FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • jy toko 62 p. 148-p. 149 feh. 2
  • Lesona Lehibe Momba ny Fanetren-tena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lesona Lehibe Momba ny Fanetren-tena
  • I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Mitovitovy Aminy
  • Fianarana momba ny fanetren-tena
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Nanome fianarana ny amin’ny fanetren-tena i Jesosy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ireo Izay Tonga Mpianatr’i Jesosy
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
  • Iza ny Zanak’olona?
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
Hijery Hafa
I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
jy toko 62 p. 148-p. 149 feh. 2
I Jesosy sy ankizikely iray

TOKO 62

Lesona Lehibe Momba ny Fanetren-tena

MATIO 17:22–18:5 MARKA 9:30-37 LIOKA 9:43-48

  • NOLAZAIN’I JESOSY INDRAY NY HAHAFATESANY

  • VOLA TAO AM-BAVAN’NY TRONDRO IRAY NO NANDOAVANY HETRA

  • IZA NO HO LEHIBE INDRINDRA AO AMIN’ILAY FANJAKANA?

Nankany Kapernaomy i Jesosy taorian’ilay fiovan-tarehy sy rehefa avy nanasitrana zazalahy iray nisy demonia tany Kaisaria-Filipo. “Tsy tiany hisy hahafantatra izany” ka ny mpianany ihany no nentiny. (Marka 9:30) Afaka nampiomana kokoa ny mpianany izy tamin’izay fa ho faty. Afaka nanampy azy ireo koa izy mba ho vonona amin’ilay asa miandry azy ireo. Hoy izy: “Efa voatendry hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona, ka hovonoiny ho faty, ary hatsangana amin’ny andro fahatelo.”—Matio 17:22, 23.

Tsy tokony ho vaovao tamin’ny mpianany izany. Efa nilaza i Jesosy talohan’izay hoe ho faty izy, na dia tsy nety nino aza i Petera hoe hitranga izany. (Matio 16:21, 22) Nisy apostoly telo koa nahita an’ilay fiovan-tarehy sy naheno an’i Jesosy niresaka momba ny ‘hahalasanany.’ (Lioka 9:31) Nampalahelo be an’ireo mpanara-dia azy ny teniny, na dia mbola tsy azon’izy ireo tsara aza ny tena dikany. (Matio 17:23) Natahotra ny hanontany azy momba izany anefa izy ireo.

Tonga tany Kapernaomy izy ireo taorian’izay. Tao no toerana nandaminan’i Jesosy ny fanompoany ary maromaro ny apostoly avy tao. Nanatona an’i Petera ireo lehilahy mpanangona ny hetran’ny tempoly. Angamba izy ireo te hiampanga an’i Jesosy ho tsy mandoa hetra, ka nilaza hoe: “Tsy mba mandoa [hetran’ny tempoly] angaha ny mpampianatra anareo?”—Matio 17:24.

Hoy i Petera: “Mandoa izy.” Efa fantatr’i Jesosy izay nitranga rehefa tonga tao an-trano izy. Tsy niandry an’i Petera hitantara àry izy fa tonga dia nanontany hoe: “Ahoana ny hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza no ahazoan’ny mpanjaka etỳ an-tany ny haba na ny hetra isan-dahy? Avy amin’ny zanany sa avy amin’ny olon-kafa?” Hoy i Petera: “Avy amin’ny olon-kafa.” Niteny àry i Jesosy hoe: “Koa afaka amin’ny fandoavan-ketra àry ny zanaka.”—Matio 17:25, 26.

Trondro iray azon’ny lelam-pintana ary misy vola madinika ao am-bavany

Mpanjakan’izao rehetra izao ilay Rain’i Jesosy ary izy no nivavahana tao amin’ny tempoly. Ara-dalàna àry raha tsy tokony handoa ny hetran’ny tempoly ny Zanak’Andriamanitra. Hoy anefa i Jesosy: “Fa mba tsy hanafintohinantsika azy, dia mankanesa any an-dranomasina ary manipaza lelam-pintana, ka raiso izay trondro azonao voalohany. Ary rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita statera [tetradrakma] iray ianao. Alao izany ka omeo azy, ho avy amiko sy avy aminao.”—Matio 17:27.

Tafaraka ireo mpianatra taoriana kelin’izay ary te hanontany an’i Jesosy hoe iza no ho lehibe indrindra ao amin’ilay Fanjakana. Tsy sahy nanontany an’i Jesosy momba ny hahafatesany izy ireo taloha kelin’izay, nefa sahy niresaka momba ny hoavin’izy ireo teto. Fantatr’i Jesosy ny tao an-tsain’izy ireo. Efa niady hevitra momba an’ilay izy mantsy izy ireo rehefa niaraka taminy teny an-dalana hiverina ho any Kapernaomy. Nanontany àry i Jesosy hoe: “Inona no nifandiranareo teny an-dalana?” (Marka 9:33) Menatra izy ireo ka nangina. Nifanditra mantsy izy ireo hoe iza no lehibe indrindra aminy. Napetrak’ireo apostoly tamin’i Jesosy ihany anefa ity fanontaniana nampiady hevitra azy ireo ity: “Iza marina no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?”—Matio 18:1.

Mahagaga hoe mbola nifanditra toy izany izy ireo nefa efa ho telo taona no nandinika sy nihaino an’i Jesosy. Tsy lavorary anefa izy ireo ary nanantitrantitra be ny voninahitra sy ny toerana ambony ny fivavahana nanabeazana azy. Vao haingana koa i Petera no nampanantenain’i Jesosy hoe homena “ny lakilen’ny” Fanjakana. Nety ho nahatonga azy hihevi-tena ho ambony izany. Nety ho nahatsapa izany koa i Jakoba sy Jaona noho izy ireo nahita an’i Jesosy niova tarehy.

Na inona na inona anefa antony nampifanditra azy ireo, dia nanitsy azy ireo i Jesosy. Nantsoiny ho eo afovoan’izy ireo ny zaza iray ary hoy izy: “Tsy hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo, raha tsy miova ho toy ny zaza. Noho izany, izay manetry tena tahaka ity zaza ity no ho lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Ary izay mandray zaza tahaka ity amin’ny anarako, dia mandray ahy.”—Matio 18:3-5.

Nahafinaritra tokoa ny fomba fampianatr’i Jesosy! Sady tsy tezitra tamin’ny mpianany izy no tsy nilaza hoe tia tena na matin-kambo izy ireo. Nampiasa ohatra kosa izy mba hanitsiana azy ireo. Tsy manana toerana ambony na voninahitra ny zaza. Tian’i Jesosy haseho tamin’ny mpianany fa tokony ho hoatr’izany koa izy ireo. Hoy izy tamin’ny farany: “Izay mitondra tena toy ny kely indrindra aminareo rehetra dia izy no lehibe.”—Lioka 9:48.

  • Inona no zava-dehibe nolazain’i Jesosy indray rehefa niverina tao Kapernaomy izy? Inona no vokatr’izany tamin’ny mpianany?

  • Nahoana i Jesosy no tsy voatery handoa hetra, nefa nahoana izy no nandoa an’ilay izy ihany?

  • Inona no nety ho nahatonga ny mpianatra hifanditra momba ny hoe iza no lehibe? Ahoana no nanitsian’i Jesosy azy ireo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara