanjaka azy tao anatin’ny fotoan-tsarotra Jehovah. Nanam-pinoana izy.

Mamindra tendrombohitra amin’izao androntsika izao

Irinao ve ny hanompo bebe kokoa an’i Jehovah? Sahala amin’ireo kristiana ana hetsiny maro tonga manatevin-daharana ny mpitory manontolo andro, na mpitory maharitra, dia tsapanao koa angamba fa mahadodona tokoa izao androntsika izao ka mihevitra tsara ny hanitatra ny fanompoanao ianao. Kanefa moa ve ianao tojo vato misakana toa tsy hay resena toy ny tendrombohitra avo? Tsy azonao atao ve ny mamindra izany tendrombohitra izany? Nanao izany ny Vavolombelona an’arivony maro mba hanompoana bebe kokoa an’i Jehovah. Indro, misy faminavinana ny amin’izany:

Ny zazavavy Vavolombelona iray, voalohany tao an-dakilasy, dia hanala ny fanadinana famaranam-pianarana ary naniry ho tonga mpitory maharitra, kanefa toa tendrombohitra ho azy ny fahitana asa. Hoy ny fitantarany:

“Vato nisakana teo anelanelako sy ny asan’ny mpitory maharitra ny hevitro tsy nanorina sy ny fisalasalako. Koa satria tiako tanteraka ny hahita asa alohan’ny hanombohana izany, dia tsy haiko ny nametraka ny fitokiako tanteraka tamin’i Jehovah izay afaka manome ny ilain’izay rehetra mametraka ny fanompoam-pivavahana aminy alohan’ny zavatra hafa rehetra. Tsy nitsahatra ny niteny anakampo toy izao aho: ‘Tsy maintsy mitady asa aloha aho; rehefa avy eo dia hameno fangatahana hanao ny asan’ny mpitory maharitra aho.’ Tsy mpitory maharitra àry aho; raha ny marina, dia nanary fotoana sarobidy aho. Nanao izay hanamarihako anefa ny anankiray tamin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona fa arakaraka ny niandrasako mba ho tonga mpitory maharitra no hahatonga ny raharaha manontolo andro hahasodoka ahy, satria tsy nanana antony handavana izany mihitsy aho.”

Inona no nataon’io zazavavy kristiana io? Izao no fanazavany: “Nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho mba hitarihany ny ataoko sy ny fisainako amin’ny alalan’ny fanahiny.” Taorian’ny nahazoany ny diplaomany, dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy izy, avy eo dia ny an’ny mpitory maharitra mandavantaona. Tsy ela, dia nahita asa nahatonga azy ho afaka hanohy ny fanompoany izy.

Ny loholona iray nanana vady mpitory maharitra sy zanaka roa mbola novelominy dia nieritreritra fa tokony hanao mihoatra noho ny famelomana ny ankohonany izy. Na dia nandrara azy tsy hanao ny asan’ny mpitory maharitra aza ny toerany araka ny fiheveran’ny sasany, dia naniry hanitatra ny fanompoany ihany izy. Fiovana inona avy no tsy maintsy nentiny teo amin’ny fiainany?

“Heveriko fa raha ny marina, ny vato misakana lehibe indrindra tsy maintsy nosetraiko, dia ny tenako ihany, hoy izy. Tiako foana ny nitory, ary rehefa mifanakalo hevitra amin’ireo minisitra manontolo andro aho, amin’ny fandinihana ireo fitahiana raisin’izy ireny eo amin’ny fanompoany, dia tsapako fa mamindra ny toe-tsaina tsara ananan’izy ireny. Hitako ny tenako tonga minisitra manontolo andro indray andro any. Kanefa, nianina tamin’ny fieritreretana ny asan’ny mpitory maharitra aho fa tsy nametra daty mba hanatratrarana an’io zava-kendrena io mihitsy.”

Rehefa avy nandinika an’io raharaha io tao amin’ny vavaka ilay Vavolombelona dia nanomboka nanao zavatra mba hahatongavana ho mpitory manontolo andro. Niresaka ny amin’ny fikasany tamin’ny lehibeny izy ary nangataka taminy mba hampihena ny ora fiasany isan-kerinandro. Tsy nisy mpiasa nomena izany fahafahana izany mihitsy tao amin’ilay orinasa.

Hoy izy nanohy ny teniny: “Namarana ny resaka ny lehibeko tamin’ny filazana tamiko fa tsy azo inoana loatra ny hanomezana ahy ny ora fiasana nangatahiko. Azoko antoka fa raha tsy niankina afa-tsy taminy ny fanapahan-kevitra, dia ho tsia ny valiny. Noho ny fanampian’i Jehovah ihany anefa no mety handreseko. Rehefa afaka herinandro sy tapany, dia nanaiky ny fangatahako ny tale. Rehefa avy nisaotra ny lehibeko aho, dia nivoaka ary nandray ny fiarakodiako. Nijanona teny lavidavitra aho ary naneho tamin’i Jehovah ny fankasitrahako rehetra. Ho tratrako izao ny zava-nokendreko: ny hanomboka ny asa manontolo andro.”

‘Namindra’ izay tendrombohitra ho azy ity vehivavy kristiana manambady. Tamin’ny fomba ahoana? Aoka havelantsika hanazava izany izy: “Efatra ny zanako ary tsy Vavolombelona ny vadiko. Rehefa nanomboka nieritreritra ny asan’ny mpitory maharitra aho, dia nisy vato misakana maromaro teo anoloako. Ho fanombohana, dia tsy nanana asa vetivety ny vadiko, satria arakaraka ny fizaran-taona no iasany. Nanao asa tapak’andro àry aho mba hisahanana ny fandaniana. Niteny anakampo aho fa na dia teo aza ny faniriako, dia nisakana ahy tsy ho tonga mpitory maharitra ny toerako. Izay fiheverana izay indrindra anefa no tsy tsara. Takatro fa raha nanohy nieritreritra aho hoe tsy afaka hanao izany, dia tsy hanao fiezahana hanandrana mihitsy. Manaraka izany, ny raharaha lehibe indrindra dia ny nanontaniako tena hoe aiza no hanovozako ny hery hanatanterahana io asa io. Hitako tao amin’ny Filipiana 4:13 ny valiny. Tsy vitan’ny hoe nivavaka tamin’i Jehovah ny amin’io raharaha io aho, fa nanomboka nitoky taminy kokoa. Nanao zavatra teo amin’ny lafin’ny fampiharana koa aho: nanorina fandaharana tsara aho ary tonga mpitory maharitra mpanampy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia novohan’i Jehovah miandalana ho ahy ny varavarana fidirana ho amin’ny asan’ny mpitory maharitra. Nandray ny asany indray ny vadiko, ka nanao fandaharana aho mba tsy hitana ahy afa-tsy indray andro isan-kerinandro intsony ny asako tapa-potoana. Tsy ela tatỳ aoriana, dia tonga mpitory maharitra mandavantaona aho.”

Nanana tombontsoa koa io vehivavy kristiana io nanatrika ny Sekoly ho an’ny mpitory maharitra, ka nanampy azy be dia be tamin’ny fanompoany izany. “Izao fotsiny no tiako holazaina amin’izay rehetra mieritreritra ny asan’ny mpitory maharitra, hoy ny famaranany: Mivavaha amin’i Jehovah ka apetraho eo an-tanany io raharaha io. Rehefa avy eo dia manaova fiezahana amin’izany lafiny izany, dia hitahy anao izy.” — Salamo 37:5.

Moa ve ireo fitantarana ireo tsy manampy anao hahita hoe amin’ny fomba ahoana ny finoana miasa no mahatonga ny kristiana ho afaka handresy “tendrombohitra”? Koa raha maniry ny ho tonga mpitory maharitra ianao, dia diniho ny toeranao. Miresaha amin’ireo izay efa toy izany, ary makà fianarana amin’ny zavatra efa hitany. Manaova fandaharana azo ampiharina mba hanatrarana ny zava-kendrenao. Ary ambonin’ny zavatra rehetra, resaho amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka ny fanirianao, avy eo dia minoa mafy fa hitahy ny fiezahanao izy. Eny, afaka hamindra tendrombohitra koa ianao!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara