FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Ny mpiasa ao an-tanim-boaloboka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Novambra
    • Ilay lehilahy tompon-trano, izany hoe ny tompon’ny tanimboaloboka, dia Jehovah Andriamanitra, ary ny tanimboaloboka dia ny firenen’Isiraely. Ireo mpiasa nirahina ho any an-tanimboaloboka dia olona tafiditra tao amin’ny faneken’ny Lalàna; Jiosy niara-belona tamin’ny apostoly indrindra izany. Tamin’ireo mpiasa noraisina hiasa manontolo andro ihany no nanaovana fifanekena eo amin’ny karama, denaria iray ny andro iray. Koa satria ny “ora fahatelo” mifanandrify amin’ny 9 ora maraina, ireo voantso tamin’ny ora fahatelo, fahenina, fahasivy ary fahiraika ambin’ny folo dia tsy miasa afa-tsy adiny 9, adiny 6, adiny 3, adiny iray.

      Ireo mpiasa izay niasa nandritra ny 12 ora, izany hoe andro iray feno, dia mampiseho ireo filoha jiosy izay nanan-katao foana teo amin’ny fanompoana ara-pivavahana. Tsy nitovy tamin’ny mpianatr’i Jesosy izay, nandritra ny tapany lehibe tamin’ny fiainany, dia sahirana tamin’ny fanjonoana sy ny asa tsy ara-pivavahana hafa, izy ireny. Tsy talohan’ny fararanon’ny taona 29 amin’ny fanisan-taona iraisana no naniraka an’i Jesosy mba hanangona sy hanao azy ho mpianatra ilay “tompon-trano”. Tamin’izany no nahatongavan’izy ireo ho “farany”, ho ny mpiasa tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo.

  • Ny mpiasa ao an-tanim-boaloboka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Novambra
    • Noraisina ny denaria, tsy tamin’ny fahafatesan’i Jesosy, fa tamin’ny Pentekosta tamin’ny taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, rehefa nandrotsaka ny Fanahy Masina tamin’ny mpianany i Kristy, ilay “mpitandrina ny raharaha”. Ireny mpianatr’i Jesosy ireny dia nitovy tamin’ireo “farany”, dia ireo mpiasa tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo.

  • Ny mpiasa ao an-tanim-boaloboka
    Ny Tilikambo Fiambenana—1989 | 15 Novambra
    • Tsy nahita afa-tsy io fahatanterahana tamin’ny taonjato voalohany io ve ny fanoharan’i Jesosy? Tsia, amin’izao taonjato faha-20 izao, ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, noho ny toerany sy ny andraikiny, dia ny “voalohany” noraisina hiasa tao amin’ny tanimboalobok’Andriamanitra ara-panoharana. Nihevitra ireo mpitory be zotom-po izay niara-niasa tamin’ny Watch Tower Bible and Tract Society ho ny “farany” vao nahazo asa fanirahana azo ekena eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izy. Nefa, raha ny marina, ireo izay nankahalain’ny klerjy indrindra no nahazo ny denaria: ny voninahitra hanao ny asan’ny ambasadaoro voahosotr’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Matio 19:30 ka hatramin’ny 20:16.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara