FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • “Mbola Tsy Nisy Olona Niteny Hoatr’izany Mihitsy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
    • 9 Nanontany an’i Petera ny mpamory hetra indray mandeha, raha nandoa ny hetran’ny tempoly i Jesosy.c Avy dia namaly i Petera hoe: “Mandoa izy ka!” Nampisaintsaina azy i Jesosy avy eo, ka nanontany hoe: “Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’iza no ahazoan’ny mpanjaka eto an-tany haba na hetra isan-dahy? Avy amin’ny zanany sa avy amin’ny olon-kafa?” Hoy i Petera: “Avy amin’ny olon-kafa.” “Tsy mila mandoa hetra àry ny zanaka”, hoy i Jesosy. (Matio 17:24-27) Azo inoana fa nazava tamin’i Petera ny tian’i Jesosy holazaina. Fantany fa tsy nampandoavina hetra ny fianakavian’ny mpanjaka. Tsy voatery nandoa hetra koa àry i Jesosy, satria Zanaka lahitokan’ilay Mpanjaka any an-danitra, izay nivavahana tao amin’ny tempoly. Mariho fa tsy tonga dia nolazain’i Jesosy an’i Petera ilay hevitra tiany hampitaina. Nametraka fanontaniana voahevitra tsara kosa izy, mba ho i Petera ihany no hahita izany. Tiany ho azon’i Petera koa angamba fa mila mieritreritra tsara kokoa izy amin’ny manaraka vao mamaly.

  • “Mbola Tsy Nisy Olona Niteny Hoatr’izany Mihitsy”
    “Andao Hanara-dia Ahy”
    • c Tsy maintsy nandoa ny hetran’ny tempoly ny Jiosy isan-taona. Drakma roa izy io, izany hoe karama roa andro teo ho eo. Hoy ny boky iray: “Io hetra io dia natao indrindra mba handoavana ny vola lany tamin’ny fanatitra dorana isan’andro, sy ny sorona hafa rehetra natao ho an’ny vahoaka.”

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara